bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 5
1 Samuel 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
1
Nony azon’ny Filistinina ny Fiaran’Andriamanitra dia nentiny avy tany Eben-Ezera ho any Azota.
2
Nalain’ny Filistinina ny Fiaran’Andriamanitra ka nampidiriny tao an-tranon’i Dagôna sy napetrany teo anilan’i Dagôna.
3
Nony ampitso, nifoha maraina ny Azôtianina, ka indro i Dagôna nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh. Dia nalainy i Dagôna ka napetrany teo amin’ny fitoerany indray.
4
Ny ampitson’izay dia nifoha maraina koa izy ireo, ka indro i Dagôna fa nitsingidina nihohoka tamin’ny tany, teo anoloan’ny Fiaran’i Iaveh, ary ny lohan’i Dagôna sy ny tanany roa tapaka, ka teo an-tokonam-baravarana,
5
fa ny tenabeny miendri-kazandrano no sisa. Izany no tsy anitsahan’ny mpisoron’i Dagôna mbamin’izay rehetra miditra ao an-tranon’i Dagôna any Azota, ny tokonam-baravaran’i Dagôna mandrak’androany.
6
Ary niampatra namely ny Azôtianina ny tanan’i Iaveh ka nampiferin’aina azy; fa namely azy tamin’ny vay, tao Azota sy tao amin’ny faritaniny.
7
Nony nahita ny nahazo azy ny Azôtianina dia nanao hoe: «Aoka tsy hijanona atỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, fa manampatra ny tanany amintsika sy amin’i Dagôna andriamanitsika izy».
8
Dia naniraka olona izy ireo, niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra hankeo aminy, ary nilaza hoe: «Hataontsika ahoana ity Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely?» Ka hoy ny navalin’ireo: «Aoka hafindra any Geta ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely»; ka nafindra tao ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely.
9
Kanjo vantany vao nafindra tany dia niampatra namely ny tanàna ny tanan’i Iaveh, ka tsiravina indrindra ny tao, fa namely ny olona tao an-tanàna izy hatramin’ny kely ka hatramin’ny lehibe ka nipoiran’ny vay izy ireo.
10
Tamin’izany dia nalefany hankany Akarôna ny Fiaran’Andriamanitra, dia nibabababa ny Akarônita nanao hoe: «Nentiny tatỳ amintsika ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely mba hahafaty antsika sy ny firenentsika.»
11
Ka naniraka ny olona niantso ny filohan’ny Filistinina rehetra izy, ka hoy izy: «Alefaso ny Fiaran’ny Andriamanitr’i Israely, hiverina any amin’izay nitoerany indray, mba tsy hahafaty anay sy ny firenenay.»
12
Fa nanerana ny tanàna ny horohoron’ny fahafatesana, ary namely azy mafy ny tanan’Andriamanitra. Ny olona sisa tsy maty dia nasian’ny vay, ka nanakatra ny lanitra ny fibabababam-pahoriana avy tao an-tanàna.
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31