bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 13
1 Samuel 13
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
1
Ny taonan’i Saola nony tonga mpanjaka izy dia..., ary roa taona no nanjakany tamin’i Israely.
2
Telo arivo lahy no nofantenan’i Saola tamin’i Israely homba azy; ny roa arivo nitoetra tao aminy tao Makmasy sy tany amin’ny tendrombohitr’i Betela ary ny arivo teo amin’i Jônatasy tany Gabaàn’i Benjamina, fa ny vahoaka sisa, samy nampodiny ho any an-dainy avy.
3
Namely ny miaramilan’ny Filistinina izay tao Gabea i Jônatasy ka ren’ny Filistinina izany. Ary nampitsoka ny trômpetra tany amin’ny tany rehetra i Saola ka nanao hoe: «Aoka handre ny Hebrio».
4
Dia ren’i Israely rehetra ny vaovao: Namely ny miaramilan’ny Filistinina i Saola, ary tonga mahadikidiky ny Filistinina aza i Israely. Ary nantsoina ho any amin’i Saola any Galgalà ny vahoaka.
5
Dia nivory hiady amin’i Israely ny Filistinina: telo alina ny kalesiny, enina arivo ny olona an-tsoavaly, ary ny vahoaka tsy hita isa hoatra ny fasika eny amoron-dranomasina. Tonga nitoby teo Makmasy atsinanan’i Bety Avena izy.
6
Nony hitan’ny lehilahy amin’i Israely fa poritra mafy izy, satria voatery mafy indrindra, dia lasa izy niery tany an-johy, tany anaty ala kely, tany amin’ny haram-bato, tany an-davaka ary tany an-davaka famorian-drano.
7
Nisy Hebrio sasany koa nita an’i Jordany ho any amin’ny tany Gada sy Galaada. I Saola izany dia mbola tany Galgalà ary tera-kovitra avokoa ny vahoaka nanaraka azy.
8
Niandry hafitoana izy, araka ny fotoana noferan’i Samoela. Nefa tsy tonga tany Galgalà i Samoela, ka nihahaka lavitra an’i Saola ny vahoaka.
9
Hoy i Saola tamin’izay: «Ento atỳ amiko ny sorona dorana sy ny fanati-pihavanana». Dia nanatitra ny sorona dorana izy.
10
Nony avy nanatitra ny sorona dorana izy, dia indro tonga i Samoela, ka nivoaka hitsena azy i Saola mba hiarahaba azy.
11
Ary hoy i Samoela: «Fa inona ity nataonao?» Dia hoy i Saola: «Nony hitako fa nihahaka lavitra ahy ny vahoaka, ianao tsy tonga tamin’ny fotoana voafetra ary ny Filistinina efa tafavory tany Makmasy
12
dia niteny anankampo aho: Hidina hamely ahy atỳ Galgalà ity ny Filistinina, nefa aho mbola tsy nanao fifonana tamin’i Iaveh akory. Koa na dia tsy tiako velively aza, dia voatery nanatitra ny sorona dorana aho.»
13
Hoy i Samoela tamin’i Saola: «Fanaon’ny adala ny anao tamin’izany, fa tsy nitandrina ny didy nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao. Fa ho nampaharetin’i Iaveh mandrakizay ny fanjakanao amin’i Israely.
14
Fa ankehitriny tsy haharitra ny fanjakanao. Fa efa nitady lehilahy araka ny fony i Iaveh, ary i Iaveh efa nanendry azy ho mpanjakan’ny olony; satria ianao tsy nitandrina izay nandidian’i Iaveh anao.»
15
Dia niainga i Samoela niakatra avy any Galgalà ho any Gabaàn’i Benjamina. Ary i Saola nampanao matso ny olona teo aminy; sahabo ho enin-jato lahy ny isany.
16
I Saola sy i Jônatasy zanany mbamin’ny vahoaka momba azy, nitoby tao Gabaàn’i Benjamina, ary ny Filistinina kosa nitoby tao Makmasy.
17
Ny tafi-pandringanana nivoaka avy teo an-tobin’ny Filistinina ka nizara telo toko: ny toko iray nihazo ny lalana mankany Efrà ho any amin’ny tany Soala,
18
ny toko iray nihazo ny lalana mankany Bety-Hôrôna; ary ny toko fahatelo, ny lalana mankany amin’ny faritany eo ambonin’ny lohasaha Seboima amin’ny ilan’ny efitra.
19
Tsy nisy mpanefy teo amin’ny tanin’i Israely rehetra, fa nataon’i Filistinina hoe: «Aoka ny Hebrio tsy hahazo manefy sabatra na lefona intsony.»
20
Ka samy nidina nankany amin’ny Filistinina i Israely rehetra hanasa ny angadiny, ny angady mibaka roa, ny famaky, ny angadin’omby;
21
hany ka dombo matetika ny lela angady, ny angady mibaka roa, ny angady telo rantsana sy ny famaky, ary tsy voahitsy indray ny fanindronana omby.
22
Koa noho izany dia indro fa tamin’ny andro hiadiana dia tsy nisy lefona na sabatra teo an-tanan’ny vahoaka rehetra nomba an’i Saola sy i Jônatasy, fa teo an-tanan’i Saola sy i Jônatasy zanany ihany no nisy.
23
Ny andian’ny miaramilan’ny Filistinina anankiray nankao amin’ny hadilalan’i Makmasy.
← Chapter 12
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 14 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31