bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 21
1 Samuel 21
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
1
Koa i Davida moa nitsangana dia lasa nandeha, fa i Jônatasy kosa niditra nankany an-tanàna.
2
Lasa nankany Nobe amin’i Akimeleka mpisorona i Davida ka taitra mafy i Akimeleka nitsena an’i Davida nanao taminy hoe: «Nahoana ity ianao no honjohonjonao irery, fa tsy misy miaraka aminao?»
3
Dia hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akimeleka mpisorona: «Nomen’ny mpanjaka didy aho, nataony hoe: Aoka tsy hisy olona hahalala ny raharaha nanirahako anao, sy nanomezako didy anao. Ka nomeko fotoana any Ananona any ny olona momba ahy.
4
Ary amin’izao kosa inona no vonona eo am-pelatananao izao? Omeo mofo dimy aho eto an-tanako na izay sendra hita».
5
Ary hoy ity mpisorona namaly an’i Davida hoe: «Tsy misy mofo fihinana eto amiko, mofo voahasina no misy; tsy maintsy ho nifady vehivavy ahay anefa ny olona».
6
Ka hoy i Davida namaly ny mpisorona nanao hoe: «Hatramin’ny nandehanako hateloana izay no efa nifady vehivavy izahay, sady masina koa ny kapaoky ny olona miaraka amiko, ka na tsy masina aza ny dia, ny amin’ny momba ny kapaoka kosa dia voahasina».
7
Dia nomen’ny mpisorona mofo voahasina izy, fa tsy nisy mofo hafa teo afa-tsy ny mofo aseho, izay efa nesorina teo anoloan’i Iaveh mba hosoloina ny mofo mafana amin’ny fotoana fanesorana azy.
8
Tao indrindra ny lehilahy anankiray amin’ny mpanompon’i Saola tamin’izay andro izay, fa voahazona teo anatrehan’i Iaveh; I Dôega Edômita no anarany, ary lehiben’ny mpiandry ny ondrin’i Saola izy.
9
Ary hoy i Davida tamin’i Akimeleka: «Tsy misy lefona na sabatra va ato aminao? Fa tsy naharay ny sabatro na ny fiadiana hoentiko akory aho fa maika ny raharaha nandidian’ny mpanjaka ahy».
10
Dia hoy ny navalin’ny mpisorona: «Ny sabatr’i Gôliata, ilay Filistinina, izay novonoinao tao amin’ny lohasahan’ny Terebinta no ao, indro mifono ny lamba kapaoty ao ivohon’ny efôda ao izy. Ka raha tianao hoentina iny, dia ento, fa tsy misy afa-tsy iny eto.» Ary hoy i Davida: «Tsy misy hoatra an’iny, ka omeo ahy iny.»
11
Nitsangana i Davida ary androtr’izay ihany dia nandositra lavitra an’i Saola, ka tany amin’i Akisa mpanjakan’i Geta no nalehany.
12
Ary hoy ny mpanompon’i Akisa taminy: «Tsy io va no Davida, mpanjakan’ny tany? Tsy io va no nanaovana hira arahim-pandihizana hoe: ‹Arivoarivo no matin’i Saola, Ary alinalina no matin’i Davida?› »
13
Nieritreritra ny amin’izany teny izany i Davida, ka raiki-tahotra mafy an’i Akisa mpanjakan’i Geta.
14
Dia nody adala teo anatrehan’izy ireo sy niseho ho very saina teo am-pelatanany izy: noveleziny, nataony langoroany ny lela vavahady; ary navelany hitsororoka amin’ny somony ny ranon’iviny.
15
Ka hoy i Akisa tamin’ny mpanompony: «Hitanareo fa adala io lehilahy io, ka ahoana no nitondranareo azy atỳ amiko?
16
Tsy ampy olona adala ato amiko angaha no itondranareo an’io, hanondrana eto anatrehako? Io ve dia tokony hiditra izay tranoko akory?»
← Chapter 20
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 22 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31