bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 6
1 Chronicles 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
1
Zanaka lahin’i Levì: i Gersôma, i Kaata, ary i Merarì
2
Izao no anaran’ny zanaka lahin’i Gersôma: Lobnì sy Semeià.
3
Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna ary i Oziela.
4
Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì. Izao no fianakavian’i Levì isan-drainy avy:
5
Avy amin’i Gersôma: i Lobnì zanany, i Jahata zanany, i Zamà zanany,
6
i Jôah zanany, i Adô zanany, i Zarà zanany, i Jetraia zanany.
7
Zanaka lahin’i Kaata: i Aminadaba zanany, i Kôre zanany, i Asira zanany,
8
i Elkanà zanany, i Abiasafa zanany, i Asira zanany,
9
i Tahata zanany, i Oriela zanany, i Oziasa zanany, i Saola zanany.
10
Zanaka lahin’i Elkanà: i Amiasa sy i Akimôta;
11
i Elkanà zanany, i Sôfaia zanany, i Nahata zanany,
12
i Eliaba zanany, i Jerôhama zanany, i Elkanà zanany.
13
Zanaka lahin’i Samoela: i Vanesì lahy matoa, dia i Abià.
14
Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì, i Lobnì zanany, i Semeià zanany, i Ozà zanany,
15
i Samaà zanany, i Hagià zanany, i Asaià zanany.
16
Ireto no voatendrin’i Davida hitari-kira, tao an-tranon’i Iaveh, niantomboka hatramin’ny nahazoan’ny fiara fitoeram-pijanonana.
17
Dia nanao ny raharahan’ny mpihira teo anoloan’ny fonenan’ny tranolay fihaonana izy ireo, mandra-panaovan’i Salômôna ny tranon’i Iaveh tany Jerosalema, ary nipetraka nanao ny fanompoany araka ny nandaminana an’izany.
18
Dia ireto no nanao ny raharaha, mbamin’ny zanany avy: Amin’ny zanaka lahin’ny Kaatita: i Hemàna mpihira, zanak’i Joela zanak’i Samoela
19
zanak’i Elkanà zanak’i Jehôrama zanak’i Eliela zanak’i Taohò
20
zanak’i Sofa zanak’i Elkanà zanak’i Mahata
21
zanak’i Amasiasa zanak’i Elkanà zanak’i Joela zanak’i Azariasa zanak’i Sôfôniasa
22
zanak’i Tahata zanak’i Asira zanak’i Abiasafa
23
zanak’i Kôre zanak’i Isaara zanak’i Kaata zanak’i Levì zanak’i Israely.
24
I Asafa rahalahiny izay nitsangana teo ankavanany: i Asafa zanak’i Barakiasa zanak’i Samà
25
zanak’i Mikaela zanak’i Basaiasa
26
zanak’i Melkiasa zanak’i Atania zanak’i Zarà
27
zanak’i Adaba zanak’i Etàna zanak’i Zammà
28
zanak’i Semeià zanak’i Jeta zanak’i Gersôma zanak’i Levỳ.
29
Zanaka lahin’i Merarỳ rahalahin’izy ireo teo ankavia: i Etàna zanak’i Kosỳ zanak’i Abdỳ zanak’i Malòka
30
zanak’i Hosabiasa zanak’i Amasiasa zanak’i Helkiasa
31
zanak’i Amasiasa zanak’i Bonỳ zanak’i Somera
32
zanak’i Moholỳ zanak’i Mosỳ zanak’i Merarỳ zanak’i Levỳ.
33
Ny Levita rahalahin’izy ireo, dia niandraikitra ny fanompoana rehetra amin’ny tabernakla ao an-tranon’i Iaveh.
34
I Aarôna sy ny zanany anefa no nandoro ny sorona teo ambonin’ny ôtelin’ny sorona dorana, sy ny emboka teo ambonin’ny ôtelin’ny zava-manitra; izy ireo no tsy maintsy nanatanteraka ny raharaha ao amin’ny fitoerana masina indrindra, sy nanao fanonerana ho an’i Israely, araka izay nandidian’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra.
35
Ireto ny zanaka lahin’i Aarôna: i Eleazara zanany, i Finea zanany, i Abisoe zanany,
36
i Boksỳ zanany, i Ozỳ zanany, i Zaraiasa zanany,
37
i Meraiota zanany, i Amariasa zanany,
38
i Akitoba zanany, i Sadôka zanany, i Akimaasa zanany.
39
Ary izao no fonenany, araka ny fari-bohiny, tao amin’ny zarataniny avy: Ny taranak’i Aarôna, amin’ny fianakavian’ny Kaatita, izay voatendrin’ny filokana voalohany,
40
dia nomena an’i Hebrôna mbamin’ny tany fiandrasam-biby manodidina azy teo amin’ny tanin’i Jodà;
41
ny faritanin’ny tanàna kosa anefa mbamin’ny vohiny, dia nomena an’i Kaleba zanak’i Jefone.
42
Ny nomena ny taranak’i Aarôna àry dia i Hebrôna tanàna fialofana,
43
i Lobnà mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Jetera, i Estemao mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy; i Helona mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
44
i Dariba mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy; i Asàna mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Betsemesa mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
45
ny avy amin’ny fokon’i Benjamina kosa, dia i Gabea mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Almata mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy. Totalin’ny tanànan’izy ireo, tanàna 13 araka ny fianakaviany.
46
Ny azon’ny taranak’i Kaata sisa, tamin’ny loka, dia tanàna folo, avy amin’ny foko sy ny antsasa-pokon’i Manase.
47
Ny taranak’i Gersôma, araka ny fianakaviany, dia nahazo tanàna 13, avy amin’ny fokon’i Isakara sy ny fokon’i Asera, ary ny fokon’i Neftalì, sy ny fokon’i Manase tany Basàna.
48
Ny taranak’i Merarỳ araka ny fianakaviany dia nahazo tamin’ny loka tanàna 12 avy amin’ny fokon’i Robena sy ny fokon’i Gada ary ny fokon’i Zabolôna.
49
Nanome ny tanàna, mbamin’ny tany fiandrasam-biby momba azy, ho an’ny Levita ny zanak’i Israely.
50
Tamin’ny filokana no nanomezany azy an’ireo tanàna voatendry amin’ny anarany ireo, avy amin’ny fokon’ny zanak’i Jodà sy ny fokon’ny zanak’i Simeôna, ary ny fokon’ny zanak’i Benjamina.
51
Ny sasany amin’ny fianakavian’ny taranak’i Kaata anefa, dia avy amin’ny fokon’i Efraima, ny tanàna azony;
52
ka izao no nomena azy ireo: i Sikema, tanàna fialofana, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, teo amin’ny tendrombohitr’i Efraima, i Gazera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
53
i Jekmaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Betôrôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
54
i Helona mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy: i Gety-Remôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
55
ary ny avy amin’ny antsasa-pokon’i Manase, i Anera, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Balaama, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ho an’ny fianakavian’ny taranak’i Kata sisa.
56
Ny nomena ny taranak’i Gersôma avy amin’ny fianakavian’ny antsasa-pokon’i Manase: i Gôlàna any Basàna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Astarôta mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
57
avy amin’ny fokon’i Isakara: i Kedesa, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Dabereta, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
58
i Ramôta, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Anema, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
59
avy amin’ny fokon’i Asera: i Masàla, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Abdôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
60
i Hokàka, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Rohoba, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
61
avy amin’ny fokon’i Neftalì: i Kedesa, any Galilea mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Hamôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, ary i Kariataima mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy.
62
Ny nomena ny Levita sisa taranak’i Merarỳ: avy amin’ny fokon’i Zabolôna: i Rimôna, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
63
ny eny an-dafin’i Jordany, tandrifin’i Jerikô, atsinanan’i Jordany: avy amin’ny fokon-dRobena: i Bosora any an’efitra mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Jasà mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
64
i Kademôta mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Mefaata mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy;
65
avy amin’ny fokon’ny Gada: i Ramôta, any Galaada, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy, i Manaima mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy,
66
i Hesebona, mbamin’ny tany fiandrasana biby momba azy.
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29