bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 34
Job 34
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 35 →
1
Ary mbola niteny ihany i Eliho hoe:
2
Mandrenesa ny teniko, ianareo olon-kendry, ary mihainoa ahy, ianareo manam-pahalalana.
3
Fa ny sofina no mamantatra teny ary ny vava no manandrana hanina.
4
Koa aoka izay rariny no hodinihintsika ary aoka hiara-mamantatra izay tsara isika.
5
Fa i Joba dia efa niteny hoe: Marina aho, saingy nesorin’Andriamanitra tamiko ny rariny;
6
marina ny ahy nefa ampandaingainy aho; mahafaty ny zana-tsipìka mitsatoka amiko, na dia tsy manam-pahadisoana aza aho.
7
Aiza no misy lehilahy tahaka an’i Joba izay misotro famingavingana toy ny rano
8
ary tonga naman’ny mpanao ratsy sady miara-mandeha amin’ny ratsy fanahy?
9
Fa hoy izy: Tsy mahasoa ny olona ny mihavana amin’Andriamanitra.
10
Koa amin’izany, mihainoa ahy, ianareo manam-panahy! Lavitra an’Andriamanitra ny hanao ratsy! Ary lavitra ny Tsitoha ny hanao meloka!
11
Fa ny nataon’ny olona ihany no ampanodiaviny azy ka mamaly ny tsirairay araka ny lalany avy Izy.
12
Eny tokoa, Andriamanitra tsy manao ratsy mihitsy ary ny Tsitoha tsy mba mamadika ny rariny.
13
Iza moa no nanendry Azy ho Mpiandraikitra ny tany? Ary iza no nanorina izao tontolo izao?
14
Raha toa ka ny tenany ihany no heveriny ka hangoniny ho any Aminy ny fanahiny sy ny fofonainy,
15
dia hiala avokoa ny ain’ny nofo rehetra ary hiverina amin’ny vovoka ny olona.
16
Raha manam-pahalalana ianao dia henoy izao ka atongilano amin’ny teniko ny sofinao!
17
Moa mahay mitondra va izay tsy tia rariny? Ary Ilay marina sady mahery va no hohelohinao?
18
Mety va ny miteny amin’ny mpanjaka hoe: Olom-poana ianao? Ary amin’ny zanak’andriana hoe: Ry ilay ratsy?
19
Tsy mizaha ny tavan’ny lehibe Izy ary tsy manaja ny ambony mihoatra noho ny ambany satria samy asan’ny tanany avokoa izy rehetra.
20
Maty amin’ny indray mipy maso monja amin’ny mamatonalina ireny; mihetsiketsika ny vahoaka dia ringana izy ary ny mahery dia lasa tsy nesorin-tanan’olona.
21
Fa ny mason’Andriamanitra dia mijery ny alehan’ny olona ary mahita ny diany rehetra Izy.
22
Tsy misy haizina na aloky ny fahafatesana izay ahazoan’ny mpanao ratsy miery.
23
Fa Andriamanitra tsy miandry ela vao mandinika ny olona izay tonga hotsaraina eo anatrehany.
24
Manorotoro ny olona mahery Izy na dia tsy manadina azy aza ka manangana olon-kafa hisolo azy.
25
Fa fantany ny asan’ireo ka manongana azy amin’ny alina Izy dia torotoro ireo.
26
Tehafiny tanana tahaka ny fanao amin’ny ratsy fanahy ireo eo imason’ny vahoaka.
27
Izany dia noho ny nialan’ireo tamin’Andriamanitra ka tsy nitandremany ny lalany akory.
28
Noho izany dia tonga eo anatrehany ny fitarainan’ny madinika ka reny ny fitarainan’ny ory.
29
Raha mangina Izy, iza no hahay hanameloka Azy? Raha manafin-tava Izy, iza no hahajery Azy? Nefa Izy dia mijery ny firenena na ny olona tsirairay
30
mba tsy hanjakan’ny ratsy fanahy ary tsy ho voafandrika ny vahoaka.
31
Fa moa va mba efa nisy niteny tamin’Andriamanitra hoe: Efa nivesatra ny fijaliako aho ka tsy hanao ratsy intsony;
32
izay tsy hitako dia mba ampianaro ahy; raha nanao ratsy aho dia tsy hanao intsony?
33
Moa araka ny hevitrao va no hamalian’Andriamanitra ny ataon’ny olona no mandà ny toroheviny ianao? Ianao no mifidy fa tsy izaho! Koa izay fantatrao no ambarao!
34
Ny olona manam-panahy no hilaza amiko ary ny olon-kendry izay mihaino ahy dia hiteny amiko hoe:
35
Miteny tsy amim-pahalalana i Joba ary ny teniny dia tsy amim-pahendrena.
36
Enga anie ka hozahan-toetra mandrakariva i Joba noho ny famaliny araka ny fanaon’ny ratsy fanahy!
37
Fa ampiany fihaikana koa ny fahotany; miteha-tanana eto amintsika izy ka manao teny maro hoenti-miady amin’Andriamanitra.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42