bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 18
1 Samuel 18
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
1
Nony tapitra niteny tamin’i Saola i Davida, dia raiki-pitia tamin’ny fanahin’i Davida ny fanahin’i Jônatasy, ka tia azy toy ny ainy i Jônatasy.
2
Androtr’izay ihany, dia noraisin’i Saola i Davida ka tsy navelany hody any an-tranon-drainy.
3
Ary i Jônatasy nanao fanekem-pihavanana tamin’i Davida, fa tia azy toy ny ainy izy.
4
Ka notsoahan’i Jônatasy nomena an’i Davida ny kapaoty nentiny, toy izany koa ny akanjo fiadiany, mbamin’ny sabany, hatramin’ny tsipîkany sy hatramin’ny fehin-kibony.
5
Raha nivoaka i Davida na aiza na aiza no nanirahan’i Saola azy dia nahomby izy; nataon’i Saola filohan’ny lehilahy mpiady izy, ary nankasitrahin’ny vahoaka rehetra hatramin’ny mpanompon’ny mpanjaka aza.
6
Nony niditra izy ireo, tamin’ny niverenan’i Davida avy namono ilay Filistinina, dia nivoaka avy tamin’ny tanànan’i Israely rehetra ny vehivavy, nihira sy nandihy teo anoloan’i Saola mpanjaka, an-kafaliana, tamin’ny feon’ny ampongatapaka sy ny valiha.
7
Ka nifamaly ny vehivavy, ny mpandihy, nanao hoe: «Arivoarivo no matin’i Saola, Fa alinalina kosa, ny an’i Davida».
8
Tezitra mafy i Saola ary tsy sitrany izany teny izany, ka hoy izy: «Ny an’i Davida nataony alinalina, fa ny ahy kosa nataony arivoarivo, ka ny fanjakana izany no sisa tsy azony».
9
Hatramin’izay andro izay dia ratsy fijery an’i Davida i Saola.
10
Ny ampitson’izay dia nisy fanahy ratsy avy tamin’Andriamanitra latsaka tamin’i Saola, ka nihoalahoala teo afovoan’ny tranony izy. Dia nitendry harpa, araka ny fanaony amin’ny andro hafa i Davida, ary teo an-tanan’i Saola ny lefony.
11
Nampandihizin’i Saola ny lefony; sady nataony hoe: «Hataoko indray migorobaka i Davida sy ny rindrina.» Kanjo indroa i Davida no nihodivitra teo anoloany.
12
Dia natahotra an’i Davida i Saola, satria nomba azy i Iaveh, fa i Saola kosa nialany;
13
ka nataon’i Saola lavitra azy izy, ary natsangany ho mpifehy arivo lahy. Ary nivoaka sy niditra teo anatrehan’ny vahoaka izy.
14
Nampiseho fahakingana tamin’izay rehetra nataony i Davida ary nomba azy i Iaveh.
15
Natahotra azy i Saola nahita ity izy hendry dia hendry;
16
fa i Israely sy i Jodà rehetra kosa tia an’i Davida, noho izy nivoaka sy niditra teo anoloan’izy ireo.
17
Ary hoy i Saola tamin’i Davida: «Indro homeko ho vadinao i Meroba, zanako vavimatoa. Misehoa ho mahery fo anefa ianao ary tohàny ny adin’i Iaveh». Fa i Saola nanao anakam-po hoe: «Aza ny tanako no mamely azy, fa aoka ny tanan’ny Filistinina no hamely azy».
18
Dia namaly an’i Saola i Davida nanao hoe: «Zinona moa aho, zinona ny aiko, ary zinona ny fianakavian’ikaky eo amin’i Israely, no dia ho vinanton’ny mpanjaka aho?»
19
Kanjo nony tonga ny fotoana tokony hanomezana an’i Meroba zanakavavin’i Saola, ho an’i Davida, dia nomena ho vadin’i Hadriela, any Molati, indray kosa izy.
20
Ary i Mikola zanakavavin’i Saola tia an’i Davida; dia nampandrenesiny an’i Saola izany, ka nankasitrahiny.
21
Hoy i Saola anakam-po: «Homeko azy izy, mba ho fandrika ho azy, ka hamelezan’ny tanan’ny Filistinina azy». Dia hoy i Saola tamin’i Davida fanindroany: «Ho tonga vinantoko ianao anio».
22
Ary nomen’i Saola didy ny mpanompony, nataony hoe: «Miresaha mangingina amin’i Davida ataovy hoe: Raiki-pitia anao ny mpanjaka, ary tia anao koa ny mpanompony rehetra, ka aoka ho vinanton’ny mpanjaka ianao amin’izao».
23
Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida mba ho ren’ny sofiny izany teny izany; ka hoy ny navalin’i Davida: «Fa ataonareo ho zavatra kely ve izany ho vinanton’ny mpanjaka é? Izaho dia olo-mahantra sy iva razana».
24
Notaterin’ny mpanompon’i Saola taminy izany, nataony hoe: «Izany no teny nataon’i Davida».
25
Dia hoy i Saola: «Izao no holazainareo amin’i Davida: ‹Tsy mila zavatra akory ho vodiondry ny mpanjaka, fa hodi-tsy miforan’ny Filistinina zato lahy, mba ho voavaly faty ny fahavalon’ny mpanjaka.› » Ny hisamboran’ny tanan’i Filistinina an’i Davida no nampoizin’i Saola tamin’izany.
26
Dia nolazain’ny mpanompon’i Saola tamin’i Davida izany teny izany, ka nakasitrahin’i Davida izany hoe ho tonga vinanton’ny mpanjaka izy.
27
Ary tsy mbola tapitra akory ny fetr’andro, dia nitsangana i Davida ary niainga izy sy ny olony, namono roan-jato lahy tamin’ny Filistinina sy nitondra ny hodi-tsy miforan’izy ireo i Davida; ary nomeny ny mpanjaka araka ny isany marina mba hahatonga azy ho vinantony. Ka dia nomen’i Saola ho vadiny i Mikola zanany vavy.
28
Hitan’i Saola sy fantany tsara, fa omban’i Iaveh i Davida, ary i Mikola zanakavavin’i Saola dia tia an’i Davida.
29
Ka nitombo ny fahatahoran’i Saola an’i Davida ary nitsangan-ko fahavalon’i Davida i Saola isan’andro isan’andro.
30
Tonga nanafika ireo andrian’ny Filistinina, ary isaky ny nivoaka ireny, dia nahomby nandresy azy i Davida noho ny fahakingany mihoatra noho ny mpanompon’i Saola rehetra, ka tonga malaza indrindra ny anarany.
← Chapter 17
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 19 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31