bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 19
Job 19
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 20 →
1
Dia namaly i Joba hoe:
2
Mandra-pahoviana no hampalahelovanareo ny fanahiko sy hanorotoroanareo ahy amin’ny fiteny?
3
Efa impolo izay no nanaratsianareo ahy; tsy menatra ny hampahory ahy ianareo.
4
Raha diso tokoa aho dia izaho ihany no andrian’ny fahadisoako.
5
Raha mirehareha amiko kosa ianareo ka mampiaiky ahy ho nanao izay mahamenatra
6
dia aoka ho fantatrareo fa Andriamanitra no efa nampitanondrika ahy ka efa naningotra ahy tamin’ny fandrika haratony.
7
Indro, miantso mafy aho hoe: Loza! Nefa tsy misy mamaly ahy; mitaraina aho, nefa tsy mahita rariny!
8
Ny lalako dia nofefeny ka tsy afa-mandroso aho; nasiany haizina eo amin’ny lalana alehako.
9
Ny voninahitro dia nalany tamiko ary nesoriny ny satroboninahitra teo an-dohako.
10
Efa nandrava ahy manodidina Izy ka efa ho faty aho; efa nofongorany tahaka ny hazo ny fanantenako.
11
Nampirehetiny tamiko ny fahatezerany ka nataony ho fahavalony aho.
12
Miara-mandroso ny antokon’ny miaramilany ary manandratra tovon-tany hamelezany ahy izy ka mitoby manodidina ny tranolaiko.
13
Ny rahalahiko dia efa nampanalaviriny ahy ary ny olona nahazatra ahy dia mihafahafa amiko avokoa.
14
Tsy misy eto intsony ny havako ary ny sakaizako dia efa nanadino ahy.
15
Ny vahiny izay mitoetra ao an-tranoko sy ny mpanompovaviko aza dia samy manao ahy ho olon-kafa; tonga olon-ko azy eo imasony aho.
16
Antsoiko ny mpanompoko nefa tsy namaly ahy izy; mifona aminy amin’ny vavako aho.
17
Ny fofonaiko dia mahaloiloy ny vadiko ary maharikoriko ny zanak’Ineny aho.
18
Eny, ny ankizilahy madinika aza dia mamingavinga ahy; raha te hitsangana aho dia miteny mamely ahy ireny.
19
Na dia izay nifankazatra tamiko indrindra aza dia manao ahy ho zava-betaveta ary izay olon-tiako dia mivadika ho fahavaloko.
20
Ny taolako dia miraikitra amin’ny hoditro sy ny nofoko ary ny akanjonifiko ihany no hany sisa azoko enti-mandositra.
21
Mamindrà fo amiko, mamindrà fo amiko ianareo, ry sakaizako ô, fa namely ahy ny tanan’Andriamanitra.
22
Nahoana no manenjika ahy tahaka an’Andriamanitra koa ianareo ka tsy mety afa-po amin’ny nofoko?
23
Enga anie ka ho voasoratra ny teniko! Enga anie ka ho voasokitra ao amin’ny boky ireny!
24
Enga anie ka ho voasoratra amin’ny vy fanoratana sady voaisy firaka eo amin’ny vatolampy ho mandrakizay izy!
25
Kanefa raha izaho dia fantatro fa velona ny Mpanavotra ahy ka hitsangana any am-parany eo ambonin’ny vovoka Izy.
26
Ary rehefa levona ny hoditro, izao simba izao, sady afaka amin’ny nofoko aho, dia hahita an’Andriamanitra;
27
eny, izaho no hahita Azy ary ny masoko no hijery fa tsy olon-kafa. Efa matim-paniriana ny saiko ato anatiko.
28
Raha hoy ianareo: Fomba ahoana no hanenjehantsika azy? Dia hohitantsika ao anatiny ny fototry ny mahameloka azy.
29
Dia matahora ny sabatra ianareo; fa ny fahatezerana dia heloka mendrika ny hovalian-tsabatra mba ho fantatrareo fa misy fitsarana.
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42