bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 12
Deuteronomy 12
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 13 →
1
«Izao no lalàna amam-pitsipika izay tsy maintsy arahinareo tsara any amin’ny tany izay efa nianianan’i Iaveh Andriamanitry ny razanareo homena ho fanananareo amin’ny andro rehetra hiainanareo amin’izany tany izany.»
2
Ravao hatrany am-potony ny fitoerana rehetra nanompoan’ireo firenena horoahinareo ny andriamaniny any an-tendrombohitra sy eny amin’ny havoana ary eny ambanin’ny hazo maitso rehetra eny.
3
Aongàny ny ôtely, montsàny ny vato voatsangany, doroy amin’ny afo ny aserîmany; poteho ny sarin’andriamaniny voasokitra, ary foany eo amin’izany fitoerana izany hatramin’ny anarany aza.
4
Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrareo;
5
fa tadiavo Izy, amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo eo amin’ny fokonareo rehetra, mba hametrahany ny Anarany sy hataony fonenany, ka ao amin’io no halehanao.
6
Ao no hanateranareo ny soronareo dorana, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo ary ny voatokan’ny tananareo, ny fanalam-boadinareo, ny fanatitra an-tsitraponareo, ary ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinareo.
7
Ao no hanaovanareo sakafo eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, sy hifalianareo, ianareo sy ny fianakavianareo, noho ny harena rehetra harin-tananareo sy izay nitahian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
8
Aza manao toy izao ataontsika ankehitriny izao, dia izao samy manaraka ny saim-pantany izao;
9
fa izao ianareo tsy mbola tonga amin’ny fitsaharana aman-dova omen’i Iaveh Andriamanitrareo anareo.
10
Fa hita an’i Jordany ianareo, ka honina any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrareo ho lovanareo, dia homeny fitsaharana ianareo, tsy hohelingelenin’ny fahavalo manodidina anareo, ka handry fahizay.
11
Amin’izay fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrareo hamponenany ny Anarany no hanateranareo ny zavatra rehetra andidiako anareo, dia ny sorona doranareo, ny soronareo, ny fahafolon-karenareo, ny voatokan’ny tananareo, ary ny fanatitra rehetra voafantina hanalanareo ny voadinareo izay nataonareo tamin’i Iaveh.
12
Dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo sy ny zanakareo lahy mbamin’ny zanakareo vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinareo, mbamin’ny Levita izay anatin’ny vavahadinareo, satria tsy mba niara-nandray anjara na lova taminareo izy.
13
Mitandrema mba tsy hanatitra ny sorona doranao amin’izay fitoerana rehetra hitanao;
14
fa izay fitoerana izay hofidin’i Iaveh amin’ny fokonao anankiray ihany no hanateranao azy, sy hanaovanao izay rehetra andidiako anao.
15
Ny mamono zavatra sy mihinana ny henany anefa, dia azonao atao araka izay tianao any anatin’ny vavahadinao rehetra any, araka ny fanambinana homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka samy mahazo mihinana amin’izany ny olona, na ny madio na ny maloto, toy ny fihinana gazela sy serfa;
16
ny rany tokana no aza hanina, fa araraho amin’ny tany toy ny rano.
17
Tsy azonao hanina ao anaty vavahadinao ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao ary ny diloilonao, ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, ny fanolorana rehetra nanaovanao voady, ny fanatitra an-tsitraponao, ny voatokan’ny tananao;
18
fa eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fitoerana voafidin’i Iaveh Andriamanitrao no hihinananao azy, dia ianao sy ny zanakao lahy mbamin’ny zanakao vavy, ary ny ankizy lahy aman’ankizy vavinao, mbamin’ny Levita ao anatin’ny vavahadinao, dia hifaly eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’ny fizakana ny harena rehetra harin-tananao.
19
Mitandrema tsy hanary ny Levita mandritra ny andro rehetra hahavelomanao ao amin’ny taninao.
20
Rehefa nitarihan’i Iaveh araka ny nampanantenainy anao ny faritry ny taninao, ka hoy ianao: te-hihinan-kena aho, fa mahatsiaro liana te-hihinan-kena ny fanahinao, dia mahazo mihinan-kena isaky ny maniry izany ianao.
21
Raha lavitra anao ny fitoerana nofidin’i Iaveh Andriamanitrao, hametrahana ny Anarany, azonao amonoana ny omby sy ny ondrinao izay nomen’i Iaveh anao, araka ny efa nandidiako anao; ary hihinana izany eo anatin’ny vavahadinao isaky ny maniry izany ianao.
22
Toy ny fihinanana gazela sy serfa no hihinananao azy, ka na ny olona madio na ny olona maloto dia samy mahazo mihinana azy.
23
Fa ataovy raikitra ny tsy fihinanana ny ra, satria ny ra no aina, ka tsy mahazo mihinana ny aina miaraka amin’ny hena ianao.
24
Aza mihinana izany, fa araraho amin’ny tany toy ny rano izy.
25
Aza mihinana izany mba ho sambatra ianao, ianao sy ny zanakao mandimby anao amin’ny fanarahana izay mahitsy eo imason’i Iaveh.
26
Fa ny fanatitra masina andidiana anao mbamin’izay nanaovanao voady, dia aloavy ary mankanesa amin’izay fitoerana nofidin’i Iaveh,
27
dia atero eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ny soronao dorana, ny nofony sy ny rany; ary amin’ny sorona hafa, ny ra dia haidina eo ambonin’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, fa ny nofony dia hohaninao.
28
Tovy sy henoy izao zavatra rehetra andidiako anao izao, mba ho sambatra mandrakizay ianao, dia ianao sy ny zanakao manaraka anao, amin’ny fanatanterahana izay tsara sy mahitsy eo imason’i Iaveh.
29
Rehefa ho voaringan’i Iaveh Andriamanitrao ny firenena amin’izay tany halehanao mba handroaka azy eo anoloanao, ka efa voatosikao izy, ka ianao no honina amin’ny taniny:
30
dia mitandrema fandrao voafandrika ianao maka tahaka azy, rehefa voaringana teo anoloanao ireny; aza mikarokaroka ny andriamanitr’izy ireo ianao, manao hoe: Nanao ahoana no nanompoan’ireo firenena ireo ny andriamaniny? Fa mba te hanao toy izany koa aho.
31
Aza manao toy izany amin’i Iaveh Andriamanitrao; fa ny fahavetavetana rehetra halan’i Iaveh no nataon’izy ireo tamin’ny andriamaniny, ary afoiny ho dorona aza ny zanany lahy sy ny zanany vavy ho fanajana ny andriamaniny.
32
Tovy sy araho izay rehetra andidiako anareo, fa aza ampiana, aza anesorana.
← Chapter 11
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 13 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→