bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 31
Deuteronomy 31
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 32 →
1
Ary nanao izao teny izao tamin’i Israely rehetra koa i Môizy ka nanao tamin’izy ireo hoe:
2
«Efa roapolo amby zato taona androany aho izao, ka tsy afaka mivoaka sy miditra intsony, ary i Iaveh efa nilaza tamiko hoe: Tsy hita an’io Jordany io ianao.
3
I Iaveh Andriamanitrao no hita eo alohanao, Izy no handringana ireo firenena ireo eo anoloanao, ka dia hahazo azy ireo ianao. I Jôsoe no hita eo alohanao, araka ny voalazan’i Iaveh.
4
Toy ny nataon’i Iaveh tamin’i Sehôna sy i Oga, mpanjakan’ny Amôreana, izay naringany mbamin’ny taniny, no hataony amin’ireo koa.
5
Hatolotr’i Iaveh aminareo izy, ka ataovy araka ny lalàna rehetra nandidiako anareo.
6
Mahereza ary matanjaha tsara, fa aza matahotra na mimalo amin’ireo akory, satria i Iaveh Andriamanitrao no miara-mandeha aminao, tsy hahafoy anao Izy na handao anao.»
7
Dia nantsoin’i Môizy i Jôsoe, ka hoy izy taminy, teo anatrehan’i Israely rehetra: «Mahereza ary matanjaha tsara, fa ianao no hiditra miaraka amin’ity vahoaka ity, any amin’ny tany efa nianianan’i Iaveh tamin’ny razany homena azy ireo; ary ianao no hampanana azy ireo izany.
8
Fa i Iaveh no handeha eo alohanao, Izy no homba anao fa tsy hahafoy anao na handao anao Izy, ka aza matahotra na mivadi-po ianao.»
9
Nosoratan’i Môizy izany lalàna izany, dia natolony tamin’ny mpisorona, taranak’i Levì mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh, mbamin’ny loholon’i Israely rehetra.
10
Ary nomeny izao didy izao izy: «Aorian’ny isam-pito taona amin’ny fotoan’ny taom-panafahana, amin’ny fetin’ny Tabernakla,
11
raha ilay tonga hiseho eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao iny i Israely rehetra, any amin’ny fitoerana izay hofidiny; dia vakio eo anatrehan’i Israely rehetra ity lalàna ity, mba hohenoiny.
12
Vorio avokoa ny vahoaka, na lahy na vavy, na ankizy na vahiny eo anatin’ny vavahadinao, mba hihaino ka hianatra ny hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrareo, ka hitandrina tsara sy hanaraka ny teny rehetra amin’ity lalàna ity.
13
Ary handre izany ny zanany, izay tsy mahalala, ka hianatra ny hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrareo, amin’ny andro rehetra hiainanareo eo amin’ny tany izay efa hankanesanareo hanananareo azy, rehefa tafita an’i Jordany ianareo.»
14
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro, antomotra ny fotoana hahafatesanao; koa antsoy i Jôsoe, ary tongava ao an-trano lay fihaonana ianareo, mba hanomezako azy ny didiko.» Dia nandeha nankao an-trano lay fihaonana i Môizy sy i Jôsoe,
15
ka niseho tao an-trano i Iaveh tamin’ny andry rahona, ary ny andry rahona nijanona teo am-baravaran’ny trano lay fihaonana.
16
Dia hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Indro efa ho tafandriana any amin’ny razanao ianao, ary ity vahoaka ity hitsangana hitolo-tena amin’ny andriamani-kafa any amin’ny tany efa hidirany. Handao Ahy izy ary hivadika ny fanekena nataoko taminy.
17
Dia hirehitra aminy ny fahatezerako amin’izany, hafoiko izy, ary hafeniko aminy ny Tavako, ka dia hataon’ny olona levona izy, sady hianjeran-doza amam-pahoriana be dia be. Izay vao ho vaky hoe: Moa ve tsy noho Andriamanitro tsy eto amiko no nianjeran’izao fahoriana izao amiko?
18
Izaho anefa amin’izany andro izany dia hanakona ny tavako noho ny ratsy rehetra nataony, tamin’ny niviliany hanaraka andriamani-kafa.»
19
«Koa soraty izao tononkira izao. Ampianaro ny zanak’i Israely, ary ataovy eo am-bavany mba ho vavolombelona hoentiko miampanga ny zanak’i Israely izany tononkira izany.
20
Satria izy ireo rehefa tafiditra eo amin’ny tany nampanantenaiko ny razany tamim-pianianana, tany tondra-dronono sy tantely, ka efa nihinana sy voky, ary nihamatavy, dia amin’izay izy no hivily hanaraka andriamani-kafa ka hanompo azy ary haniratsira Ahy sy hivadika ny fanekeko.
21
Koa rehefa hidiran-doza amam-pahoriana be izy, dia izao tononkira izao no ho vavolombelona hiampanga azy, fa tsy ho very tadidy, tsy ho afaka am-bavan’ny taranany izao. Satria efa fantatro izay saina eo aminy hatramin’ny ankehitriny, na dia alohan’ny hampidirako azy any amin’ny tany nampanantenaiko tamim-pianianana aza».
22
Dia nosoratan’i Môizy androtr’izay ihany izany tononkira izany, ka nampianariny ny zanak’i Israely.
23
Ary i Iaveh nanome didy an’i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Mahereza sy matanjaha tsara, fa ianao no hampiditra ny zanak’i Israely any amin’ny tany nampanantenaiko azy tamim-pianianana, ary Izaho homba anao».
24
Nony efa tapitra voasoratr’i Môizy tamin’ny boky anankiray ny tenin’ity lalàna ity,
25
dia nanome izao didy izao tamin’ny Levita mpitondra ny fiaran’ny faneken’i Iaveh izy:
26
«Raiso ity bokin’ny lalàna ity ka apetraho eo anindran’ny fiaran’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo, ka eo izy dia vavolombelona miampanga anao.
27
Fa fantatro ny ditran’ny fonao sy ny hamafy hatokao; amin’izao aho mbola velona eo aminareo izao aza, efa niodina tamin’i Iaveh ianareo, ka mainka izany fa rehefa maty aho.»
28
«Koa vorio eto amiko ny loholona rehetra amin’ny fokonareo sy ny mpitsara anareo, dia hanonona izao teny izao amin’ny sofiny aho, ary hiantso ny lanitra sy ny tany ho vavolombelona miampanga azy.
29
Satria fantatro fa rehefa maty aho, dia hihasimba marina tokoa ianareo, dia hivily hiala amin’ny lalana nasaiko nalehanareo ianareo, ka ho tratry ny loza, any amin’ny andro aoriana any, noho ianareo nanao izay ratsy eo imason’i Iaveh sy nampahatezitra azy tamin’ny asan-tananareo.»
30
Dia nolazain’i Môizy hatramin’ny farany, teo an-tsofin’ny fiangonan’i Israely rehetra, izao tononkira izao:
← Chapter 30
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 32 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→