bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 1
1 Samuel 1
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
1
Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin’ny tendrombohitra Efraima, atao hoe Elkanà, zanak’i Jerôhama, zanak’i Eliò, zanak’i Taohò, zanak’i Sofa; Efrateanina izy io.
2
Nampirafy izy ka i Anà no anaran’ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa, ny anankiray. Nanan-janaka i Fenenà, fa i Anà kosa tsy mba nanan-janaka.
3
Niakatra avy any an-tanàna isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’i Iavehn’ny tafika sy hanatitra sorona aminy, any Silao. Ary tao ny zanak’i Helì, roa lahy, dia i Ofnì sy i Finea, mpisoron’i Iaveh.
4
Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona, dia samy nomeny anjara avy i Finenà vadiny, sy ny zanany lahy aman-janany vavy,
5
ary i Anà nomeny anjaran-droa satria tiany i Anà, ary nataon’i Iaveh momba.
6
Sady mbola nankalozain’ity rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’i Iaveh azy momba.
7
Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaky ny iakaran’i Anà any an-tranon’i Iaveh; fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina.
8
Hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ry Anà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?»
9
Nony avy nihinana sy nisotro ny olona, tany Silao, dia nitsangana i Anà. I Helì mpisorona izany, nipetraka teo amin’ny fipetrahana anankiray, teo anoloan’ny anankiray amin’ny tsato-kazon’ny tempolin’i Iaveh.
10
Fo vontom-pahoriana no nivavahan’i Anà tamin’i Iaveh ary nipotrapotraka ny ranomasony;
11
ary nivoady izy, nanao hoe: «Iavehn’ny tafika ô, raha mba mitsinjo ny fahorian’ny ankizivavinao Ianao, raha mahatsiaro ahy ka tsy manadino ny ankizivavinao, ka manome zazalahy ny ankizivavinao, dia homeko ho an’i Iaveh izy, amin’ny andro iainany rehetra, ary tsy ho kasihin-kareza ny lohany.»
12
Naharitra ela no nivavahany teo anatrehan’i Iaveh ka nodinihin’i Helì ny vavany.
13
Fa niteny anakampo i Anà, ka ny molony fotsiny no nihetsiketsika, fa ny feony tsy re akory. Noheverin’i Helì fa mamo izy.
14
Dia hoy izy taminy: «Mandra-pahoviana ianao no ho mamo? Mampisavà ny hamamoana avy amin’ny divainao.»
15
Fa hoy i Anà: «Tsia, tompoko, fa vehivavy ory ao am-po aho, tsy nisotro divay na fisotro mahamamo aho; fa namboraka ny ato am-poko eto anatrehan’i Iaveh.
16
Aza mihevitra ny ankizivavinao ho olon’i Beliala fa ny hamafin’ny halahelo amam-pahoriako no nitenenako mandraka ankehitriny.»
17
Dia niteny indray i Helì ka hoy izy: «Mandehana amim-piadanana, ary hohenoin’ny Andriamanitr’i Israely ny vavaka nataonao taminy.»
18
Ka hoy izy: «Hahita fitia aminao anie ny ankizivavinao.» Dia lasa nizotra ny lalany ravehivavy, dia nihinana izy ary niova ny tarehiny.
19
Ary nifoha maraina koa izy ireo, ka nony avy niankohoka teo anatrehan’i Iaveh, dia nody izy, ka niverina tany an-tranony any Ramà.
20
Ary i Elkanà nahalala an’i Anà vadiny, ary i Iaveh nahatsiaro azy. Ary nony nitsingerina ny andro, dia efa nanana anaka i Anà ka dia tera-dahy izy, ary nataony hoe Samoela ny anarany, fa nangatahiko tamin’i Iaveh, hoy izy.
21
Dia niakatra i Elkanà vadiny sy ny ankohonany rehetra hanatitra amin’i Iaveh ny sorona fanao isan-taona, sy hanefa ny voadiny.
22
Tsy mba niakatra anefa i Anà, fa hoy izy tamin’ny lahy: «Rehefa hitsaha-nono ny zaza dia hoentiko eo anatrehan’i Iaveh sy hitoetra eo mandrakizay.»
23
Ary hoy i Elkanà vadiny taminy: «Ataovy izay heverinao ho mety; mijanòna atỳ aloha, mandra-panotinao azy, ary hoefain’i Iaveh anie ny teniny.» Dia nijanona ravehivavy, ka nampinono ny zanany mandra-panotiny azy.
24
Nony efa notazany ny zaza, dia nentiny niakatra niaraka taminy, sady naka vantotr’ombilahy telo, sy lafarina iray efah, ary divay eran’ny siny hoditra izy, dia nentiny nankao an-tranon’i Iaveh tao Silao izy. Mbola tanora kely ny zaza.
25
Dia novonoin’izy ireo ny vantotr’ombilahy iray, ary nentiny nankao amin’i Helì ny zaza.
26
Ka hoy i Anà: Aza mahafady, tompoko. Raha velona koa ny aiko, tompoko, dia izaho ilay vehivavy nitoetra teto akaikinao nivavaka tamin’i Iaveh.
27
Ny hahazoako ity zaza ity no nangatahiko ary neken’i Iaveh ny fangatahana nataoko taminy.
28
Koa inty kosa aho mahafoy azy ho an’i Iaveh; nafoy ho an’i Iaveh izy amin’ny andro hiainany rehetra. Dia niankohoka teo anatrehan’i Iaveh izy ireo.
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 2 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31