bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 28
1 Samuel 28
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
1
Tamin’izany andro izany nangonin’ny Filistinina ho tafika iray ihany ny antoko-miaramilany rehetra hiady amin’i Israely. Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Fantaro fa ho avy miaraka amiko any an-toby ianao sy ny olonao».
2
Ary hoy ny navalin’i Davida tamin’i Akisa: «Koa ho hitanao ny hafitsoky ny mpanomponao». Ka hoy i Akisa tamin’i Davida: «Ary izaho kosa hanangana anao ho mpiambina ny tenako mandrakizay».
3
Efa maty i Samoela ka nitomanian’i Israely rehetra ary naleviny tany Ramà tao amin’ny tanànany. Ary efa noroahin’i Saola hiala amin’ny tany ny olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy.
4
Nony tafangona ny Filistinina dia tonga nitoby tao Sonama; ary i Israely rehetra novorin’i Saola ka nitoby tao Jelbôe.
5
Raiki-tahotra sy nivadi-po mafy i Saola, nony nahita ity tobin’ny Filistinina.
6
Nanontany an’i Iaveh i Saola, nefa tsy namaly azy i Iaveh, na tamin’ny nofy, na tamin’ny Orima, na tamin’ny mpaminany.
7
Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony; «Izahao vehivavy mpamoha angatra aho dia handeha hanatona azy sy hanontany azy aho». Ka hoy ny mpanompony taminy: «Any Endôra misy vehivavy mpamoha angatra».
8
Dia nanova tarehy sy nitafy fitafiana hafa i Saola, ka niainga narahin’olona roa lahy. Alina no tonga tany amin’ilay vehivavy izy ireo ka hoy i Saola taminy: «Lazao amiko mialoha izay ho avy, amin’ny fiantsoana ny maty anankiray, ary asaovy miakatra mankatỳ amiko izay hotononiko aminao».
9
Fa namaly azy ravehivavy: «Indro fa fantatrao ihany ny nataon’i Saola, dia ny nandroahany hiala amin’ny tany izay olona mpamoha angatra sy mpanao sikidy, ka nahoana ianao no dia mamela-pandrika hahafaty ny aiko?»
10
Nianiana taminy, tamin’i Iaveh, i Saola nanao hoe: «Marina fa velona i Iaveh. Koa tsy hampidi-doza aminao akory izao zavatra izao».
11
Dia hoy ravehivavy: «Iza àry no asaiko miakatra mankatỳ aminao?» Ka hoy ny navaliny: «I Samoela no asaovy miakatra mankatỳ amiko».
12
Vao nahita an’i Samoela ravehivavy dia nidradradradra mafy, ary hoy ravehivavy tamin’i Saola hoe: «Ahoana no namitahanao ahy? Ianao no Saola».
13
Ary hoy ny mpanjaka taminy: «Aza matahotra; fa inona no hitanao?» Dia hoy ravehivavy tamin’i Saola: «Andriamanitra miakatra avy amin’ny tany no hitako.»
14
Ka hoy izy taminy: «Manao ahoana ny endriny?» Ary hoy ny navaliny: «anti-dahy io miakatra io, ary mihodidina amin’ny kapaoty izy.» Fantatr’i Saola fa i Samoela izay, ka tafaondrika tamin’ny tany terỳ izy, dia niankohoka.
15
Ary hoy i Samoela tamin’i Saola: «Ahoana no manabataba ahy ianao amin’ny fampiakarana ahy?» Dia namaly i Saola nanao hoe: «Poritra loatra aho: ny Filistinina miady amiko, ary Andriamanitra nihataka tamiko, fa tsy namaly ahy Izy, na tamin’ny mpaminany, na tamin’ny nofy. Niantso anao aho, mba hampahalala ahy izay tsy maintsy ataoko.»
16
Ary hoy i Samoela: «Ahoana no anontanianao ahy, nefa i Iaveh efa nihataka taminao, sy efa tonga fahavalonao?
17
Nataon’i Iaveh izao araka izay efa nolazainy rahateo tamin’ny alalako; efa notsoahan’i Iaveh teo am-pelatananao ny fanjakana, ka nomeny ny namanao, dia i Davida.
18
Satria tsy nihaino ny feon’i Iaveh ianao, fa tsy nanao tamin’i Amaleka araka ny firehitry ny hatezerany; ka izany no nanaovan’i Iaveh toy izao taminao androany.
19
Mainka hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina aza i Israely sy ianao. Rahampitso ianao sy ny zanakao dia ho any amiko, ary ny tobin’i Israely hatolotr’i Iaveh eo an-tanan’ny Filistinina.»
20
Dia lavo nitsingidina tamin’ny tany, niaraka tamin’izay, i Saola; fa ny tenin’i Samoela nahatsiravina azy indrindra; ny heriny koa efa tsy nisy intsony, satria tsy nanendry hanina izy, indray andro sy indray alina maninjitra.
21
Nankeo amin’i Saola ilay vehivavy, ka nahita azy very hevitra efa izay tsizy, ka dia nanao taminy hoe: «Efa nihaino ny feonao ny ankizivavinao ary nanao vy very ny aiko aho, tamin’ny nanekeko ny teny nolazainao tamiko.
22
Koa ankehitriny, mba henoy kosa ny tenin’ny ankizivavinao: aoka mba horosoako sombi-mofo kely ianao; mihinàna amin’izany hahazoanao tanjaka ho eny amin’ny dia hotohizanao.»
23
Tsy nety anefa izy, fa hoy izy: «Tsy hihinana aho.» Nanery azy teo niaraka tamin-dravehivavy ireto mpanompony, dia nanaiky ny fiambezoan’izy ireo ihany izy. Nitsangana avy eo amin’ny tany, dia nipetraka tamin’ny saofà izy.
24
Nanan-janak’omby matavy tao aminy ravehivavy, ka novonoiny faingana izay, dia naka lafarina izy, nandity azy, ka nandotra azy ho mofo tsy misy lalivay.
25
Ary narosony teo anoloan’i Saola sy teo anoloan’ny mpanompony ireo, ka dia nihinana izy ireo. Izay vao nitsangana izy ireo, ka lasa iny alina iny ihany.
← Chapter 27
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 29 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31