bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
/
Job 27
Job 27
Malagasy MRV 2011 (La Bible en Malgache)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 28 →
1
Dia mbola nandroso nanao oha-teny ihany i Joba hoe:
2
Raha velona koa Andriamanitra izay efa nandà tsy hanome ahy ny rariny sy ny Tsitoha izay efa nampangidy ny aiko,
3
fa mbola ato amiko ihany ny aiko ary mbola eo am-bavoroko ny fofonaina avy amin’Andriamanitra,
4
dia tsy hanao teny tsy marina ny molotro ary tsy hanonom-pitaka ny lelako.
5
Sanatria raha hanaiky ny anareo ho marina aho! Mandra-pialan’ny aiko dia tsy hanaiky ny tenako ho manan-tsiny aho.
6
Ny fahamarinako dia hazoniko mafy ka tsy ho foiko; ny foko dia tsy manome tsiny ahy akory na dia ny amin’ny androko iray monja aza.
7
Aoka ho hita fa ratsy fanahy ny fahavaloko ary olon-tsy marina izay mitsangana manohitra ahy!
8
Fa inona no tombony antenain’ny mpihatsaravelatsihy rehefa tsoahan’Andriamanitra ny ainy?
9
Hihaino ny fitarainany va Andriamanitra raha ozoim-pahoriana izy?
10
Hahita haravoravoana amin’ny Tsitoha va izy? Hahazo miantso an’Andriamanitra mandrakariva va izy?
11
Hampianatra anareo ny amin’ny tanan’Andriamanitra aho ary tsy hanafenako anareo ny hevitry ny Tsitoha.
12
Indreo ianareo rehetra dia samy efa nahita izany; koa nahoana ianareo no mandany andro amin’ny hevi-poana?
13
Izao no anjaran’ny ratsy fanahy avy amin’Andriamanitra sy lovan’ny mpampihorohoro raisiny avy amin’ny Tsitoha:
14
Na dia mihamaro aza ny zanany dia ho an’ny sabatra ihany ireny. Ary ny zaza aterany dia tsy ho voky hanina;
15
ny ankohonany sisa dia hasitrik’i Rafahafatesana ary tsy hisaona azy ny mpitondratena navelany;
16
na dia mahary volafotsy ohatra ny vovoka aza izy ary mahangona fitafiana ohatra ny tanimanga;
17
eny, manangona ihany izy, nefa ny marina no hitafy izany, ary ny tsy manan-tsiny no hizara ny volafotsy.
18
Manao ny tranony tahaka ny an’ny lolofotsy izy ary tahaka ny trano rantsan-kazo ataon’ny mpiandry voly;
19
Ao ihany ny harenany rehetra raha vao mandry izy, nefa nony ahirany ny masony dia tsy ao intsony ireny.
20
Mahatratra azy tahaka ny riaka ny fampahatahorana; nony alina dia paohin’ny tafio-drivotra izy;
21
Manainga azy sy mahalasa azy ny rivotra avy any atsinanana ka mipaoka azy hiala amin’ny fitoerany;
22
asian’ny olona ny tsipìka izy ka tsy iantrany, dia voatery mandositra ho afaka amin’ny tanany izy.
23
Tehafin’ny olona tanana izy sady isiafany ka ampialainy amin’ny fonenany.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 37
Chapter 38
Chapter 39
Chapter 40
Chapter 41
Chapter 42
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36
37
38
39
40
41
42