bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 26
Deuteronomy 26
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
1
«Rehefa tonga any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao ho lovanao ianao, ka efa tompon-tany sy tafaorim-ponenana any,
2
dia angalao avokoa ny santatry ny vokatry ny tany rehetra azonao amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, ka ataovy ao an-tsobika, dia mankanesa amin’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany.
3
Misehoa eo anatrehan’ny mpisorona izay manao raharaha amin’izany andro izany, ka lazao aminy hoe: Manambara amin’i Iaveh Andriamanitrao aho anio, fa tonga eto amin’ny tany nianianan’i Iaveh tamin’ny razantsika homena antsika.
4
Dia horaisin’ny mpisorona ny sobika eny an-tananao, ka hapetrany eo anoloan’ny ôtelin’i Iaveh Andriamanitrao.
5
Ary hiteny eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao ianao ka hanao hoe: Ny raiko dia Arameanina efa saiky maty; nidina nankany Ejipta izy, nomban’olom-bitsy dia zary mpivahiny tany; tao izy no tonga firenena lehibe sy mahery ary maro.
6
Mafy ny nitondran’ny Ejiptianina antsika, fa sady nampahory antsika izy, no nampanao fanompoana mavesatra antsika.
7
Koa nitaraina tamin’i Iaveh Andriamanitry ny razantsika isika, dia nohenoin’i Iaveh ny feontsika, nojereny ny fijaliantsika, sy ny fahantrantsika ary ny fampahoriana antsika,
8
ka tanana mahery, sandry ahinjitra, fangorohoroana lehibe ary famantarana amam-pahagagana, no namoahan’i Iaveh antsika avy tany Ejipta.
9
Nitondra antsika ho amin’ity toerana ity Izy, ary nanome antsika an’ity tany ity, dia tany tondra-dronono sy tantely.
10
Koa ankehitriny, ry Iaveh, inty aho mitondra ny santatry ny vokatry ny tany efa nomenao ahy. Dia hapetrakao eo anoloan’i Iaveh Andriamanitrao izany, ka hiankohoka eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao ianao.
11
Raha efa izany dia miaraha mifaly amin’ny Levita sy amin’ny vahiny eo aminao, noho ny soa rehetra nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao sy ny ankohonanao.»
12
«Rehefa tapitra natokanao avokoa ny fahafolon-karena rehetra avy amin’ny vokatrao, amin’ny taona fahatelo, izay taona fandoavana ny fahafolon-karena ka atolotrao ny Levita, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ary ny mpitondratena mba hohaniny ao anatin’ny vavahadinao sy hivokisany,
13
dia lazao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao hoe: Efa navoakako tao an-tranoko avokoa ny zava-masina, ka nomeko ny Levita mbamin’ny vahiny, sy ny kamboty ary ny mpitondratena, araka ny didy rehetra nomenao ahy; tsy nisy nodikaiko na nohadinoiko ny didinao na dia iray aza.
14
Tsy nisy nohaniko ireo zavatra ireo tamin’ny fisaonako, na navoakako ny tranoko tamin’ny fahalotoako, na nataoko fahan-kanina raha nisy maty, fa nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitro aho, ary nanao araka izay rehetra nandidianao ahy.
15
Tsinjovy eny amin’ny fonenanao masina any an-danitra ka tahio i Israely vahoakanao, mbamin’ny tany tondra-dronono sy tantely nomenao anay, araka ny efa nianiananao tamin’ny razanay.»
16
«I Iaveh Andriamanitrao no nanadidy anao anio, hanaraka ireo didy amam-pitsipika ireo; koa tandremo sy araho amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra ireo.
17
Nampanambara tamin’i Iaveh ianao androany, fa Izy no ho Andriamanitrao, ka nametra-teny ianao fa handeha amin’ny lalany, hitandrina ny didiny sy ny lalàny amam-pitsipiny, ary hihaino ny feony.
18
Ary i Iaveh kosa efa nampanambara anao androany, fa ianao araka ny efa voalazany taminao, dia ho vahoakany manokana, mitandrina ny didiny rehetra; ary Izy mametra-teny hanandratra anao ho ambonin’ny firenena rehetra nataony, na amin’ny voninahitra na amin’ny laza, na amin’ny fahalehibeazana, ka dia ho vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, araka ny efa voalazany.»
← Chapter 25
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 27 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34