bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 24
1 Samuel 24
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
1
Ary teo i Davida dia niakatra hipetraka tao amin’ny fitoerana mimanda ao Engadi.
2
Nony tafaverina avy nanenjika ny Filistinina i Saola dia nisy tonga nilaza taminy hoe: «Indro i Davida any an’efitr’i Engadi.»
3
Dia naka telo arivo lahy voafantina tamin’i Israely rehetra i Saola ka nandeha nitady an’i Davida sy ny olony, hatrany amin’ny vatolampin’ny osy dia.
4
Tonga tamin’ny valan’ondry izay tao amoron-dalana izy ary nisy zohy tao ka nidiran’i Saola hiavela; nefa i Davida sy ny olony, izany, nipetraka tao amin’ny faravody zohy.
5
Ary hoy ny olon’i Davida taminy: «Inty no andro nolazain’i Iaveh taminao hoe: Indro hatolotro eo an-tananao ny fahavalonao, ka ataovy izay sitrakao.» Dia nitsangana i Davida ka nanapahany antsokosoko ny sisin-kapaotin’i Saola.
6
Nitepotepo mafy ny fon’i Davida taorian’izany, noho ny nanapahany ny sisin-kapaotin’i Saola.
7
Ka hoy izy tamin’ny olony: «Hampanalavirin’i Iaveh ahy anie, ny hanao izany zavatra izany amin’ny tompoko, izay voahosotr’i Iaveh, ka hamely azy amin’ny tanako, satria izy no ilay voahosotr’i Iaveh.»
8
Izany no nisakanan’i Davida ny olony sy tsy namelany azy hiantoraka amin’i Saola. Dia nitsangana i Saola hivoaka ny zohy, ka nanohy ny diany.
9
Izay i Davida vao nitsangana koa sy nivoaka ny zohy ary rafitra niantsoantso an’i Saola nanao hoe: «Ry mpanjaka tompoko ô!» Niherika nijery i Saola, dia niondrika tamin’ny tany i Davida ka niankohoka.
10
Ary hoy i Davida tamin’i Saola hoe: «Nahoana ianao no dia maka ny vavan’olona hoe: ‹Indro fa mitady hanisy ratsy anao i Davida?›
11
Kanefa indro nahita maso ianao androany izay nanoloran’i Iaveh anao teo an-tanako androany tao an-johy, ka ny olona nilaza tamiko mba hamono anao. Nefa namindra fo taminao aho, fa hoy izaho: Tsy haninjitra ny tanako amin’ny tompoko aho, fa voahosotr’i Iaveh izy.
12
Jereo kely ange, ry ikaky, jereo ity sisin-kapaotinao eto an-tanako! Ary raha ny sisin-kapaotinao, notinapako, nefa ny tenanao tsy novonoiko, dia ekeo ary zahao fa ny fitondran-tenako tsy misy ratsy na fikomiana ary tsy nanota taminao aho. Ianao kosa manenjika ny aiko hanala azy amiko!
13
Ka aoka i Iaveh no hitsara ahy sy ianao ary aoka i Iaveh no hamaly anao noho ny amiko, fa ny tanako tsy hamely anao.
14
Ny ratsy fanahy no iavian’ny haratsiam-panahy, hoy ny ohabolana fahagola, koa tsy hamely anao ny tanako.
15
Hanenjika an’iza moa no dia niaingan’ny mpanjakan’i Israely? Iza no enjehinao? Amboa maty ve? parasy ve?
16
Aoka i Iaveh hitsara ahy sy ianao, ary hanapaka ny amintsika. Aoka hitsinjo sy handahatra ho ahy izy, ka hanafaka ahy amin’ny tananao ny didim-pitsaràny.»
17
Nony vitan’i Davida ny filazana izany teny izany tamin’i Saola, dia hoy i Saola: «Feonao tokoa va izany, ry Davida, zanako ô!» Sady nanandra-peo i Saola ary nitomany.
18
Hoy izy tamin’i Davida: «Marina noho izaho ianao, fa soa no nataonao tamiko, nefa ratsy kosa no navaliko anao.
19
Nasehonao ny hatsaram-ponao amiko androany fa nanolotra ahy eo an-tananao i Iaveh, nefa ianao kosa tsy nahafaty ahy.
20
Raha misy olona mifanena amin’ny fahavalony, moa avelany hanohy ny diany soa aman-tsara izy va? Hovalian’i Iaveh soa anie ianao, noho izay nataonao tamiko androany izay.
21
Ary ankehitriny fantatro fa ho mpanjaka ianao, ary ho tafatoetra eo an-tananao ny fanjakan’i Israely.
22
Koa mianiàna amiko, amin’i Iaveh, fa tsy handringana ny fara aman-dimbiko any aoriako ianao, ary tsy hamono ny anarako eo amin’ny taranaky ny raiko.»
23
Dia nianiana izany tamin’i Saola i Davida. Ary i Saola lasa nody any an-tranony, ary i Davida sy ny olony nankany amin’ny toerana mimanda.
← Chapter 23
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 25 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31