bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 3
1 Samuel 3
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
1
Nanao ny fanompoana tamin’i Iaveh teo anatrehan’i Helì, i Samoela kely. Nahàlana ny tenin’i Iaveh tamin’izany andro izany, ary vitsy ny fahitana.
2
Tamin’izany andro izany nony nandry i Helì teo amin’ny fitoerany, ary efa nanomboka ho pahina ny masony, ka tsy nahita intsony izy,
3
ny jiron’Andriamanitra mbola tsy maty, ary i Samoela nandry teo an-tempolin’i Iaveh izay nisy ny fiaran’Andriamanitra;
4
dia nantsoin’i Iaveh i Samoela ka namaly hoe: «Inty aho!»
5
Sady lasa izy nihazakazaka nankany amin’i Helì, nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Ary hoy i Helì: «Tsy niantso aho, fa miverena mandry.» Dia lasa izy nandry.
6
Nantsoin’i Iaveh indray i Samoela dia nankany amin’i Helì, nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Namaly i Helì: «Tsy niantso aho, anaka, fa miverena mandry.»
7
Tsy mbola nahalala an’i Iaveh i Samoela, satria tsy mbola nanehoana ny tenin’i Iaveh izy.
8
Ary nantsoin’i Iaveh fanintelony indray i Samoela ka niarina, dia nankany amin’i Helì,
9
nanao hoe: «Inty aho, fa niantso ahy ianao.» Fantatr’i Helì tamin’izay fa i Iaveh no niantso ny zaza, ka hoy i Helì tamin’i Samoela: «Mandehana mandry, fa raha misy miantso anao, valio hoe: Mitenena ry Iaveh ô, fa mihaino ny mpanomponao.» Dia lasa i Samoela nandry tany amin’ny fitoerany.
10
Ary tonga i Iaveh ka nitsangana tao, dia niantso toy ny taloha: «Ry Samoela ô! ry Samoela ô!» Dia namaly i Samoela: «Mitenena fa mihaino ny mpanomponao.»
11
Ary hoy i Iaveh tamin’i Samoela: Indro Aho hanao zavatra eo amin’i Israely; ka tsy hisy handre izany ka tsy hangintsingintsina ny sofiny roa.
12
Hotanterahiko amin’i Helì amin’izany andro izany izay rehetra voalazako ny amin’ny tranony; hanomboka Aho ary hanapitra koa.
13
Voalazako taminy fa handeha hanao fitsarana ny tranony Aho ho amin’ny mandrakizay, noho ny heloka izay fantany, sy ny nivarinan’ny zanany ho ratsy, nefa tsy nosakanany.
14
Izany no nianianako tamin’ny tranon’i Helì fa tsy ho azo honeran’ny sorona na ny fanatitra ny heloky ny tranon’i Helì.
15
Dia mbola nandry mandra-paharainan’ny andro i Samoela vao namoha ny varavaran’ny tranon’i Iaveh. Ary natahotra i Samoela ny hilaza ny fahitany tamin’i Helì.
16
Fa nantsoin’i Helì kosa i Samoela nataony hoe: «Ry Samoela zanako ô!» ka namaly hoe: «Inty aho.»
17
Ary hoy i Helì: «Inona no teny voalaza taminao? Masìna ianao, aza anafenana amiko. Hoentin’i Iaveh amin’izay sarotra indrindra anie ianao, raha misy afeninao amiko izay rehetra nolazainy taminao.»
18
Dia nambaran’i Samoela taminy avokoa ny zavatra rehetra, fa tsy misy nafeniny na dia kely aza. Ka hoy i Helì: «Iaveh Izy ka aoka hataony izay fantany ho mety.»
19
Dia nitombo ho lehibe i Samoela sady nomba azy i Iaveh ary tsy navelany ho raraka an-tany ny teniny.
20
Fantatr’i Israely rehetra hatrany Dana ka hatrany Bersabea fa tena mpaminanin’i Iaveh marina tokoa i Samoela.
21
Ary i Iaveh nanohy ny fisehoany tao Silao, fa niseho tamin’i Samoela tao Silao i Iaveh, tamin’ny tenin’i Iaveh.
← Chapter 2
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 4 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31