bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 15
1 Samuel 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
1
Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no nirahin’i Iaveh hanosotra anao ho mpanjaka amin’ny vahoakany, amin’i Israely: koa henoy izay lazain’i Iaveh:
2
Izao no lazain’i Iaveh amin’ny tafika: Nodinihiko ny nataon’i Amaleka tamin’i Israely dia ny nitsanganany nisakana azy teny an-dalana fony izy niakatra avy tany Ejipta.
3
Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».
4
Nampandrenesin’i Saola ny vahoaka izany: dia nampanaoviny matso tany Telaima izy ireo, ka roa hetsy ny miaramila an-tongotra nisainy, ary iray alina ny lehilahy amin’i Jodà.
5
Dia nandroso i Saola hatrany amin’ny tanànan’i Amaleka ary nametraka otrika tao amin’ny lohasaha.
6
Hoy i Saola tamin’ny Kineanina: «Mandehana mihataka ianareo, midìna avy eo afovoan’i Amaleka, fandrao voasaroko miaraka aminy koa ianareo, fa soa no nataonareo tamin’ny zanak’i Israely rehetra fony izy nivoaka avy tany Ejipta». Dia nihataka niala teo afovoan’i Amaleka ny Kineanina.
7
Noresen’i Saola i Amaleka, hatrany Hevilà ka hatrany Sora eo atsinanan’i Ejipta.
8
I Agaga mpanjakan’i Amaleka nataony sambo-belona, ary ny vahoaka rehetra nataony anatema tamin’ny lelan-tsabatra.
9
Tsy novonoin’i Saola sy ny vahoaka anefa i Agaga, mbamin’ny tsara indrindra tamin’ny ondry, ny omby, ny biby avy amin’ny terany fanindroany, zanak’ondry mbamin’izay tsara rehetra, tsy nekeny hatao anatema izany, fa ny ratsiratsy sy tsy misy vidiny ihany no nataony anatema.
10
Tonga tamin’i Samoela ny tenin’i Iaveh nanao hoe:
11
«Manenina Aho tamin’ny nananganako an’i Saola ho mpanjaka; fa nivily niala tamiko izy, ary tsy narahiny ny teniko». Dia nalahelo i Samoela ary nitaraina tamin’i Iaveh izy nandritra iny alina iny.
12
Nifoha maraina koa i Samoela hitsena an’i Saola, dia nisy nilaza tamin’i Samoela hoe: «Tany Karmela i Saola nanangana tsangam-bato ho azy, ary avy eo izy dia niverina dia nandroso lavidavitra sy nidina nankany Galgalà».
13
Dia nankany amin’i Saola i Samoela, ka hoy i Saola taminy: «Hotahin’i Iaveh anie ianao! Efa tanteraka ny tenin’i Iaveh».
14
Ary hoy i Samoela: «Ka inona izany fibarareokan’ondry ren’ny sofiko sy fimamàn’omby henoko izany?»
15
Dia hoy ny navalin’i Saola: «Nentin’ny olona avy amin’ny Amalesita ireny; fa navelan’ny olona hatao sorona ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny tsara indrindra amin’ny ondry sy ny omby, ary ny sisa nataonay anatema».
16
Ka hoy i Samoela tamin’i Saola: «Aoka izay, fa ambarako anao izao izay nolazain’i Iaveh tamiko halina.» Dia hoy i Saola taminy: «Lazao.»
17
Hoy i Samoela: «Moa tsy tonga filohan’ny fokon’i Israely ianao fony ianao mbola kely teo imasonao? Ary moa tsy nohosoran’i Iaveh ianao ho mpanjaka amin’i Israely?
18
Nirahin’i Iaveh handeha amin’ny lalana ianao, nataony hoe: ‹Mandehana, ataovy anatema ireo mpanota ireo, ny Amalesita, ary miadia aminy, mandra-pandringana azy.›
19
Nahoana ity ianao no tsy nihaino ny feon’i Iaveh fa nanao hitsin-dalana tamin’ny babo, sy nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh?»
20
Dia hoy i Saola tamin’i Samoela: «Eny tokoa, nihaino ny feon’i Iaveh aho ary nandeha tamin’ny lalany nanirahany ahy. Nentiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka ary i Amaleka nataoko anatema.
21
Ary ny vahoaka naka tamin’ny ondry sy ny omby izay santatry ny anatema mba hanaovana sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao, any Galgalà».
22
Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.
23
Fa mahameloka toy ny manandro ny mikomy, ary toy ny fanompoan-tsampy sy ny terafima ny mandà. Noho ianao nanary ny tenin’i Iaveh, dia mba ariany kosa ianao tsy ho mpanjaka intsony».
24
Tamin’izay i Saola niteny tamin’i Samoela hoe: «Nanota aho, fa nandika ny didin’i Iaveh sy ny teninao: natahotra ny vahoaka aho ary nihaino ny teniny.
25
Koa ankehitriny, masìna ianao, avelao ny heloko, andeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh aho».
26
Fa hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no miara-miverina aminao fa efa nanary ny tenin’i Iaveh ianao, ka efa nariany tsy ho mpanjakan’i Israely intsony koa».
27
Nony nihodina ndeha handeha i Samoela dia nosamborin’i Saola ny sisin’ny kapaotiny ka triatra.
28
Dia hoy i Samoela taminy: «Efa notriarin’i Iaveh ho afaka aminao androany ny fanjakan’i Israely, ary efa nomeny ny namana akaikinao izay tsara noho ianao.
29
Tsy mba mandainga ilay famirapiratan’i Israely ary tsy mba manenina Izy satria tsy olombelona Izy ka hoe hanenina».
30
Hoy i Saola: «Nanota aho! Kanefa mihanta aminao aho ankehitriny, mba omeo voninahitra eo anatrehan’ny loholon’ny vahoaka, eo anatrehan’i Israely aho, ka handeha hiara-miverina amiko, dia hivavaka amin’i Iaveh Andriamanitrao aho».
31
Dia niverina nanaraka an’i Saola i Samoela; ary nivavaka tamin’i Iaveh i Saola.
32
Ka hoy i Samoela: «Ento mankatỳ amiko i Agaga mpanjakan’i Amaleka». Miramirana endrika i Agaga nanatona azy, fa hoy i Agaga: «Lasa tokoa ny ngidin’ny fahafatesana!»
33
Hoy i Samoela: «Toy ny nampamoizan’ny sabatrao zanaka ny vehivavy no hamoizan’ny reninao zanaka kosa eo amin’ny vehivavy». Dia notetitetehin’i Samoela teo anatrehan’i Iaveh tany Galgalà i Agaga.
34
Ary i Samoela nankany Ramà, fa i Saola niakatra nankany amin’ny tranony any Gabaàn’i Saola.
35
Tsy nahita an’i Saola intsony i Samoela mandra-pahafatiny. Nitomany an’i Saola i Samoela satria nanenina i Iaveh tamin’ny nananganany azy ho mpanjaka amin’i Israely.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31