bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 30
Deuteronomy 30
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 31 →
1
Rehefa tonga izay hiharan’izao zavatra rehetra izao aminao dia ny tso-drano sy ny ozona izay nataoko teo anoloanao ary hataonao ho zavatra tokoa indray izany any amin’ny firenena handroahan’i Iaveh Andriamanitrao anao,
2
ka miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao sy mihaino ny feony amin’ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ianao sy ny taranakao, araka izao andidiako anao anio izao,
3
i Iaveh Andriamanitrao kosa hampody izay babo aminao sy hamindra fo aminao. Hangoniny avy amin’ny firenena nanelezan’i Iaveh anao indray ianao.
4
Na dia efa any amin’ny fara vodilanitra aza ny voasesitany aminao, dia avy any no hanangonan’i Iaveh Andriamanitrao anao, any no hangalany anao.
5
Ary haverin’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny tany efa nananan’ny razanao, ka hanana izany ianao. Hanisy soa anao Izy ary hahamaro anao mihoatra noho ny razanao.
6
Hoforàn’i Iaveh Andriamanitrao ny fonao sy ny fon’ny taranakao, hitiavanao an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra mba ho velona ianao.
7
Ary hazeran’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fahavalonao, izay nankahala sy nanenjika anao, ireny fanozonana rehetra ireny.
8
Ka dia hihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao indray ianao, sy hanaraka izao didy rehetra andidiako anao anio izao,
9
ka hanototra soa anao i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny asan-tananao, ny naloaky ny kibonao, ny teraky ny biby fiompinao ary ny vokatry ny taninao, fa hifaly aminao indray i Iaveh manisy soa anao, toy ny nifaliany tamin’ny razanao,
10
raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka mitandrina ny didy aman-dalàna voasoratra amin’ity bokin’ny lalàna ity, raha miverina amin’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra, sy amin’ny fanahinao rehetra.
11
Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambiny ho anao na ivelan’ny takatrao.
12
Tsy any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika mba hanarahantsika izany?
13
Tsy any an-dafin’ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe: Iza no hampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy?
14
Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy.
15
Indro, nataoko eo anoloanao androany ny fiainana sy ny tsara, ny fahafatesana sy ny ratsy,
16
tamin’ny nandidiako anao androany ho tia an’i Iaveh Andriamanitrao sy handeha amin’ny lalany, ary hitandrina ny didy aman-dalàny mbamin’ny fitsipiny, mba ho velona ianao, sy hihamaro ary hambinin’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny tany efa hidiranao mba hanananao azy.
17
Fa raha mivily kosa ny fonao, ka tsy mihaino ianao, fa mety hotarihina hiankohoka amin’andriamani-kafa sy hanompo azy,
18
dia ambarako anareo dieny ankehitriny, fa ho ringana tokoa ianareo; tsy ho lava andro any amin’ny tany efa hidiranareo hanananareo azy, rehefa tafita an’i Jordany, ianao.
19
Miantso ny tany aman-danitra ho vavolombelona aminareo anio aho, fa nataoko eo anoloanao ny fiainana sy ny fahafatesana, ny tso-drano sy ny ozona; koa fidio àry ny fiainana, mba ho velona ianao sy ny taranakao,
20
amin’ny fitiavana an’i Iaveh Andriamanitrao, sy fihainoana ny feony, ary firaiketana Aminy, fa izany no fiainanao sy andro lava honenanao any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh homena an’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, razanao.
← Chapter 29
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 31 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34