bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 29
1 Samuel 29
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
1
Ary namory ny miaramilany rehetra tao Afeka ny Filistinina, fa nitoby teo anilan’ny loharano ao Jezraela kosa i Israely.
2
Raha nandroso nitarika ny an-jatony sy ny an’arivony ireo andrian’ny Filistinina, ary i Davida sy ny olony kosa namindra terỳ amin’ny vody lalana, niaraka tamin’i Akisa, dia hoy ireo filohan’ny Filistinina:
3
«Ahoana ireto Hebrio?» Ary hoy i Akisa namaly an’ireo filohan’ny Filistinina: «Tsy io va no Davida mpanompon’i Saola mpanjakan’i Israely, ka efa andro maro sy taona maro izay izy no tatỳ amiko, nefa tsy mbola nahita izay tsininy aho na dia kely aza, hatrizay nifindrany ho atỳ amintsika izay ka mandraka androany.»
4
Tezitra tamin’i Akisa anefa ireo filohan’ny Filistinina ka hoy ny filohan’ny Filistinina taminy hoe: «Alefaso iny lehilahy iny, aoka izy hiverina any amin’ny tany namponenanao azy any, fa aoka tsy hiara-midina amintsika ho any amin’ny ady, fandrao dia tonga fahavalontsika izy rehefa miady. Satria inona indray àry no hahazoany sitraka amin’ny tompony fa tsy amin’ny fanolorany aminy ny lohan’ireto lehilahy ireto.
5
Ary moa tsy io Davida io indrindra va no nihiràna tamim-pandihizana hoe: Matin’i Saola ny arivoarivo; ary matin’i Davida ny alinalina.»
6
Dia nantsoin’i Akisa i Davida, ka nilazany hoe: «Marina fa velona i Iaveh ka dia olo-marina ianao, sady sitrako eo imasoko izay rehetra ataonao amiko eto an-toby, satria tsy mbola nahita ratsy taminao aho hatrizay nahatongavanao tatỳ amiko, ka mandraka androany. Nefa kosa tsy sitrak’ireo andriana ireo ianao.
7
Koa miverena ary mandehana amim-piadanana mba tsy hanao izay mety hahasosotra ny andrian’ny Filistinina.»
8
Dia hoy i Davida tamin’i Akisa: «Fa inona no nataoko; ary inona no hitanao tamin’ny mpanomponao, hatrizay nitoerako teto aminao ka mandraka androany, no dia tsy hahazo mandeha hiady amin’ny fahavalon’ny mpanjaka tompoko aho?»
9
Ary hoy i Akisa namaly an’i Davida: «Fantatro fa tsara tamiko ianao hoatra ny Anjelin’Andriamanitra, fa ny filohan’ny Filistinina no nanao hoe: Tsy hiara-miakatra amintsika amin’ny ady izy.
10
Koa mifohaza maraina koa ianao, mbamin’ireo mpanompon’ny tomponao, izay niaraka taminao, samia mifoha maraina ianareo, ka raha mazava ny andro dia mandehana».
11
Nifoha maraina koa i Davida sy ny olony mba hiainga maraina hiverina any amin’ny tanin’ny Filistinina, ary ny Filistinina kosa niakatra nankany Jezraela.
← Chapter 28
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 30 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31