bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 22
1 Chronicles 22
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 23 →
1
Ary hoy i Davida: «Eto no ho tranon’i Iaveh Andriamanitra, eto no ho ôtely fanaovan’i Israely sorona dorana.»
2
Dia nasain’i Davida novorina ny vahiny teo amin’ny tanin’i Israely, ka nanendry tambato hipai-bato, hanaovana ny tranon’Andriamanitra izy.
3
Novononin’i Davida koa izao: Vy betsaka hanaovam-pantsika ho an’ny lela-varavarana sy ny faraingo, ary varahina betsaka tsy hita lanja intsony,
4
hazo sedera tsy hita isa, fa nanateran’ny Sidonianina sy ny Tirianina hazo sedera sesehena, i Davida.
5
Hoy i Davida: «I Salômôna, zanako, mbola tanora sy malemy, ary ny trano hatao ho an’i Iaveh dia tsy maintsy ho kanto indrindra mba hahazo laza amam-boninahitra amin’ny tany rehetra, ka tiako ny mamonona zavatra ho azy.» Dia nahavonona be tokoa i Davida talohan’ny nahafatesany.
6
Ary i Davida niantso an’i Salômôna zanany, ka nandidy azy hanao trano ho an’i Iaveh Andriamanitr’i Israely.
7
Izao no lazain’i Davida tamin’i Salômôna: «Anaka, zava-nokendreko ny hanao trano ho an’ny Anaran’i Iaveh Andriamanitra.
8
Saingy tonga tamiko ny tenin’i Iaveh, nanao hoe: Nandatsaka ra be ianao sady nanao ady lehibe, ka tsy hanao trano amin’ny Anarako, satria be ny ra nalatsakao tamin’ny tany teo imasoko.
9
Fa indro hisy zazalahy haterakao, izay ho lehilahy miadana, homeko fandriam-pahalemana, eo anatrehan’ny fahavalo manodidina azy, fa hatao hoe Salômôna no anarany, ary homeko fandriam-pahalemana sy fiadanana i Israely amin’ny androny.
10
Izy no hanao trano ho an’ny Anarako; ho toy ny zanaka ho Ahy izy, ary ho toy ny ray ho azy Aho, ary hohamafisiko mandrakizay amin’i Israely ny seza fiandrianan’ny fanjakany.
11
Koa ankehitriny, anaka, homba anao anie i Iaveh, mba hiadana ianao, ary hanao ny tranon’i Iaveh Andriamanitrao, araka ny efa nilazany anao.
12
Ho sitrak’i Iaveh ihany anie, ny hanome fahendrena amam-pahazavan-tsaina anao, rehefa hanome fahefana anao amin’i Israely izy, mba hankatoavanao ny lalàn’i Iaveh Andriamanitrao.
13
Hoambinina ianao amin’izay, raha manampò tokoa ny hanaraka ny lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh an’i Môizy ho an’i Israely. Mahereza ary matokia fa aza matahotra na manam-badi-po.
14
Indro fa izaho nananosarotra mafy ka nahavonona izao, ho an’ny tranon’i Iaveh: talenta volamena 100.000, talenta volafotsy 1.000.000, ny varahina amam-by kosa tsy hita lanja intsony, noho ny habetsahany loatra. Efa nahavonona hazo amam-bato koa aho, ary mbola hampianao.
15
Ary indro mby eto aminao ny mpiasa be dia be, tambato, mpahay vato aman-kazo, olo-mahay amin’izao karazan’asa rehetra izao.
16
Ny volamena amam-bolafotsy sy ny varahina amam-by, izany efa tsy hita isa intsony. Koa mitsangàna, miasà, ary homba anao anie i Iaveh.»
17
Nandidy ny lehibe rehetra amin’i Israely koa i Davida hanampy an’i Salômôna zanany, ka hoy izy:
18
«Tsy momba anareo va i Iaveh Andriamanitrareo, ary moa tsy efa nomeny fandriam-pahalemana eo amin’ny manodidina rehetra va ianareo? Fa ny mponina amin’ny tany efa natolony teo an-tanako; ary ny tany efa nampanekena teo anoloan’i Iaveh, sy teo anoloan’ny vahoakany.
19
Koa ankehitriny araiketo amin’ny fitadiavana an’i Iaveh Andriamanitrareo ny fo amam-panahinareo, mitsangàna hanao ny fitoerana masina ho an’i Iaveh Andriamanitra, mba hitondra hankatỳ ny fiaran’ny faneken’i Iaveh mbamin’ny fanaka masin’Andriamanitra, ho ao amin’ny trano izay hatao ho an’ny Anaran’i Iaveh.»
← Chapter 21
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 23 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29