bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 7
1 Samuel 7
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
1
Dia tonga ny olona ao Kariatiarima ka nampiakatra ny Fiaran’i Iaveh, nentiny nankany an-tranon’i Abinadaba any amin’ny havoana; ary i Eleazara zanany nohamasininy hiandry ny Fiaran’i Iaveh.
2
Hatramin’ny andro nametrahana ny Fiaran’i Iaveh tany Kariatiarima dia lava ny andro nifandimby, roapolo taona, ary nitaraina tamin’i Iaveh ny tranon’i Israely rehetra.
3
Ka hoy i Samoela tamin’ny tranon’i Israely rehetra; «Raha miverina amin’i Iaveh amin’ny fonareo rehetra tokoa ianareo, dia esory hiala eo aminareo ny andriamani-kafa sy ny Astarte, ary araiketo mafy amin’i Iaveh ny fonareo, ka Izy irery ihany no tompoy, ka hanafaka anareo amin’ny tanan’ny Filistinina Izy.»
4
Dia nesorin’ny taranak’i Israely teo aminy ny Baala sy ny Astarte, ka i Iaveh irery ihany no notompoiny.
5
Ary hoy i Samoela: «Vorio any Masfà i Israely rehetra ary hivavaka amin’i Iaveh ho anareo aho.»
6
Dia nivory tany Masfà izy ireo. Nanovo rano izy, nararany teo anatrehan’i Iaveh ary nifady hanina tamin’izany andro izany, fa hoy izy: «Efa nanota tamin’i Iaveh isika!» Ary i Samoela nitsara an’i Israely tany Masfà.
7
Ren’ny Filistinina fa nivory tany Masfà ny zanak’i Israely ka niakatra ny andrian’ny Filistinina hamely an’i Israely. Nandre izany ny zanak’i Israely ka raiki-tahotra ny Filistinina izy ireo,
8
ka hoy ny zanak’i Israely tamin’i Samoela hoe: «Aza atsahatra ny fitarainana ho antsika amin’i Iaveh Andriamanitsika, mba hamonjy antsika amin’ny tanan’ny Filistinina.»
9
Naka zanak’ondry mbola minono i Samoela, natolony manontolo ho sorona dorana ho an’i Iaveh, dia nitaraina tamin’i Iaveh ho an’i Israely i Samoela, ka nohenoin’i Iaveh.
10
Mbola manatitra ny sorona dorana eo i Samoela, no tamy hamely an’i Israely ny Filistinina; fa nampikotroka mafy ny varatra tamin’ny Filistinina kosa i Iaveh tamin’izay andro izay, ka nampifanaritaka azy; dia resy teo anoloan’i Israely.
11
Ary nivoaka avy tao Masfà ny lehilahy amin’i Israely, ka nanenjika ny Filistinina, sy namely azy hatrany ambanin’i Bety-Kara.
12
Naka vato i Samoela napetrany teo anelanelan’i Masfà sy i Sena, ary nomeny anarana hoe Eben-Ezera, fa hoy izy: «Efa novonjen’i Iaveh isika hatramin’izao.»
13
Nony voaetry toy izany ny Filistinina, dia tsy niverina teo amin’ny faritanin’i Israely intsony; fa namely ny Filistinina ny tanan’i Iaveh, tamin’ny andro rehetra niainan’i Samoela.
14
Ka ny tanàna nalain’ny Filistinina tamin’i Israely, tafaverina amin’i Israely indray, hatrany Akarôna ka hatrany Geta; ny faritanin’izy ireo dia nalain’i Israely teo an-tanan’ny Filistinina. Ary ny Amôreana, nihavana tamin’i Israely.
15
Nitsara an’i Israely tamin’ny andro rehetra niainany i Samoela.
16
Isan-taona dia nandeha izy nitety an’i Betela sy i Galgalà ary i Masfà ka nitsara an’i Israely tamin’ireo fitoerana rehetra ireo.
17
Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.
← Chapter 6
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 8 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31