bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 7
1 Chronicles 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
1
Zanaka lahin’i Isakara: i Tolà, i Foà, i Josoba ary i Simerôna: efatra izy.
2
Zanaka lahin’i Tolà: i Ozia, i Rafaia, i Jeriela, i Jemaia, i Jebsema, ary i Samoela, samy lohan’ny fokom-pianakaviany izay avy amin’i Tolà, lehilahy mahery, voasoratra araka ny taranany tamin’i andron’i Davida, 22.600 no isany.
3
Zanaka lahin’i Ozia: i Izrahia. Zanaka lahin’i Izrahia: i Mikaela, i Obadià, i Joela, ary i Jesià, filohany dimy izy rehetra.
4
Nana-miaramila momba azy, efa hary fitaovana hiantafika izy ireo, araka ny fianakaviana fiaviany, araka ny fokom-pianakaviany avy, nisy 36.000 ireny, fa maro vady aman-janaka izy.
5
Ny rahalahin’izy ireo araka ny fianakaviana ao amin’i Isakara rehetra, lehilahy mahery, dia nisy 87.000 ny tontaliny, voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana.
6
Zanaka lahin’i Benjamina: i Bela, i Bekora, ary i Jadihela, telo izy.
7
Zanaka lahin’i Bela: i Esbôna, i Ozia, i Oziela, i Jerimota ary i Oraia; dimy izy lohan’ny fokom-pianakaviana, lehilahy mahery, 22.034 no isany, voasoratra amin’ny tetiarana.
8
Zanakalahin’i Bekora: i Zamirà, i Jôasa, i Eliezera, i Eliônaia, i Amri, i Jerimota, i Abià, i Anatôta, ary i Almata. Zanaka lahin’i Bekora avokoa izy rehetra ireo,
9
voasoratra amin’ny tetiaram-pirazanana araka ny taranany avy, ho lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 20.200 no isany.
10
Zanaka lahin’i Jadihela: i Balàna. Zanaka lahin’i Balàna: i Jehosy, i Benjamina, i Aôda, i Kananà, i Zetàna, i Tarsisa, ary i Abisahera:
11
Zanaka lahin’i Jadihela avokoa izy rehetra ireo, samy lohan’ny fokom-pianakaviany, lehilahy mahery, 17.200 ny isany, mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
12
Zanaka lahin’i Hira: i Sefama sy i Hafamà. Zanaka lahin’i Ahera: i Hasima.
13
Zanaka lahin’i Neftalì: i Jasiela, i Gonì, i Jesera ary i Seloma, zanaka lahin’i Balà.
14
Zanaka lahin’i Manase: i Esriela. Ilay Sirianina vaditsindranony, niteraka an’i Makira, rain’i Galaada.
15
I Makira naka vady tamin’ny avy amin’i Hapfima sy i Safàna: Maakà no anaran’ny anabaviny. I Salfaada no zanany lahy aivo, ary nanan-janaka vavy i Salfaada.
16
Nitera-dahy i Maakà, vadin’i Makira, ka nataony hoe Faresa no anarany ary i Saresa no anaran’ny rahalahiny: i Olama sy i Resena no zanany lahy;
17
zanaka lahin’i Olama: i Badàna. Ireo no zanaka lahin’i Galaada, zanak’i Makira, zanak’i Manase.
18
Ary i Amoleketa anabaviny, niteraka an’i Iskôda, i Abiezera, ary i Moholà.
19
Ny zanaka lahin’i Semidà dia i Ahina, i Sekema, i Lesia ary i Aniama.
20
Zanaka lahin’i Efraima: i Sotalà, i Bareda zanany, i Tahata zanany, i Eladà zanany, i Tahata zanany,
21
i Zobada zanany, i Sotalà zanany, ary i Ezera sy i Elada izay novonoin’ny lehilahy tao Geta, izay tera-tany, fa nidina hangalatra ny biby fiompiny.
22
Nisaonan’i Efraima rainy ela izy ireo, ka tonga ny rahalahiny hampionona azy.
23
Nandeha tamin’ny vadiny izy, dia nanana anaka ravehivavy, ka nitera-dahy; dia nomeny anarana hoe Berià, satria tra-pahoriana izy ireo tao an-tranony.
24
Ny zanany vavy kosa dia i Sarà, izay nanorina an’i Betôrôna ambany sy i Betôrôna ambony ary i Ozena-Sarà.
25
I Rafà zanany sy i Resefa, i Tale zanany, i Taàna zanany,
26
i Laadàna zanany, i Amioda zanany, i Elisamà zanany,
27
i Nona zanany, i Jôsoe zanany.
28
Ary ny taniny amam-ponenany, dia i Betela mbamin’ny tanàna momba azy, any atsinanana, i Noràna, any andrefana i Gezera mbamin’ny tanàna momba azy, hatrany Azà mbamin’ny tanàna momba azy.
29
Eo an-tanan’ny taranak’i Manase koa i Betsàda sy ny tanàna momba azy i Tanàka sy ny tanàna momba azy, i Magedao sy ny tanàna momba, azy, i Dôra sy ny tanàna momba azy. Tamin’ireo tanàna ireo no nonenan’ny taranak’i Josefa, zanak’i Israely.
30
Zanaka lahin’i Asera: i Jemnà, i Jesoà, i Jesoì, i Barià ary i Sarà anabavin’ireo.
31
Zanaka lahin’i Barià: i Hebera sy i Melkiela; izy no Barsaita.
32
I Hebera niteraka an’i Jeflata, i Somera, i Hôtama, ary i Soà anabavin’ireo.
33
Zanaka lahin’i Jeflata: i Foseka, i Kamaala ary i Asota: ireo no zanaka lahin’i Jeflata.
34
Zanaka lahin’i Somera: i Ahia, i Rôagà, i Habà ary i Arama.
35
Zanaka lahin’i Helema rahalahiny: i Sofa, i Jemnà, i Salesa ary i Amala.
36
Zanaka lahin’i Sofa: i Soà, i Harnafera, i Soala, i Berì,
37
i Jamrà, i Bosora, i Hôda, i Samnà, i Salosà, i Jetrama ary i Berà.
38
Zanaka lahin’i Jetera: i Jefone, i Fasfà ary i Arà.
39
Zanaka lahin’i Olà: i Aerà, i Haniela, ary i Resià.
40
Zanak’i Asera avokoa ireo, lohan’ny fokom-pianakaviana, olom-boafantina sy mahery, lehiben’ny loham-pireneny, 26.000 no isany voasoratra, samy mahazo mitondra fiadiana hiantafika.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29