bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 23
1 Samuel 23
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
1
Ary nisy olona tonga nilaza tamin’i Davida hoe: «Indreo ny Filistinina mamely an’i Keilà, sady mamabo eny am-pamoloana.»
2
Dia nanontany an’i Iaveh i Davida nanao hoe: «Handeha hamely izao Filistinina izao va aho?» Ary hoy ny navalin’i Iaveh an’i Davida: «Mandehana fa handresy ny Filistinina ianao sy hanafaka an’i Keilà.»
3
Hoy anefa ny olon’i Davida taminy: «Indro fa atỳ Jodà aza isika ity matahotra, ka mainka izany hoe ho any Keilà hiady amin’ny miaramilan’ny Filistinina!»
4
Dia nanontany an’i Iaveh indray i Davida, ka hoy i Iaveh namaly azy: «Mitsangàna ianao, midìna any Keilà, fa hatolotro eo an-tananao ny Filistinina».
5
Dia nandeha i Davida nankany Keilà niaraka tamin’ny olona momba azy, ka niady tamin’ny Filistinina. Nahorony ny biby fiompiny, ary nandresy azy mafy dia mafy izy. Izany no namonjeny ny mponina tao Keilà.
6
Fony i Abiatara zanak’i Akimeleka nandositra tany amin’i Davida any Keilà, dia nidina izy nitondra ny efôda eo an-tanany.
7
Nisy nilaza tamin’i Saola fa hoe nankany Keilà i Davida, ka hoy i Saola hoe: «Natolotr’Andriamanitra eo an-tanako izy, fa nanao izay mahatafahidy azy izy nankany amin’ny tanàna misy vavahady sy hidiny».
8
Ka nantsoin’i Saola ny olona rehetra hiantafika hidina any Keilà sy hanao fahirano an’i Davida sy ny olony.
9
Fa rehefa fantatr’i Davida kosa fa niomana hanisy ratsy azy i Saola, dia hoy izy tamin’i Abiatara mpisorona: «Ento atỳ ny efôda.»
10
Dia hoy i Davida: «Ry Iaveh Andriamanitr’i Israely ô, nandre ny mpanomponao fa mioman-ko avy atỳ Keilà i Saola mba handrava ny tanàna noho ny amiko.
11
Ka moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanany va aho? Ary moa hidina va i Saola araka ny ren’ny mpanomponao? Ho sitrakao anie ny hanambara izany amin’ny mpanomponao, ry Iaveh Andriamanitr’i Israely!» Dia hoy i Iaveh namaly: «Hidina izy.»
12
Ary hoy i Davida: «Moa hatolotry ny mponina eto Keilà eo an-tanan’i Saola va aho sy ny oloko?» Ka hoy i Iaveh: «Hatolony azy ianao.»
13
Dia niainga i Davida sy ny olony, sahabo ho enin-jato lahy, ka niala tao Keilà, ka dia nandeha nankatsỳ nankarỳ nanao anjoanjo tany. Nony ren’i Saola fa hoe nandositra niala tao Keilà i Davida dia niato tsy nandeha izy.
14
Nonina tany an’efitra i Davida tao amin’ny fitoerana mimanda, dia nitoetra tao amin’ny tendrombohitra amin’ny efitr’i Zifa. Nitady azy isan’andro i Saola, fa tsy natolotr’Andriamanitra teo an-tanany izy.
15
Fantatr’i Davida fa niainga niantafika hanala ny ainy i Saola ary i Davida nitoetra tao amin’ny efitr’i Zifa, any anaty ala.
16
Dia niainga nankany amin’i Davida tany an’ala i Jônatasy zanak’i Saola. Nankahery ny tanany ao amin’Andriamanitra izy ka nanao taminy hoe:
17
«Aza matahotra fa ny tanan’i Saola raiko tsy hahazo anao. Ianao hanjaka amin’i Israely, ary izaho no ho lefitrao manaraka anao, fantatr’i Saola raiko tsara izany».
18
Dia nanao fanekem-pihavanana teo anatrehan’i Iaveh izy roa lahy; ka i Davida nijanona tany an’ala ary i Jônatasy niverina nody any aminy.
19
Ary niakatra nankany amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifianina, ka nilaza hoe: «Miery any aminay i Davida ao amin’ny fitoerana mimanda any an’ala, amin’ny havoan’ny Hakilà, atsimon’ny tany lava volo.
20
Koa araka ny fanirian’ny fanahinao rehetra dia midìna, ry mpanjaka, fa anay ny manolotra azy eo an-tanan’ny mpanjaka».
21
Dia hoy i Saola: «Hotahin’i Iaveh anie ianareo noho izao famindram-ponareo amiko izao.
22
Ary miangavy anareo aho, mandehana tilio tsara indray aloha, fantaro ka zahao avokoa ny toerana alehany sy ny olona nahita azy tao, fa konjolahy anie izy izay, hono!
23
Ka zahao sy fantaro avokoa ny toerana rehetra fiereny, dia miverena atỳ amiko mitondra fanoroana izany mazava, dia handeha miaraka aminareo aho. Fa raha eto amin’ny tany koa iny dia hokarohiko amin’ny arivon’i Jodà rehetra.»
24
Koa dia niainga ireo nankany Zifa hialoha an’i Saola. Fa i Davida sy ny olony izany efa nankany amin’ny efitr’i Maona, amin’ny tany lemaka, atsimon’ny tany lava volo.
25
Ary niainga i Saola sy ny olony hikaroka. Nony nandre izany i Davida dia nidina tao amin’ny haram-bato, ka nitoetra teo an’efitr’i Maona i Davida. Nandre izany i Saola, dia nanenjika an’i Davida tany amin’ny efitr’i Maona.
26
I Saola moa nandeha tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray, i Davida sy ny olony kosa tamin’ny ilan’ny tendrombohitra iray. Niezaka i Davida mba tsy ho tratran’i Saola, ka i Saola sy ny olony kosa nanodidina an’i Davida sy ny olony hisambotra azy ireo.
27
Dia inty nisy iraka anankiray tonga nanatona an’i Saola nanao hoe: «Avia faingana ianao fa mananika ny tany ny Filistinina!» Ka natsahatr’i Saola ny fanenjehana an’i Davida, ka lasa hifanena amin’ny Filistinina izy. Izany no nanaovana io toerana io hoe Sela-Hamaklekôty.
← Chapter 22
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 24 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31