bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 2
1 Chronicles 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 3 →
1
Ireto no zanak’i Israely: i Robena, i Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Zabolôna,
2
i Dàna, i Josefa, i Benjamina, i Neftalì, i Gada, ary i Asera.
3
Zanak’i Jodà: i Hera, i Onàna, sy i Selà: izy telo lahy ireo no naterak’ilay zanaka vavin’i Soe, ilay vehivavy Kananeanina, taminy. I Hera lahimatoan’i Jodà dia ratsy fanahy teo imason’i Iaveh, ka nasiany ho faty.
4
I Thamara, vinanto vavin’i Jodà, niteraka an’i Faresa sy i Zarà taminy. Dimy ny lahy rehetra, zanak’i Jodà.
5
Zanak’i Faresa: i Hesrôna, sy i Hamola.
6
Zanak’i Zarà: i Zamrì, i Etàna, i Emàna, i Kalkala, ary i Darà: dimy lahy izy rehetra.
7
Zanak’i Karmì: i Akara izay nanahirana an’i Israely, tamin’ny fahadisoany momba ny zavatra natao anatema.
8
Zanak’i Etana: i Azariasa.
9
Zanaka naterak’i Hesrôna: i Jerameela, i Ramà ary i Kaleba.
10
I Ramà niteraka an’i Aminadaba. I Aminadaba niteraka an’i Nahasôna, lohan’ny taranak’i Jodà.
11
I Nahasôna niteraka an’i Salmà, i Salmà niteraka an’i Booza,
12
I Booza niteraka an’i Obeda, i Obeda niteraka an’i Isaia,
13
i Isaia niteraka an’i Eliaba lahy matoany, i Abinadaba lahy aivo, i Simaà fahatelo,
14
i Natanaely fahefatra, i Radaia fahadimy,
15
i Asoma fahenina, ary i Davida fahafito.
16
Ny anabavin’ireo dia i Sarvià sy i Abigaila. Zanak’i Sarvià: i Abisaia, i Jôaba, i Asaela, telo lahy.
17
I Abigaila niteraka an’i Amasà, ary ny rain’i Amasà dia i Jetera, Ismaelita.
18
I Kaleba zanak’i Esrôna, niteraka tamin’i Azobà vadiny, sy tamin’i Jeriôta. Indreto ny zanany lahy naterak’i Azobà taminy: i Jazera, i Sôbata, sy i Ardôna.
19
Ary maty i Azobà, ka naka an’i Efratà ho vady i Kaleba; io no niterahany an’i Hora.
20
I Hora niteraka an’i Orì, ary i Orì niteraka an’i Bezeleela.
21
Manaraka izany, niray tamin’ny zanaka vavin’i Makira, rain’i Galaada, i Hesrôna; efa enimpolo taona izy vao naka azy, ary niteraka an’i Segoba taminy, ravehivavy.
22
I Segoba niteraka an’i Jaira, izay nanana tanàna 23 tany amin’ny tany Galaada.
23
Nalain’ny Gesorianina sy ny Sirianina taminy ny vohitr’i Jaira, sy i Kanata mbamin’ny tanàna momba azy, tanàna enimpolo. Ireo rehetra ireo no zanaka lahin’i Makira, rain’i Galaada.
24
Efa maty tany Kaleba-Efrata, i Hesrôna, vao niteraka an’i Ashora rain’i Tekoa, tamin’i Abià vadiny.
25
Ny zanaka lahin’i Jerameela lahy matoan’i Hesrôna dia: i Ramà lahy matoany, i Bonà, i Aràna, i Asoma, i Akià.
26
Nanambady hafa koa atao hoe i Atarà, i Jerameela; io no renin’i Onama.
27
Ny zanaka lahin-dRama lahimatoan’i Jerameela dia ireto: i Moosa, i Jamina, i Akora.
28
Ny zanaka lahin’i Semeià: i Nadaba sy i Abisora.
29
Ny anaram-badin’i Abisora dia i Abihaila, ary izy niteraka an’i Ahobàna, sy i Môlida taminy.
30
Zanakalahin’i Nadaba: i Saleda, sy i Afaima. Maty tsy niteraka i Saleda.
31
Zanaka lahin’i Afaima: I Jesì. Zanaka lahin’i Jesì: i Sesàna. Zanaka lahin’i Sesàna: i Oholaia.
32
Zanaka lahin’i Jadà, rahalahin’i Semeià: i Jetera sy i Jonatàna. Maty tsy niteraka i Jetera.
33
Zanaka lahin’i Jonatàna: i Faleta sy i Zizà. Ireo no zanaka lahin’i Jerameela.
34
Tsy nitera-dahy i Sesàna, fa nanan-janaka vavy izy. Nanana ankizy lahy Ejiptianina anankiray izy, atao hoe i Jeraà,
35
nomeny ho vadin’io ny zanany vavy, ka niteraka an’i Eteia taminy.
36
I Eteia niteraka an’i Natàna, i Natàna niteraka an’i Zabada.
37
I Zabada niteraka an’i Oflàla, i Oflàla niteraka an’i Obeda;
38
i Obeda niteraka an’i Jehò. I Jehò niteraka an’i Azariasa.
39
I Azariasa niteraka an’i Helesa, i Helesa niteraka an’i Elasà,
40
i Elasà niteraka an’i Sisamoia, i Sisamoia niteraka an’i Seloma,
41
i Seloma niteraka an’Ikamiasa ary i Ikamiasa niteraka an’i Elisamà.
42
Zanaka lahin’i Kaleba rahalahin’i Jerameela: i Mesà, lahy matoany, rain’i Zifa, sy ny zanaka lahin’i Maresà, rain’i Hebrôna.
43
Zanaka lahin’i Hebrôna: i Kôre, i Tafoà, i Rekema, ary i Samà.
44
I Samà niteraka an-dRahama, rain’i Jerkaama; i Rekema niteraka an’i Samaia.
45
Zanaka lahin’i Samaia: i Maona, ary i Maona no rain’i Betsora.
46
I Efah vaditsindranon’i Kaleba, niteraka an’i Haràna, i Mosà ary i Gazeza. I Haràna niteraka an’i Gezea.
47
Zanaka lahin’i Jahadaia: i Regoma, i Joatana, i Gosàna, i Faleta, i Efah, ary i Saafa.
48
I Maakà vaditsindranon’i Kaleba niteraka an’i Sabera sy i Taranà.
49
Mbola niteraka an’i Saafa rain’i Madmenà, sy i Soe rain’i Makbenà sy rain’i Gabaà koa izy. Ary ny zanaka vavin’i Kaleba dia i Aksà.
50
Izao no zanaka lahin’i Kaleba. Zanaka lahin’i Hora, lahy matoan’i Efratà: i Sobala, rain’i Kariatiarima,
51
i Salmà rain’i Betlehema; i Harifa rain’i Betigadera.
52
Ny zanaka lahin’i Sobala, rain’i Kariatiarima dia: i Harôe, antsasaky ny Manaktiana.
53
Ny fokon’i Kariatiarima dia: ny Jetreanina, ny Afoteanina, ny Semateanina ary ny Masereanina. Avy amin’izy ireo no niavian’ny Sareanina sy ny Estaôlianina.
54
Zanaka lahin’i Salmà: i Betlehema sy ny Netofatianina, i Atarôta-Bety-Jôaba, ny antsasaky ny Manaktiana, ny Sareanina,
55
mbamin’ny fokon’ny mpanoratra monina any Jabesa, dia ny Tiratianina, ny Skomatianina, ary ny Sokatianina. Ireo no Kineanina avy amin’i Hamata, rain’ny fianakavian’i Rekaba.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29