bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 14
1 Chronicles 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 15 →
1
Ary i Hirama mpanjakan’i Tira, nandefa iraka tany amin’i Davida nitondra hazo sedera sy tambato ary mpandrafitra, hanao trano ho azy.
2
Dia fantatr’i Davida, fa efa nampiorina azy ho mpanjaka amin’i Israely i Iaveh, satria voasandratra ny fanjakany, noho i Israely vahoakany.
3
Mbola naka vady koa i Davida tany Jerosalema ka mbola niteraka zazalahy aman-jazavavy.
4
Izao no anaran’ny zanany naterany tany Jerosalema: Samoà, Sôbada, Natàna, Nôga,
5
Salômôna, Jebahara, Elisoa,
6
Elifata, Nefega, Jafia,
7
Elisamà, Baniadà ary Elifata.
8
Ren’ny Filistinina fa hoe voahosotra ho mpanjaka amin’i Israely rehetra i Davida; dia niakatra hitady an’i Davida ny Filistinina rehetra. Nahare izany i Davida ka dia nivoaka hanoloana an’ireo izy.
9
Nony tonga ny Filistinina dia nirotsaka teny amin’ny lohasahan’ny Refaima.
10
Nanontany an’Andriamanitra i Davida nanao hoe: «Hiakatra hamely ny Filistinina va aho? Hatolotrao eo an-tanako va izy?» Ka hoy i Iaveh taminy: «Miakara, ary hatolotro eo an-tananao izy.»
11
Dia niakatra nankany Baala-Farasìna izy ireo ka nandresy azy tao i Davida. Ary hoy i Davida: «Ny tanako no namakian’Andriamanitra ny fahavaloko, toy ny amakian’ny rano ny fefiloha.» Izany no nanaovana ny anaran’io fitoerana io hoe: Baala-Farasìna.
12
Nilaozan’irerỳ tao ny andriamaniny, ka nasain’i Davida nodorana tamin’ny afo.
13
Nirotsaka indray ny Filistinina teny amin’ny lohasaha.
14
Dia nanontany an’Andriamanitra i Davida, ka hoy Andriamanitra taminy: «Aza miakatra manaraka azy fa mivilia azy, ary hivarina aminy ianao avy eo amin’ny lafiny misy ny balsamie.
15
Ka rehefa mandre fingodongodon’olona any an-tendron’ny balsamie ianao, miroata hiady amin’izay, fa Andriamanitra hivoaka mialoha anao hamely ny tafiky ny Filistinina.»
16
Dia nataon’i Davida izay nandidian’Andriamanitra azy, ka nandresy ny tafiky ny Filistinina, hatrany Gabaôna ka hatrany Gazera izy ireo.
17
Dia niely eran’ny tany rehetra ny lazan’i Davida, ary nataon’i Iaveh natahotra azy ny firenena rehetra.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29