bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 19
1 Samuel 19
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
1
Niresaka tamin’i Jônatasy zanany sy ny mpanompony rehetra i Saola ny amin’izay hahafaty an’i Davida. Fatratra kosa anefa ny fitiavan’i Jônatasy zanak’i Saola an’i Davida. Koa nampandre an’i Davida i Jônatasy nanao hoe:
2
«Tadiavin’i Saola raiko hovonoina ianao ka mitandrema tena, rahampitso maraina, mihataha ka miere.
3
Ary hivoaka aho ka ho eo anilan’idada amin’ny saha misy anao, ka hiresaka amin’idada ny aminao, dia ho hitako izay heviny, ka hampandrenesiko anao.»
4
Nilaza soa an’i Davida, tamin’i Saola rainy, i Jônatasy, fa hoy izy taminy: «Aoka ny mpanjaka tsy hanota amin’i Davida mpanompony, satria tsy nanota taminao izy. Fa vao mainka koa soa ho anao aza ny nataony rehetra,
5
nanao vy very ny ainy, namono an’ilay Filistinina izy, ka izy no nanaovan’i Iaveh famonjena lehibe ho an’i Israely rehetra. Nahita izany ianao sy nifaly tamin’izany. Ka ahoana no hataonao amin’ny ra tsy mana-tsiny, amin’ny famonoana, tsy misy antony, an’i Davida?»
6
Nihaino ny tenin’i Jônatasy i Saola, ka nianiana i Saola nanao hoe: «Velona i Iaveh, tsy hovonoina i Davida!»
7
Dia nantsoin’i Jônatasy i Davida ary nilazan’i Jônatasy izany teny rehetra izany, vao nentin’i Jônatasy nankeo amin’i Saola i Davida, ka nitoetra teo anatrehany, toy ny taloha indray.
8
Ary nisy ady indray, ka nivoaka hanohitra ny Filistinina i Davida ka nandrafitra ady taminy; noreseny mafy tokoa izy ireo ka vaky nandositra teo anoloany.
9
Tamin’izay tonga tamin’i Soala ilay fanahy ratsy avy tamin’i Iaveh, raha nipetraka tao an-tranony, nitana ny lefony teo an-tanany izy; ka notendren’i Davida tamin’ny tanany ny harpa.
10
Notadiavin’i Saola hasiany ny lefona i Davida sy ny rindrina, saingy nitsoaka teo anatrehan’i Saola i Davida ka ny lefona no nakapony tamin’ny rindrina. Dia nandositra i Davida nilefa nandritra ny alina.
11
Nanirahan’i Saola olona, tany an-tranon’i Davida, hisambotra azy sy hamono azy ny ampitso; fa nilazan’i Mikola vadiny an’izany i Davida, nataony hoe: «Raha tsy mandositra anio alina ianao, rahampitso ihany dia maty».
12
Dia nampidinin’i Mikola tamin’ny varavarankely i Davida dia lasa nandositra i Davida ka voavonjy.
13
Nalain’i Mikola ny terafima nony avy eo, ka nampidiriny teo am-parafara, ary hoditr’osivavy no nataony teo amin’ny fitoeran’ny lohany, ary norakofany lamba.
14
Ka nony nirahin’i Saola haka an’i Davida ny olona nirahiny, dia hoy ravehivavy: «Marary izy»
15
Fa naverin’i Saola indray ny olona nirahiny hizaha an’i Davida, ka hoy izy: «Ento mankatỳ amiko amin’ny farafara izy, hamonoako azy».
16
Dia niverina ny iraka, kanjo inty terafima no teo am-pandriana mbamin’ny hoditr’osy teo amin’ny fitoeran’ny lohany.
17
Ka hoy i Saola tamin’i Mikola: «Nahoana ianao no namitaka ahy toy izany, ka namela ny fahavaloko handeha mba ho voavonjy izy?» Fa hoy ny navalin’i Mikola an’i Saoly: «Izao no nataony tamiko: Avelao aho handeha sao vonoiko ianao.»
18
Toy izany no nandosiran’i Davida, ka dia voavonjy izy. Nankany amin’i Samoela tany Ramà izy, ka notantarainy taminy izay rehetra nataon’i Saola taminy. Dia niara-nandeha tamin’i Samoela honina any Najôta izy.
19
Nisy nilaza izany tamin’i Saola nanao hoe: «Indro i Davida ao Najôta, any Ramà.»
20
Dia naniraka olona haka an’i Davida i Saola; kanjo nony hitan’ireo ny antoko-mpaminany naminany ary i Samoela nitsangana teo nitarika azy ireo, dia tonga tamin’ny irak’i Saola ny Fanahin’Andriamanitra ka naminany koa izy ireo.
21
Nambara tamin’i Saola izany, ka naniraka olon-kafa izy, ary naminany koa ireo. Dia naniraka olona fanintelony indray i Saola nefa naminany ihany koa ireo.
22
Tamin’izany dia ny tenan’i Saola no nankany Ramà. Nony tonga tao amin’ilay lavaka lehibe famorian-drano, any Sokao izy, dia nanontany hoe: «Aiza moa i Samoela sy i Davida?» Ka nisy namaly azy hoe: «Indreo izy ao Najôta any Ramà.»
23
Dia nizotra nankany Najôta any Ramà izy, ary tonga tao aminy koa ny Fanahin’Andriamanitra dia nandeha ary naminany mandra-pahatongany tany Najôta any Ramà.
24
Mba niala lamba ka naminany koa izy teo anatrehan’i Samoela, sy nipetraka tamin’ny tany, tsy nitafy, nandritra iny andro iny sy ny alina manontolo. Izany no anton’ny fitenin’ny olona hoe: «Mba isan’ny mpaminany koa ve i Saola?»
← Chapter 18
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 20 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31