bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 31
1 Samuel 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
1
Nony rafitra ny adin’ny Filistinina tamin’i Israely, dia nandositra teo anoloan’ny Filistinina ny lehilahy amin’i Israely, ka lavo voan’ny ratra mahafaty teo an-tendrombohitra Jelbôe.
2
Nikiry nanenjika an’i Saola sy ny zanany ny Filistinina, ka matin’ny Filistinina avokoa i Jônatasy sy i Abinadaba ary i Melkisoà zanak’i Saola.
3
Dia i Saola no nanaovan’ny mpiady am-bezatra; hitan’ny mpandefa tsipìka izy.
4
Dia hoy i Saola tamin’ity mpitondra fiadiany: «Tsoahy ny sabatrao ka atrobary ahy, fandrao dia ireo tsy mifora ireo indray no tonga manatrobaka ahy, ka halàny baraka aho». Tsy nety ilay mpitondra fiadiany, fa raiki-tahotra izy, ka i Saola no naka ny sabany, dia nianjera taminy.
5
Nony hitan’ity mpitondra fiadiany fa maty i Saola, dia mba nianjera tamin’ny sabany koa izy, ka niara-maty taminy.
6
Izany no niarahany maty androtr’izay ihany, dia i Saola sy ny zanany telo lahy, ary ny mpitondra fiadiany, mbamin’ny olona rehetra.
7
Nony hitan’ny olona amin’i Israely izay nitoetra tatỳ an-dafin’ny tany lemaka, sy tetỳ an-dafin’i Jordany, fa nandositra ny zanak’i Israely, sady maty koa i Saola sy ireo zanany, dia nilaozany ny tanànany ka lasa nandositra izy, dia tonga ny Filistinina ka nonina tao.
8
Ny ampitson’iny, tonga handroba ny zavatra teny amin’ny maty ny Filistinina, ka nahita an’i Saola sy ny zanany telo lahy nitsitra tany an-tendrombohitra Jelbôe.
9
Dia notapahiny ny lohany, nalainy ny fiadiany, ary naniraka olona izy ireo mba hiantso izany vaovao mahafaly izany eran’ny tanin’ny Filistinina rehetra, tao an-tempolin-tsampiny, sy amin’ny vahoaka.
10
Ny fiadian’i Saola napetrany tao amin’ny tempolin’i Astarte ary ny fatiny napetrany teo amin’ny mandan’i Betsàna.
11
Nony ren’ny mponina tany Jabesa any Galaada ny nanaovan’ny Filistinina an’i Saola,
12
dia niainga ny lehilahy mahery rehetra, ka nandeha mandritra ny alina manontolo dia nanesotra ny fatin’i Saola sy ny fatin-janany teo amin’ny mandan’i Betsàna vao niverina tany Jabesa, dia nodorany tao ireo.
13
Noraisiny ny taolany ka naleviny tao ambanin’ny tamariska tao Jabesa; ary nifady hanina hafitoana izy.
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31