bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 23
1 Chronicles 23
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 24 →
1
Nony efa tratra antitra sy feno andro i Davida, dia i Salômôna zanany no natsangana ho mpanjaka tamin’i Israely.
2
Novoriny avokoa ny lehibe tamin’i Israely mbamin’ny mpisorona sy ny Levita,
3
dia nisaina ny Levita hatramin’ny telopolo taona no miakatra, ka 38.000 no isan’ny vatan-dehilahy tsirairay avy.
4
Ary hoy i Davida: «Aoka ny 24.000 amin’izy ireo, hiadidy ny raharaha ao an-tranon’i Iaveh, ny enina arivo ho mpanoratra sy mpitsara,
5
ny 4.000 ho mpiandry varavarana, ary ny 4.000 ho mpidera an’i Iaveh amin’ny zava-maneno nataoko hankalazana Azy.»
6
Nozarain’i Davida ho antokony araka ny zanak’i Levỳ izy ireo dia: i Gersôna, i Kaata, i Merarỳ.
7
Ny Gersônita, dia i Leedàna, sy i Semeià.
8
Zanaka lahin’i Leedàna: i Jahiela filohany, i Zetama sy i Joela, telo izy.
9
Zanaka lahin’i Semeià: i Salômita, i Hoziela ary i Aràna, telo izy. Ireo no loham-pianakaviana, avy amin’i Leedàna.
10
Zanaka lahin’i Semeià: i Leheta, i Zizà, i Jaosa ary i Barià, izy efatra ireo no zanaka lahin’i Semeià.
11
I Leheta no lohany, i Zizà no faharoa, i Jaosa sy i Barià vitsy zanaka lahy, ka nisaina ho antokony iray araka ny fianakaviany.
12
Zanaka lahin’i Kaata: i Amrama, i Isaara, i Hebrôna, ary i Oziela, efatra izy.
13
Zanaka lahin’i Amrama: i Aarôna sy i Môizy. Ary i Aarôna natokana hohamasinina indrindra, izy mbamin’ny taranany mandrakizay, mba hanolotra zava-manitra hanetona eo anatrehan’i Iaveh, hanao ny fanompoany ary hitso-drano ny olona amin’ny Anarany mandrakizay.
14
Ny amin’i Môizy, mpanompon’Andriamanitra kosa, dia nisaina anatin’ny fokon’i Levỳ ihany ny zanany.
15
Zanaka lahin’i Môizy: i Gersôma sy i Eleazara.
16
Zanaka lahin’i Gersôma: i Soboela filohany.
17
Ny zanaka lahin’i Eliezera, dia i Rohobià, filohany. Tsy nanan-janaka lahy hafa i Eliezera, nefa maro dia maro ny zanakalahin-dRohobià.
18
Zanaka lahin’i Isaara: i Salômita filohany.
19
Zanaka lahin’i Hebrôna: i Jeriao filohany, i Amariasa faharoa, i Jahaziela fahatelo ary i Jekmaama fahefatra.
20
Zanaka lahin’i Oziela: i Mika filohany, i Jesià faharoa.
21
Zanaka lahin’i Merarì: i Moholì sy i Mosì.
22
Zanaka lahin’i Moholì: i Eleazara sy i Kisa, Maty tsy nitera-dahy i Eleazara, fa vavy ihany, ary nalain’ny zanak’i Kisa, rahalahiny, ho vady ireo.
23
Zanaka lahin’i Mosì: i Moholì, i Edera ary i Jerimota, telo lahy izy.
24
Ireo no zanaka lahin’i Levì araka ny fianakaviany, ny loham-pianakaviana, araka ny nanisana azy, voaisa isan’olona, voatonona anarana, izay nanao fanompoana tao an-tranon’i Iaveh hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
25
Fa hoy i Davida: «I Iaveh Andriamanitr’i Israely efa nanome fitsaharana ny vahoakany, ka honina mandrakizay eto Jerosalema.
26
Ary ny Levita efa tsy hitondra ny Fonenana mbamin’ny fanaka rehetra, fanaovana ny fanompoana momba azy intsony.»
27
Koa araka ny didy farany avy amin’i Davida no nanisana ny taranak’i Levì, hatramin’ny roapolo taona no ho miakatra.
28
Fa ny raharahany dia ny manolo-tena hoentin’ny taranak’i Aarôna, amin’ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh, ny amin’ny momba ny kianja aman’efitrano, ny fanadiovana ny zavatra masina, ary ny raharaha momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh;
29
ny amin’ny mofo alahatra, sy lafarina tsara indrindra hatao fanatitra, ny mofo manify tsy misy lalivay, ny endasina amin’ny lapoaly sy ny zavatra voaharo, ny zavatra fandanja amam-pamàtra rehetra.
30
Anjarany ny tonga miseho isa-marain-tsy hariva hankalaza sy hidera an’i Iaveh,
31
sy hanatitra ny sorona dorana rehetra amin’i Iaveh, amin’ny andro sabata na amin’ny voalohan’ny volana, na amin’ny fety, araka ny isany voadidy hatao mandrakariva eo anatrehan’i Iaveh.
32
Azy ireo ny mikarakara ny fitandremana ny trano lay fihaonana, ny fitandremana ny zavatra masina, ny fitandremana ireo taranak’i Aarôna, rahalahiny, amin’ny momba ny fanompoana ao an-tranon’i Iaveh.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29