bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 27
Deuteronomy 27
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
1
Ary i Môizy sy ny loholon’i Israely dia nanome izao didy izao tamin’ny vahoaka: Tandremo ny didy rehetra andidiako anareo anio.
2
Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao dia manangàna vato lehibe ka hosory sokay,
3
ary soraty eo aminy ny teny rehetra amin’ity lalàna ity, rehefa tafita ianareo, mba hidiranao eo amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, izay tany tondra-dronono sy tantely, araka ny voalazan’i Iaveh Andriamanitry ny razanao taminao.
4
Any an-tendrombohitra Hebala no hatsanganareo ireo vato nandidiako anareo androany ireo rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia hosoranao sokay izy.
5
Ary handrafitra ôtely eo ianao ho an’i Iaveh, dia ôtely vato tsy voapai-by.
6
Vato tsy voavoatra no handrafetanao ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao, ary manatera sorona dorana eo amboniny ho an’i Iaveh Andriamanitrao.
7
Manatera sorom-pihavanana, ka mihinàna eo sy mifalia eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao.
8
Ary soraty amin’ireo vato ireo ny teny rehetra amin’ity lalàna ity ka ataovy velona tsara ny soratra.
9
Dia niteny tamin’i Israely rehetra i Môizy sy ireo mpisorona levitika ka nanao hoe: Mangina ka mihainoa, ry Israely: Androany no efa tonga vahoakan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
10
Koa henoy ny feon’i Iaveh Andriamanitrao, araho ny didy aman-dalàny izay andidiako anao anio.
11
Nomen’i Môizy didy ny vahoaka androtr’izay nataony hoe:
12
Rehefa tafita an’i Jordany ianareo, dia ireto no hitoetra hitso-drano ny vahoaka ao an-tendrombohitra Garizima: I Simeôna, i Levì, i Jodà, i Isakara, i Josefa ary i Benjamina;
13
ary ireto no hitoetra hanozona ao an-tendrombohitra Hebala: I Robena, i Gada, i Asera, i Zabolôna, i Dana, ary i Neftalì.
14
Dia hiteny ny Levita, ka amin’ny feo avo no hilazany amin’ny olona rehetra ao amin’i Israely hoe:
15
Aoka ho voaozona ny olona manao sarin-javatra voasikotra na sarin-javatra anidina, izay fahavetavetana eo imason’i Iaveh, asan-tanan’ny mpanao taozavatra, ka mametraka azy ao amin’ny fitoerana mangingina. Dia hamaly ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
16
Aoka ho voaozona izay manao tsinontsinona ny ray aman-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
17
Aoka ho voaozona izay mamindra ny orim-baton’ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
18
Aoka ho voaozona izay mamery lalana ny jamba. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
19
Aoka ho voaozona izay manao ny tsy an-drariny amin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
20
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny vadin-drainy fa manainga ny firakofan-drainy izy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
21
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny biby, na biby inona na biby inona. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
22
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny anabaviny, na zanakavavin-drainy izany, na zanakavavin-dreniny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
23
Aoka ho voaozona izay mandry amin’ny rafozam-baviny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
24
Aoka ho voaozona izay mamono an-takona ny namany. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
25
Aoka ho voaozona izay mandray kolikoly mba hamono aina, dia ny ra tsy manan-tsiny. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
26
Aoka ho voaozona izay tsy mitana ny tenin’ity lalàna ity mba hanarahany azy. Ary ny vahoaka rehetra hanao hoe: Amen.
← Chapter 26
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 28 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→