bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 5
1 Chronicles 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 6 →
1
Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely. Fa izy no lahy matoa, saingy noho izy nandoto ny farafaran-drainy, dia nomena ny zanak’i Josefa zanak’i Israely, ny fizokiany; tsy dia nosoratana ho zokiny amin’ny tetiaram-pirazanana anefa i Josefa.
2
Fa nahery tamin’ny rahalahiny i Jodà ary izy no niavian’ny filoha anankiray, nefa an’i Josefa ihany ny fizokiana.
3
Zanaka lahin-dRobena lahy matoan’i Israely: i Enôka, i Falò, i Esrôna ary i Karmì.
4
Zanaka lahin’i Joela: i Samià zanany, i Goga zanany, i Semeì zanany,
5
i Mikà zanany, i Reià zanany, i Baala zanany,
6
i Beerà zanany, izay nobaboin’i Telgata-Falasara mpanjakan’i Asiria; anisan’ny loham-pirenena Robenita izy.
7
Rahalahin’i Beera, samy araka ny fianakaviany avy, araka ny nanoratana azy ao amin’ny tetiarana, araka ny taranany: i Jehiela filohany, sy i Zakaria,
8
i Balà zanak’i Azaza zanak’i Samà zanak’i Joela, I Balà dia nonina tany Arôera ka hatrany Nebô sy Beela-Meôna,
9
ary ny nonenany tany atsinanana, dia hatrany akaikin’ny efitra, izay miantomboka any amin’ny ony Eofrata, fa betsaka ny andiam-biby fiompiny tany Galaada.
10
Tamin’ny andron’i Saola niady tamin’ny Agareanina izy, ka naharesy an’ireny, dia nonina tao amin’ny lainy eran’ny ilany atsinanana rehetra amin’i Galaada.
11
Ny taranak’i Gada, dia nonina tandrifin’ireo, tao amin’ny tany Basàna hatrany Selkà, dia ireto:
12
i Joela filohany, i Safàna no manarakaraka, vao i Janaì sy i Safata tany Basàna.
13
Ny rahalahin’ireo araka ny fokom-pianakaviany avy dia i Mikaela, i Mosolama, i Sebe, i Jôraì, i Jakàna, i Zie ary i Hebera, fito izy.
14
Izy ireo dia zanaka lahin’i Abihaila zanak’i Horỳ zanak’i Jerà, zanak’i Galaada zanak’i Mikaela zanak’i Jesesì zanak’i Jedô zanak’i Boza.
15
I Akì zanak’i Abdiela zanak’i Gonì, no lohan’ny fokom-pianakaviany.
16
Nonina tany Galaada tany Basàna izy ireo ary tany amin’ny tanàna momba azy sy amin’ny tanimbolin’i Sarôna, hatrany an-tsisiny. Tamin’ny andron’i Joatama mpanjakan’i Jodà, sy ny andron’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely,
17
no efa nanoratana an’ireo zanak’i Gada rehetra tamin’ny tetiaram-pirazanana.
18
Tamin’ny tarana-dRobena sy ny Gadita ary antsasaky ny fokon’i Manase dia nisy lehilahy mahery, mahatana ampinga aman-tsabatra, mahalefa tsipìka, zatra an’ady, 44.760 ny isany, samy vonon-kilatsaka ho mpiady.
19
Niady tamin’ny Agareanina izy ireo, sy tamin’i Jetora, i Nafisa, ary i Nôdaba.
20
Nisy nanampy azy hamely an’ireo ka voatolotra teo an-tanany ny Agareanina mbamin’izay rehetra nomba azy. Fa nitaraina tamin’Andriamanitra izy ireo, teo am-piadiana, ka nohenoiny noho ny fitokiany Azy.
21
Dia nobaboiny ny andiam-biby fiompin’ireny, rameva 50.000, ondry 250.000, ampondra 2.000, olona 100.000.
22
Fa be maty ny olona, satria avy amin’Andriamanitra ny ady. Ary izy ireo no nonina nandimby an’ireny, mandra-pahatongan’ny fahababoana.
23
Ny taranaky ny antsasaky ny fokon’i Manase dia nonina tamin’ny tany hatrany Basàna ka hatrany Baal-Hermôna sy i Anira ary ny tendrombohitra Hermôna; maro izy ireo.
24
Ireto no lohany amin’ny fianakaviany: i Efera, i Jesì, i Ezriela, i Jirmeià, i Odoià, ary i Jedihela, lehilahy matanjaka sy mahery, lehilahy malaza, lohan’ny fokom-pianakaviany avy.
25
Nivadika tamin’ny Andriamanitry ny razany anefa izy ireo, fa nitolo-tena hanaraka ny andriamanitry ny vahoakan’ny tany izay naringan’Andriamanitra teo anoloany.
26
Ka namporisihin’ny Andriamanitr’i Israely, ny fanahin’i Fola mpanjakan’i Asiria sy ny fanahin’i Telgata-Falasara, dia nentin’ireo babo ny Robenita sy ny Gadita ary ny antsasaky ny fokon’i Manase, nentiny nankany Halà sy i Habôra ary i Arà mbamin’ny ony Gôzàna mandrak’androany.
27
Zanaka lahin’i Levỳ: i Gersôna, i Kaata, ary i Merarỳ.
28
Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, ary i Oziela.
29
Zanak’i Amrama: i Aarôna, i Môizy ary i Maria. Zanaka lahin’i Aarôna: i Nadaba, i Abiò, i Eleazara ary i Itamara.
30
I Eleazara niteraka an’i Finea, i Finea niteraka an’i Abisoe,
31
i Abisoe niteraka an’i Boksì, i Boksì niteraka an’i Ozì,
32
i Ozì niteraka an’i Zariasa, i Zariasa niteraka an’i Meraiota,
33
i Meraiota niteraka an’i Amariasa, i Amariasa niteraka an’i Akitoba,
34
i Akitoba niteraka an’i Sadôka, i Sadôka niteraka an’i Akimaasa,
35
i Akimaasa niteraka an’i Azariasa, i Azariasa niteraka an’i Johanàna,
36
i Johanàna niteraka an’i Azariasa, izay nanao ny fisoronana tao amin’ny trano nataon’i Salômôna, tany Jerosalema.
37
I Azariasa niteraka an’i Akitoba,
38
i Akitoba niteraka an’i Sadôka, i Sadôka niteraka an’i Seloma,
39
i Seloma niteraka an’i Helkiasa, i Helkiasa niteraka an’i Azariasa,
40
i Azariasa niteraka an’i Saraiasa, i Saraiasa niteraka an’i Josedeka.
41
Ary i Josedeka dia lasa natao sesitany, nony nampanalain’i Iaveh, hoentin-ko babo tamin’ny alalan’i Nabokodonozora i Jodà sy i Jerosalema.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29