bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 15
1 Chronicles 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
1
Ary i Davida nanao trano ho azy tao an-tanànan’i Davida, dia nanomana fitoerana ho an’ny fiaran’Andriamanitra, ka nanorin-day ho azy.
2
Hoy i Davida tamin’izay: «Tsy misy afa-tsy ny Levita ihany no hitondra ny Fiaran’Andriamanitra satria ireo no voafidin’i Iaveh hitondra ny fiaran’Andriamanitra sy hanao ny fanompoana momba azy mandrakizay.»
3
Dia novorin’i Davida tao Jerosalema i Israely rehetra hampiakatra ny Fiaran’i Iaveh ho ao amin’ny fitoerany, izay efa nomaniny ho azy.
4
Novorin’i Davida ny taranak’i Aarôna sy ny Levita;
5
tamin’ny taranak’i Kaata: i Oriela lehibe sy ny rahalahiny, 120;
6
tamin’ny taranak’i Merarì: i Asaià lehibe sy ny rahalahiny, 220;
7
tamin’ny taranak’i Gersôma: i Joela lehibe sy ny rahalahiny, 130;
8
tamin’ny taranak’i Elisafàna: i Semeiàsa lehibe sy ny rahalahiny, 200;
9
tamin’ny taranak’i Hebrôna: i Eliala lehibe sy ny rahalahiny, 80;
10
tamin’ny taranak’i Oziela: i Aminadaba lehibe sy ny rahalahiny, 112.
11
Nantsoin’i Davida ny mpisorona Sadôka sy i Abiatara, ary ny Levita, i Oriela, i Asaiasa, i Joela, i Semeiàsa, i Eliala ary i Aminadaba.
12
Ka hoy izy tamin’ireo: «Ianareo, loha fianakavian’ny Levita, hamasino ny tenanareo, dia ianareo sy ny rahalahinareo, ka ampiakaro ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ho eo amin’ny fitoerana nomaniko ho azy.
13
Fa satria noho ianareo tsy nampiakatra azy tamin’ilay voalohany, no nikapohan’i Iaveh Andriamanitsika antsika, satria tsy nitady azy araka ny lalàna isika.»
14
Dia nanamasin-tena ny mpisorona sy ny Levita, mba hampiakatra ny fiaran’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
15
Ary ny taranak’i Levì, dia nilanja ny fiaran’Andriamanitra tamin’ny baony, araka ny nandidian’i Môizy, araka ny tenin’i Iaveh.
16
Nasain’i Davida notendren’ny lehiben’ny Levita ny rahalahiny mpihira miaraka amin’ny zava-maneno, dia ny valiha, ny harpa, ny kipantsona, hampaneno azy amin’ny feo mikarantsana sy maneho hafaliana.
17
Ka dia notendren’ny Levita i Hemàna zanak’i Joela, ary tamin’ireo rahalahiny i Asafa zanak’i Barakiasa; tamin’ny taranak’i Merarì rahalahiny, i Etana zanak’i Kôsaià;
18
naman’ireo ny rahalahiny, amin’ny ambaratonga faharoa: i Zakaria, i Bena, i Jaziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Banaiasa, i Maasiasa, i Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, ary i Jehiela, mpiandry varavarana.
19
I Hemàna sy i Asafa ary i Etàna mpihira, dia nitondra kipantsona varahina, hampanenoina.
20
I Zakaria, i Oziela, i Semiramôta, i Jahiela, i Anì, i Eliaba, i Maasiasa, ary i Banaiasa nanana valiha alamota.
21
I Matatiasa, i Elifalò, i Maseniasa, i Obededôma, i Jehiela ary i Ozazio, nanana harpa amin’ny «octave», hitari-kira.
22
I Koneniasa, lehiben’ny Levita momba ny fitondrana ny fanaka no nitarika ny fitondrana, fa nahay izany izy.
23
I Barakiasa sy i Elkanà, no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.
24
I Sebeniasa, i Jôsafata, i Natanaely, i Amasa, i Zakaria, i Banaiasa, ary i Eleazara mpisorona, no nitsoka anjomara teo alohan’ny Fiaran’Andriamanitra, i Obededôma sy i Jehiasa no mpiandry varavarana teo akaikin’ny Fiara.
25
Dia niainga i Davida sy ny loholon’i Israely ary ny tomponarivo, hampiakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tao an-tranon’i Obededôma tamin’ny fifaliana.
26
Rehefa nomban’Andriamanitra fanampiana ny Levita izay nitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, dia namono ombalahy enina sy ondralahy enina natao sorona ny olona.
27
Nitafy kapaoty bisosa i Davida; torak’izany koa ny Levita rehetra nitondra ny Fiara, ny mpihira ary i Koneniasa izay nitarika ny fitondrana ny Fiara, eo amin’ny mpihira; ary i Davida nitafy ny efôda rongony madinika.
28
I Israely rehetra no indray nampakatra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh tamin’ny hobin-kafaliana, tamin’ny feon’anjomara amana bingona mbamin’ny kipantsona.
29
Nony tonga hatrany an-tanànan’i Davida, ny fiaran’ny faneken’i Iaveh dia nitsirika teo am-baravarankely i Mikola zanakavavin’i Saola, ka nony nahita an’i Davida nitsinjaka sy nandihy izy, dia nikizaka azy tao am-pony.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
Recommended Reading
Commentary
1 Chronicles Commentaries
→
Devotional
1 Chronicles Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→