bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Chronicles 27
1 Chronicles 27
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
1
Ny zanak’i Israely, araka ny isany avy, loham-pianakaviana, tomponarivo, tompon-jato, manamboninahitra amin’ny fanompoana ny mpanjaka, amin’ny zavatra rehetra momba ny isan-tokony, na ny tonga na ny miainga, isam-bolana, mandritra ny volana rehetra amin’ny taona, 24.000 no isan’ny antokony iray, - dia ireto:
2
I Jerôbôama zanak’i Zabdiela, no lohan’ny antokony voalohany ho amin’ny volana voalohany, 24.000 no isan’ny antokony.
3
Isan-taranak’i Faresa izy, ary nifehy ny lehibe rehetra isan-tokony, amin’ny volana voalohany.
4
I Dôdià Ahôhita no lohan’ny antokony amin’ny volana faharoa, i Makelôta andriandahy no isan’ny lehibe tamin’ny antokony; 24.000 no isan’ny antokony.
5
I Banaiasa zanak’i Jôiadà filohany no lohan’ny antokony fahatelo, ho amin’ny volana fahatelo, ary 24.000 no isan’ny antokony.
6
Io no ilay Banaiasa lehilahy mahery amin’ny Telopolo lahy, sady mpitarika ny Telopolo lahy. I Amizabada zanany dia mpifehy tamin’ny antokony.
7
I Asaela rahalahin’i Jôaba no fahefatra ho amin’ny volana fahefatra, ary i Zabadiasa zanany no manarakaraka azy, 24.000 no isan’ny antokony.
8
I Samaòta filohany, Izrahita no fahadimy, ho amin’ny volana fahadimy ary 24.000 no isan’ny antokony.
9
I Hirà, zanak’i Aksesa avy any Tekôe no fahenina ho amin’ny volana fahenina, ary 24.000 no isan’ny antokony.
10
I Helesa, Falônita, isan-taranak’i Efraima no fahafito, ho amin’ny volana fahafito, ary 24.000 no isan’ny antokony.
11
I Sobokay, Hosatita, amin’ny fianakavian’i Zarahita no fahavalo ho amin’ny volana fahavalo, ary 24.000 no isan’ny antokony.
12
I Abiezera avy any Anatôta isan-taranak’i Benjamina no fahasivy, ary 24.000 no isan’ny antokony.
13
I Maraì avy any Netofà amin’ny fianakavian’i Zarahita no faha-10, ho amin’ny volana faha-10, ary 24.000 no isan’ny antokony.
14
I Banaiasa avy any Faratôna, isan-taranak’i Efraima no faha-11, ary 24.000 no isan’ny antokony.
15
I Holdaì avy any Netofà, amin’ny fianakavian’i Otoniela, no faha-12, ho amin’ny volana faha-12, ary 24.000 isan’ny antokony.
16
Izao kosa no lohan’ny fokon’i Israely: amin’ny Robenita, i Eliezera zanak’i Zekri; amin’ny Simeônita, i Safatiasa zanak’i Maakà;
17
amin’ny Levita: i Hasabiasa zanak’i Kamoela; amin’ny fianakavian’i Aarôna, i Sadôka;
18
amin’i Jodà, i Eliò rahalahin’i Davida; amin’i Isakara, i Amrì zanak’i Mikaela;
19
amin’i Zabolôna, i Jesmaiasa zanak’i Abdiasa; amin’i Neftalì, i Jerimota zanak’i Osriela;
20
amin’i taranak’i Efraima: i Osea zanak’i Ozazio; amin’ny antsasam-pokon’i Manase, i Joela zanak’i Fadaiasa;
21
amin’ny antsasam-pokon’i Manase any Galaada, i Jadô zanak’i Zakariasa; amin’i Benjamina, i Jasiela zanak’i Abnera;
22
amin’i Dana, i Ezriela zanak’i Jerôhama. Ireo no lohan’ny fokon’i Israely.
23
Tsy nisain’i Davida ny hatramin’ny roapolo taona no midina, satria efa nolazain’i Iaveh fa hampitombo an’i Israely ho tahaka ny kintana amin’ny lanitra Izy.
24
Efa nanomboka ny fanisana i Jôaba zanak’i Sarvià, fa tsy nahatapitra izany, satria azon’ny hatezeran’i Iaveh noho izany i Israely ka ny isa efa hita dia tsy voasoratra ao amin’ny rejistry ny tantaran’i Davida mpanjaka.
25
I Asmota zanak’i Adiela no tonian’ny rakitry ny mpanjaka, i Jonatàna zanak’i Oziasa no amin’ny rakitra, na an-tsaha na an-tanàna, na amin’ny zana-bohitra na amin’ny tilikambo;
26
i Ezrỳ zanak’i Keloba no amin’ny mpiasa any an-tsaha, miasa ny tany;
27
i Semeià avy any Ramà no amin’ny tanimboaloboka; i Zabdiasa avy any Safama no amin’ny divay voavory any amin’ny tanimboaloboka;
28
i Balanàna avy any Gederà no amin’ny ôliva sy ny aviavy any amin’ny Sefelà; i Jôasa no amin’ny diloilo voavory;
29
i Setraì avy any Sarôna no amin’ny omby andrasana any Sarôna; i Safàta zanak’i Adlì no amin’ny omby eny an-dohasaha;
30
i Obila Ismaelita no amin’ny rameva, i Jadiasa avy any Merônata no amin’ny ampondravavy;
31
i Jaziza Agarenianina no amin’ny ondry. Ireo rehetra ireo no tonian’ny fananan’i Davida mpanjaka.
32
I Jonatàna, rahalahin-drain’i Davida, dia mpanolo-tsaina, lehilahy hendry sy be fahalalana izy; i Jahiela, zanak’i Hakamonì, no teo amin’ny zanaky ny mpanjaka.
33
I Akitôfela dia mpanolo-tsaina ny mpanjaka, ary i Kosaì, Arkeanina, dia sakaizan’ny mpanjaka;
34
manarakaraka an’i Akitôfela dia i Jôiadà, zanak’i Banaiasa, sy i Abiatara. I Jôaba no komandin’ny tafiky ny mpanjaka.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29