bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 21
Job 21
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
1
Dia namaly i Joba hoe:
2
Mihainoa tsara ny teniko ary aoka izany no ho fampiononanareo ahy.
3
Mandefera amiko ianareo fa mba hiteny kosa aho izao; ary rehefa tapitra ny teniko dia mahazo mandatsalatsa ihany indray ianareo.
4
Raha ny amiko, moa ny ataon’ny olona va no itarainako? Ary raha izany, nahoana no hahalefitra ny fanahiko?
5
Jereo aho dia aoka ho talanjona ianareo ary mitampena vava.
6
Eny, raha mahatsiaro izany aho dia raiki-tahotra sady toran-kovitra ny tenako.
7
Nahoana no velona ny ratsy fanahy ka sady tratra antitra no vao mainka mitombo hery?
8
Ny zanany koa dia mitomoetra tsara eo anatrehany ary ny zafiny dia hitan’ny masony.
9
Ny ankohonany dia miadana, tsy misy mampitahotra, ary ny tsorakazon’Andriamanitra dia tsy mamely azy.
10
Mampiteraka ny ombilahiny ka mahavanona, miteraka ny ombivaviny ka tsy mamotsotra.
11
Mamela ny zanany madinika sy ny ankizilahiny hikorana toy ny ondry aman’osy izy.
12
Mihoby mitondra ampongatapaka sy lokanga izy ary mifaly amin’ny feon-tsodina.
13
Mandany ny androny amin’ny fahafinaretana izy; amin’ny indray mipy maso no idinany any amin’ny fitoeran’ny maty*.
14
Kanefa anie dia ireo no manao amin’Andriamanitra hoe: Mialà aminay! Fa tsy mba irinay ny hahafantatra ny lalanao.
15
Zinona izay Tsitoha no hotompoinay? Ary inona no soa ho azonay raha mivavaka Aminy?
16
Indro, tsy eo am-pelatanany ny fahafinaretany! Lavitra ahy ny fisainan’ny ratsy fanahy!
17
Impiry moa no mba maty ny jiron’ny ratsy fanahy sy misy ny loza manjo azy ary anomezan’Andriamanitra ny anjarany noho ny fahatezerany?
18
Moa va izy tonga tahaka ny mololo voatetika indaosin’ny rivotra sy tahaka ny akofa entin’ny tafio-drivotra?
19
Andriamanitra, hoy ianareo, mbola hampijaly ny zanany noho ny heloky ny rainy! Tsia! Fa ny tenan’ireny ihany no tokony handray ny valiny ary aoka ho fantany izany!
20
Aoka ny masony ihany no hahita ny fahalevonany ary aoka ny tenany ihany no hisotro ny fahatezeran’ny Tsitoha.
21
Fa mampaninona azy moa ny amin’ny taranany mandimby azy raha efa voafetra ny isan’ny androny?
22
Moa Andriamanitra va no hampianarina fahalalana, nefa Izy aza no mitsara ny any an-danitra?
23
Maty ny iray raha mbola tao anatin’ny tanjany sady niadana tanteraka tsy nanana ahiahy;
24
feno tavy ny andilany ary vonton-tsoka ny taolany.
25
Ny iray kosa dia maty ao anatin’ny fangidiam-panahy ka tsy mba nanandrana soa akory.
26
Samy mandry ao amin’ny vovoka izy roa tonta ka rakotry ny olitra ny tenany.
27
Indro, fantatro ny hevitrareo sy ny saim-petsy amelezanareo ahy;
28
fa hoy ianareo: Aiza ny tranon’ny andriana? Ary aiza ny tranolay fitoeran’ny ratsy fanahy?
29
Kanefa tsy mba nanontany ny mpandalo va ianareo? Ary tsy mba noheverinareo va ny zavatra ambarany?
30
Amin’ny andro hahitan-doza dia voaaro ihany ny ratsy fanahy ary amin’ny andron’ny fahatezerana dia mahita fialofana izy.
31
Iza no hanambara mifanatrika aminy ny lalany? Ary raha misy zavatra nataony, iza no hamaly azy amin’izany?
32
Entina ho eny an-tany fandevenana izy ka misy miambina eo amin’ny fasana;
33
mamy aminy ny bainga any an-dohasaha; ny olona rehetra dia manotrona nanaraka azy ary maro tsy hita isa no efa nialoha lalana.
34
Endre! Ity ianareo mba mampionona ahy foana! Ary izay sisa amin’ny teny avalinareo dia lainga ihany!
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42