bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 18
1 Chronicles 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
1
Tatỳ aorian’izany, nandresy ny Filistinina i Davida, ka nampietry azy, ary nalainy teo an-tanan’ny Filistinina i Geta mbamin’ny tanàna momba azy.
2
Nandresy ny Moabita izy, ka tonga mpanompo manatitra hetra ho an’i Davida ny Moabita.
3
Resin’i Davida koa i Adarezera mpanjakan’i Sobà eny akaikin’i Hamata, tamin’izy teny an-dalana nandeha hampiorina ny fanjakany amin’ny ony Eofrata.
4
Kalesy 1.000, mpitaingin-tsoavaly 7.000, miaramila an-tongotra 20.000, no nosamborin’i Davida taminy, notraingoin’i Davida avokoa ny soavalin-kalesy, fa ny soavaly amin’ny kalesy zato ihany no navelany.
5
Tonga namonjy an’i Adarezera mpanjakan’i Sobà ny Sirianina avy any Damasa, fa noresen’i Davida ny 22.000 lahy tamin’ny Sirianina.
6
Nametrahan’i Davida miaramila mponina i Sirian’i Damasa, ka dia tonga mpanompo nanatitra hetra ho an’i Davida ny Sirianina. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tamin’izay rehetra nalehany.
7
Nalain’i Davida ny ampinga volamena teny amin’ny mpanompon’i Adarezera, ka nentiny nankany Jerosalema.
8
Varahina be dia be koa no nalain’i Davida tao Tebata sy i Kona tanànan’i Adarezera, ary izany no nanaovan’i Salômôna ilay ranomasina varahina sy ny andry amam-panaka varahina.
9
Nony ren’i Tôhò, mpanjakan’i Hamata, fa hoe: resin’i Davida avokoa ny miaramilan’i Adarezera, mpanjakan’i Sobà,
10
dia naniraka an’i Adôrama zanany, hankany amin’i Davida mpanjaka izy, hiarahaba sy hankalaza azy, noho ny niadiany tamin’i Adarezera sy nandreseny azy, satria niady tsy tapaka i Tôhò sy i Adarezera, sady nampitondrainy fanaka volamena sy volafotsy ary varahina isan-karazany izy.
11
Natokan’i Davida mpanjaka ho an’i Iaveh izany, mbamin’ny volafotsy amam-bolamena, nalainy tamin’ny firenena rehetra, dia i Edôma, i Moaba, ny taranak’i Amôna, ny Filistinina ary i Amaleka.
12
Resin’i Abisaia zanak’i Sarvià tao amin’ny Lohasahan-tSira ny Edômita 18.000,
13
ary nametrahany miaramila mponina tao Edôma, ka dia tonga mpanompon’i Davida avokoa i Edôma rehetra. Nomen’i Iaveh an’i Davida ny fandresena tany amin’izay rehetra nalehany.
14
Nanjaka tamin’i Israely rehetra i Davida ary nitondra ny vahoakany rehetra araka ny rariny sy ny fahamarinana.
15
I Jôaba zanak’i Sarvià no nifehy ny miaramila; i Jôsafata zanak’i Ahiloda, no mpitahiry ny bokim-panjakana;
16
i Sadôka zanak’i Akitoba, sy i Abimeleka zanak’i Abiatara, no mpisorona, i Sosa no mpanoratra;
17
i Banaiasa zanak’i Jôiadà, no lehiben’ny Keretianina sy ny Feletianina; ary ireo zanak’i Davida no voalohan-daharana eo anilan’ny mpanjaka.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29