bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 5
Deuteronomy 5
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
1
Ary niantso an’i Israely i Môizy ka nanao taminy hoe: «Henoy, ry Israely, ny didy amam-pitsipika ampandrenesiko anao anio; ianaro izany, ary araho amim-pitandremana tokoa.
2
Nanao fanekena tamintsika i Iaveh Andriamanitsika tany Horeba.
3
Tsy tamin’ny razantsika no nanaovan’i Iaveh izany fanekena izany, fa tamintsika rehetra izay eto ankehitriny izao, samy velona avokoa.
4
Niteny nifanatrika taminareo tany an-tendrombohitra i Iaveh tao anatin’ny afo,
5
ary nitsangana teo anelanelan’i Iaveh sy ianareo aho tamin’izay, mba hitondra aminareo ny teniny, fa natahotra ny afo ianareo ka tsy niakatra tany an-tendrombohitra. Izao no nolazainy:
6
«Izaho no Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy any amin’ny tany Ejipta tamin’ny trano fanandevozana.
7
Aza manana andriamani-kafa eo anatrehako.
8
«Aza manao sarin-javatra voasikotra, na izay mety ho endriky ny zavatra eny amin’ny lanitra ambony, na etỳ amin’ny tany ambany, na any amin’ny rano ambanin’ny tany.
9
Aza miankohoka eo anatrehany na manompo azy, fa Izaho Iaveh Andriamanitrao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka mamaly ny heloky ny ray amin’ny zanaka, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra, amin’izay mankahala Ahy;
10
fa mamindra fo amin’ny taranaka arivo mifandimby kosa, amin’izay tia Ahy sy mitandrina ny didiko.
11
«Aza manonom-poana ny Anaran’i Iaveh Andriamanitrao, fa tsy havelan’i Iaveh ho afa-potsiny, izay manonom-poana ny Anarany.
12
«Mitandrema ny andro sabata, mba hankamasina azy, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao.
13
Henemana no hiasanao sy hanaovanao ny asanao rehetra.
14
Fa ny andro fahafito, dia sabata ho an’i Iaveh Andriamanitrao, ka aza manao zavatra na inona na inona ianao, na ny zanakao lahy, na ny zanako vavy, na ny ankizy lahinao na ny ankizy vavinao, na ny ombinao, na ny ampondranao, na ny biby fiompinao rehetra, na ny vahiny tafiditra ny vavahadinao, mba hitsahatra toa anao koa ny ankizy lahinao sy ny ankizy vavinao.
15
Tsarovy fa efa andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, ary tanana mahery sy sandry ahinjitra no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka avy tany; koa izany no nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao hitandrina ny andro sabata.
16
«Manajà ny ray aman-dreninao, araka ny nandidian’i Iaveh Andriamanitrao anao, mba hohalavaina ny andronao sy ho sambatra any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
17
«Aza mamono olona. «Aza maka vadin’olona. «Aza mangalatra. «Aza mitsangana ho vavolombelona tsy marina hamely ny namanao.
18
«Aza mitsiriritra ny vadin’ny namanao. Aza mitsiriritra ny tranon’ny namanao, na ny taniny, na ny ombiny, na ny ampondrany, na izay mety ho an’ny namanao.
19
«Ireo no teny nolazain’i Iaveh tamin’ny fiangonanareo rehetra tamin’ny feo mahery, tany an-tendrombohitra, tao anatin’ny afo sy ny rahona, ary ny haizim-pito, ka tsy nampiany na inona na inona. Nosoratany tamin’ny takelaka vato roa natolony ahy ireo.
20
«Nanatona ahy ianareo, rehefa nandre ny feo avy teo amin’ny haizina, raha nirehitra afo daholo ny tendrombohitra, dia ny filohan’ny fokonareo rehetra sy ny loholonareo, ka hoy ianareo:
21
Indro i Iaveh Andriamanitsika efa naneho ny voninahitra amam-pahalebeazany tamintsika, ary isika efa nandre ny feony avy tao anatin’ny afo; koa hitantsika androany Andriamanitra miteny amin’ny olombelona, ary ny olombelona dia mbola velona.
22
Koa ankehitriny nahoana no dia ho faty izahay? Fa ho levon’io afo lehibe io izahay, ary ho faty izahay, raha mbola mandre ny feon’i Iaveh Andriamanitsika indray.»
23
«Satria tamin’izao nofo rehetra izao, zovy moa no efa nandre ny feon’Andriamanitra velona, niteny tao afovoan’ny afo, tahaka antsika, nefa mbola velona ihany?
24
Koa ianao re no aoka hanatona ary hihaino izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika, dia ianao no hilaza aminay izay rehetra holazain’i Iaveh Andriamanitsika aminao, ka hohenoinay sy harahinay izany.
25
«Ren’i Iaveh teo am-pitenenanareo tamiko ny teninareo, ka hoy i Iaveh tamiko: Efa reko ny teny nolazain’io vahoaka io taminao, ka tsara avokoa ny voalazany.
26
Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.
27
Mandehana lazao amin’izy ireo hoe: Miverena any an-dainareo.
28
Fa ianao kosa, mijanòna eto amiko, dia holazaiko aminao ny lalàna sy didy amam-pitsipika rehetra hampianarinao azy, mba harahiny any amin’ny tany izay omeko azy ho fananany.»
29
«Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;
30
fa amin’ny zavatra rehetra mizora amin’ny lalana nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo, mba ho velona ianareo, ka ho sambatra sy ho lava andro any amin’ny tany hanananareo.»
← Chapter 4
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 6 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34