bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 32
Deuteronomy 32
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
1
Mampandria sofina, ry lanitra, fa hiteny Aho; ary aoka ny tany hihaino ny teny haloaky ny vavako.
2
Aoka hirotsaka toa ranonorana ny fampianarako; ary hilatsaka tahaka ny ando ny teniko, dia tahaka ny tandrifin-drahona amin’ny zava-maitso, toy ny rano mitete amin’ny ahi-maitso.
3
Fa hitory ny Anaran’i Iaveh aho: ka omeo voninahitra ny Andriamanitsika.
4
Ny vatolampy, lavorary ny asany, ara-drariny ny lalany rehetra; fa Andriamanitra mahatoky sy tsy misy ratsy Izy; marina sy mahitsy.
5
Nanota taminy izy ireo, tsy mba ny zanany fa ny faikan’izy ireo, taranaka ratsy sy mpivadika.
6
Izany va no avalinareo an’i Iaveh, ry vahoaka adala, tsy manam-pahendrena? Tsy Izy va no Rainao sy Mpahary anao, Izay nanao anao sy nanorina anao?
7
Tsarovy ny andro taloha, saino ny taona tamin’ny taranaka taloha, anontanio an-drainao, fa hatorony anao, amin’ny anti-panahy, fa halazany anao:
8
Nony nomen’ny Avo indrindra zaratany ny firenena, nony natokotokony ny zanak’olombelona, dia nametra ny faritanin’ny vahoaka Izy; araka ny isan’ny zanak’i Israely.
9
Satria ny anjaran’i Iaveh dia ny vahoakany, ary i Jakôba no anjara lovany.
10
Hitany tany an-tany efitra izy, dia tao an-tany foana misy biby dia mierona, ka nofefeny sy nokolikoleny ary notandremany toy ny anakandriamasony.
11
Mova tsy ny voromahery manaitaitra ny zanany madinika sy manidintsidina eo ambonin’ny zanany no namelarany ny elany nandraisany azy, sy nitondrany azy teo ambonin’ny elany.
12
I Iaveh irery no nitondra azy; fa tsy nisy andriamani-kafa niaraka taminy.
13
Teo ambonin’ny havoana amin’ny tany no nampiakarany azy; ary ny vokatry ny saha no nohanin’i Israely: nampitsentsefiny azy ny tantely avy amin’ny vatolampy sy ny diloilo avy amin’ny vato mafy indrindra;
14
ary ny hero-dronono avy amin’ny ombivavy sy ny rononon’ondry, mbamin’ny tavin’ny zanak’ondry, sy ny ondralahy teraka tany Basàna sy ny osilahy, ary ny vary faran’izay tsara indrindra; ary ny ran’ny salohim-boaloboka no nosotroinao dia ny divay mandroatra.
15
Kanjo nihanatavy i Jesoròna ka nibohy; - eny efa tonga matavy sy botrefona ary dongadonga ianao, ka dia nahafoy ny Andriamanitra izay nanao azy sy naniratsira ny Vatolampy famonjena azy.
16
Nampahasaro-piaro Azy tamin’ny andriamanitra hafa izy ireo ary nampahatezitra Azy tamin’ny fahavetavetana.
17
Nanao sorona tamin’ny demony izay tsy Andriamanitra izy, dia tamin’ny andriamanitra tsy fantany, andriamanitra vaovao, vao niseho tsielatsiela, izay tsy mba natahoran’ny razanareo akory.
18
Nandao ny Vatolampy izay niteraka anao ianao ary nanadino ny Andriamanitra izay nanao anao.
19
Nahita izany i Iaveh, ka tezitra, nohantsin’ny zanany lahy aman-janany vavy Izy.
20
Hoy izy: «Hafeniko azy ny Tavako, dia ho hitako izay hiafarany, fa taranaka mpivadibadika izy, zaza tsy manana hitsim-po.
21
Nampahasaro-piaro Ahy tamin’izay tsy andriamanitra izy ary nampahatezitra Ahy tamin’ny sampiny tsinontsinona, ka dia mba hampahasaro-piaro azy amin’izay tsy vahoaka kosa Aho, sy hampahatezitra azy amin’izay firenena adala.
22
Fa nirehitra ny afon’ny fahatezerako, ka mandoro ny fonenan’ny maty hatrany amin’ny faran’ny ambany, mandevona ny tany amam-bokatra eo aminy, mandrehitra ny tendrombohitra hatramin’ny fotony.
23
Havangongoko aminy ny loza, holaniko aminy ny zana-tsipìkako;
24
hofezahin’ny mosary izy, holevonin’ny tazo amam-pesta mpandringana; ary halefako hamely azy koa ny nifin’ny biby, mbamin’ny poizin’ny biby mikisaka amin’ny vovoka.
25
Avy any ivelany, dia hovonoin’ny sabatra ny zaza, ary ao anaty kosa dia hisy fivadiham-po; na ny zatovolahy na ny zatovovavy, na ny zaza mbola minono na ny efa antitra.»
26
Saiky hataoko hoe: Hofaohiko amin’ny indray mitsoka ireo, hofoanako tsy ho eo amin’ny olombelona ny fahatsiarovana azy,
27
raha tsy noho ny tahotro ny hireharehan’ny fahavalo sy ny hahadiso hevitra ny mpandrafy azy, ka hilaza hoe: Ny tanany no nahery; fa tsy i Iaveh no nanao izany rehetra izany.
28
Fa firenena tsy manam-pahendrena izy, ary tsy misy saina eo aminy.
29
Raha mba hendry dia ho nahalala izao, sy ho nahafantatra ny tokony hiafarany.
30
Hataon’ny irery lahy ahoana no fanenjika ny arivo, hataon’ny roa lahy ahoana ny fampandosirana ny iray alina, raha tsy ny Vatolampy no efa nivarotra azy, raha tsy i Iaveh no efa nanolotra azy?
31
Fa tsy mitovy amin’ny Vatolampintsika ny vatolampin’izy ireo: vavolombelon’izany ny fahavalontsika.
32
Fa karazam-boaloboka avy any Sôdôma no foto-boalobony, sy avy any amin’ny sahan’i Gômôra; voaloboka misy poizina no mba voalobony, sampaho mangidy no mba azy.
33
Poizina avy amin’ny dragona no divainy, poizina mahafaty avy amin’ny aspika.
34
Moa tsy zavatra voaafina ato amiko va izany. Sy voaisy fitomboka ato amin’ny rakitro?
35
Ahy ny fampanodiavana sy ny famaliana amin’ny fotoana hahatafintohina ny tongony, fa antomotra ny andro hahitany loza, ary ho avy faingana izay anjara ho azy.
36
Fa homen’i Iaveh rariny ny vahoakany, ary nony mpanompony dia hanenina izy, rehefa hitany fa lany hery ireo, ka tsy misy sisa intsony na ny andevo na ny olona afaka.
37
Dia hiteny izy hanao hoe: Aiza izay Andriamanitrareo? dia ny vatolampy nialofany,
38
izay nihinana ny saboran-tsorona nataony sy nisotro ny divaim-panatitra nararany? aoka hoe hitsangana ireny, aoka hamonjy anareo! Aoka hoe hampialoka anareo ambanin’ny fiarovany!
39
Jereo amin’izao fa Izaho, dia Izaho ihany no izy, ary tsy misy andriamanitra miolotra amiko; Izaho no mahafaty sy mahavelona; Izaho no naharàtra, ary Izaho koa no hahasitrana. Ary tsy misy olona mahafaka amin’ny tanako.
40
Eny manangana ny tanako manandrify ny lanitra Aho no manao hoe: Velona mandrakizay Aho!
41
Rehefa hanasa ny sabatro manelatrelatra sy handray ny fitsarana ny tanako, dia hasiako valim-bonoana ny fahavaloko, ary hampandraisiko tody izay mandrafy Ahy.
42
Homamoiko ra ny zana-tsipìkako, ary hihinana mofo ny sabatro; dia ny ran’ny voavono sy ny babo, ary ny loha lava volon’ny fahavalo.
43
Ry firenena, aoka hanao horakora-pifaliana ianareo, ho voninahitry ny vahoakany. Fa valian’i Iaveh ny ran’ny mpanompony asiany valim-bonoana izay mandrafy Azy. Dia manao fanonerana ho an’ny taniny, ho an’ny vahoakany Izy.
44
Tonga i Môizy ka nilaza ny teny rehetra amin’izany tononkira izany mba ho ren’ny vahoaka, ary nomba azy i Jôsoe zanak’i Nona.
45
Nony tapitra voalazany tamin’i Israely rehetra izany teny rehetra izany,
46
dia hoy izy tamin’izy ireo: «Raiso amin’ny fo mazoto izao teny rehetra ambarako eto anatrehanareo anio izao, izay tsy maintsy andidianareo ny zanakareo koa, mba hanarahany tsara ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
47
Satria tsy zavatra tsy ahoan-tsy ahoana ho anareo izany, fa fiainanareo, ary izany teny izany no hahalava andro anareo, eo amin’ny tany efa ho azonareo amin’ny fitàna an’i Jordany.»
48
Androtr’izay ihany dia niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
49
«Miakara any amin’io tendrombohitr’i Abarima io, amin’ny tendrombohitra Nebao, amin’i Moaba, tandrifin’i Jerikao, ka tazano ny tany Kanaana, izay omeko ny zanak’i Israely ho fananany.
50
Ho faty eo amin’ny tendrombohitra hiakaranao ianao, dia hangonina any amin’ny razanao, tahaka ny nahafatesan’i Aarôna rahalahinao tany an-tendrombohitra Hôra, sy nanangonana azy tany amin’ny razany;
51
satria nanota tamiko teo afovoan’ny zanak’i Israely ianareo, tao amin’ny ranon’i Meribà any Kadesy, amin’ny efitra Sina, ka tsy nankamasina Ahy, teo afovoan’ny zanak’i Israely.
52
Ho hitanao tandrifinao ny tany, nefa tsy hiditra eo amin’izany tany izany izay omeko ny zanak’i Israely ianao.»
← Chapter 31
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 33 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34