bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 24
1 Chronicles 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
1
Ny amin’ny taranak’i Aarôna, dia izao no antokony, zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara sy i Itamara.
2
I Nadaba sy i Abiò, maty talohan-drainy, tsy nitera-dahy, ary i Eleazara sy i Itamara nanao ny raharahan’ny fisoronana.
3
I Davida, i Sadôka taranak’i Eleazara, sy i Akimeleka taranak’i Itamara, dia nizarazara ny taranak’i Aarôna ho antokotokony arakaraka ny fanompoany.
4
Nisy lohany maromaro kokoa noho ny taranak’i Itamara, ny taranak’i Eleazara, ka dia toy izao no nizarana azy: loham-pianakaviana 16 ny tamin’ny taranak’i Eleazara, ary loham-pianakaviana 8 ny tamin’ny taranak’i Itamara.
5
Samy natao tamin’ny filokàna ny fizarazarana azy ireo avy, satria na ny tamin’ny taranak’i Eleazara na ny tamin’ny taranak’i Itamara, dia samy nisy filohany momba ny fitoerana masina, sy filohany amin’ny momba an’Andriamanitra.
6
I Semeiàsa zanak’i Natanaely mpanoratra, anankiray tamin’ny Levita, no nandatsaka an-tsoratra azy ireo, teo anatrehan’ny mpanjaka sy ny filohany, teo anatrehan’i Sadôka mpisorona, sy i Akimeleka zanak’i Abiatara, ary teo anatrehan’ny loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita; amin’ny filokana maka fianakaviana iray avy amin’i Eleazara, dia iray avy amin’i Itamara.
7
Azon’i Joiariba ny loka voalohany, an’i Jedeià ny faharoa,
8
an’i Harima ny fahatelo, an’i Seôrima ny fahefatra,
9
an’i Melkià ny fahadimy, an’i Maimàna ny fahenina,
10
an’i Akôsa ny fahafito, an’i Abià ny fahavalo,
11
an’i Jesoà ny fahasivy, an’i Sekeniaò ny fahafolo,
12
an’i Eliasiba ny faha-11, an’i Jakima ny faha-12,
13
an’i Hopfà ny faha-13, an’i Isbaaba ny faha-14,
14
an’i Belgà ny faha-15, an’i Emera ny faha-16
15
an’i Hezira ny faha-17, an’i Afresa ny faha-18,
16
an’i Feteià ny faha-19, an’i Hezekiela ny faha-20,
17
an’i Jakina ny faha-21, an’i Gamola ny faha-22,
18
an’i Dalajao ny faha-23, an’i Maziao ny faha-24.
19
Toy izany no antokony nizarazarana azy ireo, araka ny fanompoany, mba ho tonga ao an-tranon’i Iaveh, araka ny fandaharana nomena azy, tamin’ny alalan’i Aarôna, rainy, araka ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitr’i Israely azy.
20
Izao kosa ny amin’ny filohan’ny Levita sisa: tamin’ny taranak’i Amrama i Sobaela, tamin’ny taranak’i Sobaela i Jehedeià;
21
tamin’ny taranak’i Rohobià i Jesiasa filohany;
22
tamin’ny Isaarita i Salemôta, tamin’ny taranak’i Salemôta i Jahata.
23
Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jerià no voalohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo, i Jekmaàna fahefatra.
24
Zanaka lahin’i Oziela: i Mikà, tamin’ny taranak’i Mikà i Samira.
25
Rahalahin’i Mikà: i Jesià, zanak’i Jesià i Zakariasa.
26
Zanaka lahin’i Merarỳ: i Moholỳ sy i Mosỳ; zanaka lahin’i Merarỳ tamin’i Oziao zanany: i Saama, i Zakora ary i Hebrỳ.
27
Avy amin’i Moholỳ, i Eleazara izay tsy nitera-dahy;
28
avy amin’i Kisa, ny zanaka lahin’i Kisa: i Jerameela.
29
Zanaka lahin’i Mosỳ: i Moholỳ, i Edera ary i Jerimota.
30
Ireo no taranak’i Levỳ, araka ny fianakaviany avy. Izy ireo koa toraka ireo taranak’i Aarôna rahalahiny, dia nanao ny filokàna teo anatrehan’i Davida mpanjaka sy i Sadôka, sy i Akimeleka, mbamin’ireo loham-pianakavian’ny mpisorona sy ny Levita, dia natao mitovy amin’ny zokiny ela indrindra, ny zandriny vao haingana indrindra.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29