bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 26
1 Samuel 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
1
Tonga tao amin’i Saola tany Gabaà, ny Zifeanina, ka nilaza hoe: «Miery any amin’ny havoan’i Hakilà ao atsinanan’ny tany lava volo i Davida».
2
Dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa, mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely, hitady an’i Davida, any an’efitr’i Zifa.
3
Nitoby teo amin’ny havoan’i Hakilà i Saola ao atsinanan’ny tany lava volo, eo amoron-dalana, ary i Davida nitoetra tany an’efitra. Nony tazany fa tamy hitady azy any an’efitra i Saola,
4
dia naniraka mpitsikilo i Davida ka nahalala fa tonga tokoa i Saola.
5
Dia niainga i Davida ka tonga teo amin’ny toerana nitobian’i Saola. Hitan’i Davida ny toerana nandrian’i Saola sy i Abnera zanak’i Nera lehiben’ny miaramilany; tao afovoan’ny toby i Saola no nandry ary nitoby nanodidina azy ny vahoaka.
6
Koa niteny tamin’i Akimeleka Heteanina sy tamin’i Abisaï zanak’i Sarvià sy rahalahin’i Jôaba, i Davida ka nanao hoe: «Iza no manaiky hiara-midina amiko, ho any an-toby, ho any amin’i Saola?» Dia hoy i Abisaï namaly azy: «Izaho no hiara-midina aminao.»
7
Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany; I Abnera sy ny vahoaka nandry manodidina azy.
8
Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: «Voahidin’i Iaveh eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany».
9
Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: «Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh, ka afa-maina tsy ho voasazy?»
10
Ary hoy i Davida: «Marina fa velona i Iaveh, koa dia i Iaveh ihany no hamely azy, na ho tapitra andro izy ka maty, na hirotsaka amin’ny ady izy ka maty;
11
fa aoka harovan’i Iaveh tsy haninji-tanana amin’ny voahosotr’i Iaveh aho! Koa ankehitriny ny lefona eo anilan’ny ondany sy ny siny fitoeran-drano no alao, dia ndao isika handeha».
12
Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’i Iaveh torimaso nandrenoka azy izy ireo.
13
Niampita teny an-dafy i Davida, ka nijanona lavitra teo an-tampon’ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta.
14
Ary i Davida niantso ny vahoaka sy i Abnera zanak’i Nera nanao hoe: «Tsy hamaly va ianao, ry Abnera?» Dia hoy i Abnera namaly: «Zovy moa ianao, miantso atỳ amin’ny mpanjaka?»
15
Ary hoy i Davida tamin’i Abnera: «Tsy lehilahy va ianao? Ary iza no toa anao amin’i Israely? Koa nahoana ianao no tsy niambina ny mpanjaka tomponao? Fa nisy anankiray tamin’ny vahoaka tonga teny hamono ny mpanjaka tomponao.
16
Tsy mety mihitsy izany nataonao izany. Fa marina tokoa fa velona i Iaveh, koa dia ny maty no tandrify anao, satria ianareo tsy niambina ny tomponareo, ilay voahosotr’i Iaveh. Jereo ange izao: nankaiza àry ny lefon’ny mpanjaka, sy ny siny fitoeran-drano, teo anilan’ny ondany?»
17
Fantatr’i Saola ny feon’i Davida, ka hoy izy: «Feonao va izany, ry Davida zanako ô!» Dia hoy i Davida namaly: «Feoko tokoa, ry mpanjaka tompoko!»
18
Sady nampiany hoe: «Nahoana ny tompoko no manenjika ity mpanompony? Fa nanao inona aho? Inona no ratsy nataon’ny tanako?
19
Ho sitraky ny mpanjaka tompoko anie ankehitriny ny hihaino ny tenin’ny mpanompony: Raha i Iaveh no nanesika anao hamely ahy, aoka hankasitrahiny ny hanitry ny fanatitra anankiray; fa raha olombelona kosa, aoka ho voaozona eo anatrehan’i Iaveh izy, satria efa nandroaka ahy izy izao, mba hanesotra amiko ny anjara-toerako amin’ny lovan’i Iaveh, nanao hoe: Mandehana manompo andriamani-kafa.
20
Koa ankehitriny, aoka ny rako tsy ho latsaka amin’ny tany lavitra ny tavan’i Iaveh! Fa ny mpanjakan’i Israely ity no niainga hitady izay parasy anankiray, mova tsy ny manenjika tsipoy eny an-tendrombohitra!»
21
Dia hoy i Saola: «Nanota aho, miverena re, ry Davida zanako, fa tsy hanisy ratsy anao intsony aho, satria sarobidy teo imasonao ny aiko androany. Nanao toy ny adala aho, ka nahavita ratsy lehibe».
22
Namaly i Davida hoe: «Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy etỳ.
23
Samy hovalian’i Iaveh araka ny fahitsiany amam-pahamarinany avy; fa efa natolotr’i Iaveh teo an-tanako ianao androany, nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotr’i Iaveh aho.
24
Ary indro fa toy ny nahasarobidy ny ainao teo imasoko androany, no mba hahasarobidy ny aiko eo imason’i Iaveh koa, ka hanafahany ahy amin’ny tebiteby rehetra».
25
Dia hoy i Saola tamin’i Davida: «Hambinina anie ianao, ry Davida zanako. Marina fa ho vanona tsara ny raharaha iandraiketanao». Dia nanohy ny diany i Davida; ary i Saola nody any aminy.
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31