bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 17
1 Chronicles 17
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
1
Rehefa niorina tao an-tranony i Davida dia hoy i Davida tamin’i Natàna mpaminany: «Izaho ity mitoetra an-trano sedera; nefa ny fiaran’ny faneken’i Iaveh ao anaty lay!»
2
Ary hoy i Natàna namaly an’i Davida: «Ataovy izay ao am-ponao, fa momba anao Andriamanitra.»
3
Ny alin’izay ihany, dia tonga tamin’i Natàna ny tenin’Andriamanitra nanao hoe:
4
Mandehana lazao amin’i Davida mpanompoko hoe: Izao no tenin’i Iaveh: Tsy ianao no hanao trano hitoerako.
5
Fa mbola tsy nitoetra an-trano Aho, hatramin’ny andro nampiakarako an’i Israely avy any Ejipta, ka mandraka androany, fa lay sy fonenana no nifindrafindrako.
6
Nandritra ny fotoana rehetra niarahako nandeha tamin’i Israely rehetra, moa mba nilaza teny indraimbava Aho tamin’ny anankiray amin’ireo mpitsara an’i Israely izay nasaiko hamahana ny vahoakako, nanao hoe: Nahoana ianao no tsy manao trano sedera ho Ahy?
7
Koa ankehitriny lazao amin’ny mpanompoko, amin’i Davida hoe: Izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Tany an-tanim-bilona teo aorian’ny ondry, no nangalako anao mba ho andriana amin’i Israely vahoakako;
8
nomba anao tamin’izay rehetra nalehanao Aho, nandringana ny fahavalonao rehetra teo anoloanao Aho, ary nataoko malaza toy ny anaran’ireo lehibe eto ambonin’ny tany ny anaranao.
9
Nanokan-toerana ho an’i Israely vahoakako Aho, dia nampiorina azy eo; ka efa monina eo aminy izy ary tsy hisy hanabataba azy, ary ny zanaky ny faharatsiana tsy hampahory azy toy ny taloha intsony,
10
dia toy ny tamin’ny andro nananganako mpitsara tamin’i Israely vahoakako. Naetriko avokoa ny fahavalonao rehetra, ary milaza aminao mialoha Aho, fa hananganan’i Iaveh trano ianao.
11
Rahatrizay tapitra ny andronao, ka ho lasa any amin’ny razanao ianao, dia hasandratro ny taranakao mandimby anao, iray amin’ny terakao, ary hohamafisiko ny fanjakany.
12
Izy no hanao trano ho Ahy, ary Izaho hanamafy ny fanjakany ho mandrakizay.
13
Ho toy ny ray ho azy Aho, ary ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ka tsy hesoriko aminy ny famindram-poko, toy ny nanesorako izany tamin’ilay nanjaka talohanao.
14
Hampitoeriko mandrakizay ao an-tranoko sy amin’ny fanjakako izy, ary hiorina mandrakizay ny seza fiandrianany.
15
Dia niteny tamin’i Davida i Natàna araka izany teny rehetra izany sy io fahitana rehetra io.
16
Ka tonga i Davida mpanjaka ka nitoetra teo anatrehan’i Iaveh, ary nanao hoe: Zinona moa aho, ry Iaveh Andriamanitra ô! Ary zinona moa ny fianakaviako no dia nentinao ho tonga amin’izao aho?
17
Izany indray aza mbola zavatra kely eo imasonao, ry Andriamanitra. Niteny koa Ianao ny amin’ny taranaky ny mpanomponao, hatrany amin’ny andro aoriana any, ary nataonao ho olona ambony laharana aho, ry i Iaveh Andriamanitra ô!
18
Koa inona indray no ho azon’i Davida lazaina aminao, ny amin’ny voninahitra nomena ny mpanomponao? Fantatrao ny mpanomponao.
19
Iaveh ô, noho ny amin’ny mpanomponao sy araka ny Fonao, no nanaovanao izany zava-dehibe rehetra izany, mba hampahafantaranao ireo zava-dehibe ireo.
20
Tsy misy mitovy aminao, ry Iaveh, ary tsy misy Andriamanitra hafa hafa-tsy Ianao, araka izay rehetra ren’ny sofinay.
21
Aiza eto ambonin’ny tany izay firenena hafa, manahaka an’i Israely vahoakanao, izay nahatongavan’Andriamanitra hanavotany azy, mba ho vahoakany, hahazoanao Anarana amin’ny fahagagana aman’asa lehibe, dia ny nandroahanao firenena teo anoloan’ny vahoakanao, izay navotanao tamin’i Ejipta.
22
Fa nataonao vahoakanao mandrakizay i Israely vahoakanao, ka Ianao Iaveh no tonga Andriamaniny.
23
Ary ankehitriny, ry Iaveh, aoka haharitra mandrakizay ilay teny nolazainao ny amin’ny mpanomponao sy ny amin’ny fianakaviany, ary tanteraho araka ny teninao.
24
Aoka haharitra izany, ary aoka hankalazaina mandrakizay ny Anaranao; ka aoka holazain’ny olona hoe: I Iavehn’ny tafika, Andriamanitr’i Israely, dia Andriamanitra ho an’i Israely! Ary aoka ho tsara orina eo anatrehanao ny fianakavian’i Davida mpanomponao.
25
Fa Tenanao, ry Andriamanitra ô, no efa nanambara tamin’ny mpanomponao fa hanorin-trano ho azy, ka izany no nahasahian’ny mpanomponao hivavaka eto anatrehanao.
26
Koa ankehitriny, ry Iaveh, Ianao no Andriamanitra, ary nilaza izany teny mahafinaritra izany tamin’ny mpanomponao Ianao.
27
Sitrakao ny hitso-drano ny fianakavian’ny mpanomponao ankehitriny, haharetany mandrakizay eo anatrehanao, fa izay tsofinao rano, ry Iaveh ô, dia voatso-drano mandrakizay.
← Chapter 16
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 18 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29