bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
1 Samuel 9
1 Samuel 9
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
1
Nisy lehilahy anankiray avy amin’i Benjamina atao hoe Kisy, zanak’i Abiela, zanak’i Serôra, zanak’i Bekôrata, zanak’i Afià, zanaky ny Benjaminita anankiray; lehilahy mahery fo izy io.
2
Nanan-janaka lahy anankiray atao hoe Saola izy, izay sady mbola tanora no tsara tarehy; tsy nisy tsara tarehy noho izy teo amin’ny zanak’i Israely rehetra, ary nanan-tombo ny lohany izy amin’ny halavany noho ny olona rehetra.
3
Ary nania ny ampondra vavin’i Kisy, rain’i Saola, ka hoy i Kisy tamin’i Saola zanany: «Mangalà mpanompo anankiray hiaraka aminao dia mandehana mitady ny ampondra».
4
Dia namaky ny tendrombohitr’i Efraima, ary namaky ny tany Salisa izy, nefa tsy nahita; novakiny koa ny tany Salima, fa tsy tany izy; namaky ny tanin’i Benjamina izy, fa tsy nahita.
5
Nony tonga teo amin’ny tanin’i Sofa izy ireo, dia hoy i Saola tamin’ity mpanompony nanaraka azy: «Handeha isika hiverina, fandrao dia isika indray no ahin’i dada, fa ny ampondra tsy hoheveriny intsony».
6
Ka hoy ilay mpanompo taminy: «Indro misy olon’Andriamanitra amin’itsy tanàna itsy, lehilahy hajaina tokoa izy; izay lazainy tanteraka avokoa. Ka andeha isika ho ao, fa angamba holazainy amintsika ny lalana tsy maintsy hombantsika».
7
Ary hoy i Saola tamin’ny mpanompony: «Raha hankao isika, dia inona no hatolotsika ho an-dralehilahy? Lany ity ny vatsy tamin’ny lasàkantsika, ka tsy manan-javatra hatolotra ho an’ny olon’Andriamanitra isika. Fa manana inona isika?»
8
Dia namaly indray ilay mpanompo ka hoy izy tamin’i Saola: «Inty eto nahita vola ampahefatry ny sikla aho tatỳ amiko, ka homeko ilay olon’Andriamanitra ity, dia hatorony antsika izay lalan-kalehantsika».
9
Teo amin’i Israely fahiny ny olona mandeha hanontany amin’Andriamanitra dia nifampilaza hoe: «Handeha isika ho any amin’ny mpahita». Fa mpahita no fiantson’ny taloha ny atao ankehitriny hoe mpaminany.
10
Dia hoy i Saola tamin’ny mpanompony: «Tsara ny hevitra ka andao ary». Ka dia lasa izy ireo nankany amin’ny tanàna nisy ilay olon’Andriamanitra.
11
Niakatra ny fiakarana mankao an-tanàna izy ireo, no nifanena tamin’ireto zazavavy nivoaka hantsaka rano, ka nanao tamin’ireo hoe: «Ao ihany va ny mpahita?»
12
Dia hoy iretsy zazavavy namaly azy: «Ao ihany izy, indro izy ao alohanareo ao, fa mandehana faingana satria izy no tonga atỳ an-tanàna anio, dia misy sorona haterin’ny vahoaka anio eo amin’ny fitoerana avo.
13
Raha vao miditra ao an-tanàna ianareo, dia hahita azy, alohan’ny hiakarany eo amin’ny fitoerana avo hisakafoany, fa tsy hihinana ny vahoaka raha tsy efa tonga izy, satria tsy maintsy mitso-drano ny sorona izy aloha, izay vao mihinana, izay nasaina. Ka miakara izao fa mahita azy ianareo anio».
14
Dia niakatra tao an-tanàna izy. Efa tafiditra teo afovoan’ny tanàna izy, dia inty i Samoela nivoaka nitsena azy, dia ndeha ho eo amin’ny fitoerana avo.
15
Ary omalin’ny nahatongavan’i Saola, dia efa nanambara tamin’i Samoela i Iaveh nanao hoe:
16
«Rahampitso toy izao dia hirahiko atỳ aminao ny lehilahy iray avy amin’ny tanin’i Benjamina, ary hohosoranao izy ho mpanjakan’i Israely oloko, ary hanafaka ny oloko amin’ny tanan’ny Filistinina izy, satria efa nijery ny oloko Aho, fa efa mby atỳ amiko ny fitarainany.»
17
Ka vao nahita an’i Saola i Samoela dia hoy i Iaveh taminy: «Io no lehilahy voalazako taminao, izy no hanjaka amin’ny oloko».
18
Nanatona an’i Samoela tao am-pamatonan’ny vavahady i Saola nanao hoe: «Aza mahafady, mba atoroy ahy kely ny tranon’ny mpahita».
19
Dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Izaho no ilay mpahita, miakara eo alohako ho any amin’ny fitoerana avo, fa hiara-mihinana amiko ianareo anio; rahampitso vao halefako handeha ianareo, ary holazaiko aminao izay rehetra ao am-ponao.
20
Ary aza manana eritreritra ny amin’ireo ampondranao izay verinao efa hateloana izay, fa efa hita ireny. Sady ho an’iza koa moa ny zava-tsoa rehetra ao amin’i Israely? Moa tsy ho anao sy ny ankohonan-drainao rehetra va izany?»
21
Ka hoy ny navalin’i Saola: «Moa tsy Benjaminita aho, amin’ny kely indrindra amin’ny fokon’i Israely? Ary amin’ny fokon’i Benjamina moa tsy dia ny fianakaviako va no kely indrindra! Ka ahoana ange no nilazanao teny toy izany amiko?»
22
Fa nentin’i Samoela, i Saola sy ny mpanompony ka nampidiriny tao amin’ny efitrano, sy nomeny ny toerana voalohany teo amin’ireo nasaina, izay lehilahy tokony ho telopolo.
23
Ary hoy i Samoela tamin’ny mpanao nahandro: «Arosoy ilay anjara napetrako taminao sady nilazako hoe: avaho hotahirizina.»
24
Dia nalain’ny mpanao nahandro ny soro-kena mbamin’ny momba azy, ka narosony teo anoloan’i Saola. Ary hoy i Samoela: «Indro ny anjara voaavako, raiso ho eo anoloanao io ary hano, fa hatramin’ny nanasako ny olona no nitahirizana azy ho amin’ity fotoana ity.» Dia niara-nihinana tamin’i Samoela i Saola tamin’izay andro izay.
25
Nidina avy eo amin’ny fitoerana avo izy ka nankao an-tanàna, ary niresaka tamin’i Saola tao ambony tafon-trano i Samoela.
26
Nifoha vao maraina koa izy ireo ary nony nazava atsinanana, dia nantsoin’i Samoela ho ao ambony tafo i Saola nataony hoe: «Mitsangàna fa halefako ianao». Dia nitsangana i Saola, ka niara-nivoaka izy roa lahy, dia izy sy i Samoela.
27
Nony tafidina any amin’ny faran’ny tanàna izy ireo, dia hoy i Samoela tamin’i Saola: «Asaovy mialoha antsika ny mpanomponao». Dia nialoha ilay mpanompo. «Ary mijanòna ianao izao hampandrenesako anao izay nambaran’Andriamanitra».
← Chapter 8
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 10 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31