bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 33
Deuteronomy 33
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
1
Izao no tso-drano nataon’i Môizy, olon’Andriamanitra, tamin’ny zanak’i Israely, talohan’ny nahafatesany.
2
Hoy izy: «Tonga avy tany Sinaia i Iaveh, niposaka ho azy ireo avy any Seira Izy; namirapiratra avy ao an-tendrombohitra Faràna Izy, ary nivoaka teo afovoan’ny masina tsy omby alinalina; ary nitselatra ho azy ireo avy eo ankavanany ny tsirim-pahazavana.
3
Tiany koa ny vahoaka, eo an-tananao avokoa ny masiny rehetra, mipetraka ao an-tongotrao izy ireo, ary samy mandray ny teninao avokoa.
4
Nanome didy antsika i Môizy; lovan’ny fiangonan’i Jakôba.
5
Tonga mpanjaka ao amin’i Jesoròna izy, nony nivory ny lohan’ny vahoaka mbamin’ny fokon’i Israely rehetra.
6
Aoka ho velona fa tsy ho faty i Robena, ary aoka tsy hihena ho vitsy ny lehilahy ao aminy.»
7
Izao kosa ny amin’i Jodà; hoy izy: «Henoy ny feon’i Jodà, ry Iaveh, ary ento hiverina amin’ny vahoakany izy. Ny tanany no hiady ho an’i Israely ary hiaro hanampy azy hamely ny fahavalony.»
8
Ny amin’i Levì dia hoy izy: «Ny Orimanao sy ny Tomimanao dia amin’ny olonao masina, izay nozahanao toetra tao Masà izay nifamalianao tao amin’ny ranon’i Meribà,
9
izay nilaza tamin-drainy aman-dreniny hoe: Tsy nahita azy ireo aho, izay tsy nahalala ny rahalahiny na nahafantatra na inona na inona momba ny zanany, fa nankatò ny teninao izy, ary nitana ny fanekenao.
10
I Jakôba, ampianariny ny fitsipikao, ary i Israely ny lalànao. Manolotra ny emboka manitra eo amin’ny vavoronao izy, sy ny sorona dorana eo ambonin’ny ôtelinao.
11
Tahio ny heriny, ry Iaveh ô! ankasitraho ny asan’ny tanany; folahy ny andilan’izay mandrafy azy sy izay mankahala azy: aoka tsy hiarina intsony ireny.»
12
Ny amin’i Benjamina dia hoy izy: «Malalan’i Iaveh izy, ka handry feizay monina eo akaikiny; arovan’i Iaveh lalandava izy, mipetraka eo anelanelan’ny sorony».
13
Ny amin’i Josefa dia hoy izy: «Tahin’i Iaveh ny taniny; azy ny ando fanomezan-tsoan’ny lanitra ny rano amin’ny hantsana lehibe monina ao ambany;
14
ny vokatsoa masaky ny masoandro; ny voan-javatra soa indrindra isam-bolana;
15
Ny vokatsoa indrindra avy amin’ny tendrombohitra fahagola; Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny havoana mandrakizay,
16
Ny fanomezana tsara indrindra avy amin’ny tany sy ny fahavokarany. Ny fankahasitrahan’ilay nitoetra teo amin’ny zava-maniry milobolobo anie ho tonga eo an-dohan’i Josefa, eo amin’ny tampon’ny lohan’ny andrian’ny rahalahiny!
17
An’ny ombalahiny voalohan-teraka, azy ny dera, tandrok’ombimanga no tandrony; amin’io no hanotoany ny vahoaka rehetra hatrany amin’ny fara vazantany. Toy izany ny alinalin’i Efraima, Toy izany ny arivoarivon’i Manase».
18
Ny amin’i Zabolôna dia hoy izy «Mifalia, ry Zabolôna, amin’ny fandehananao, ary ianao, ry Isakara, ao an-dainao.
19
Miantso ny vahoaka ho ao an-tendrombohitra ireo; ao izy hanatitra sorom-pahamarinana, fa hitsentsitra ny habetsahan-javatra avy amin’ny ranomasina izy, sy ny harena miafina ao amin’ny fasika».
20
Ny amin’i Gada dia hoy izy: «Hisaorana anie Ilay manome fitoerana malalaka an’i Gada! Mandry toy ny liom-bavy Izy; ka mamiravira ny sandry na ny loha aza
21
Nifidy ny voalohan-tany ho azy izy; fa anjara-mpifehy no voaafina ao, ary nandroso nialoha lalana ny vahoaka, nanatanteraka ny fahamarinan’i Iaveh izy sy ny fitsaràny, niaraka tamin’i Israely».
22
Ny amin’i Dana hoy izy: «I Dana dia liona vantony, miantoraka avy ao Basàna».
23
Ny amin’i Neftalì dia hoy izy: «Vokin’ny tombon-tsoa ianao, ry Neftalì, ary feno ny fitiavan’i Iaveh; ka raiso ho fanananao ny ranomasina sy ny any atsimo».
24
Ny amin’i Asera dia hoy izy: «Hotahina eo amin’ny zanak’i Jakôba anie i Asera, aoka izy ho tian’ny rahalahiny indrindra ka hanoboka ny tongony amin’ny diloilo.
25
Aoka ho vy amam-barahina ny karetsaka hidinao, ary hifamàtra amin’ny andronao ny fiadananao.
26
Tsy misy tahaka an’Andriamanitra, ry Jesoròna ô! izay mandia ny lanitra mba ho tonga hamonjy anao, sy mandia ny rahona, amin’ny voninahiny.
27
Ny Andriamanitry ny taona fahagola dia fialofana, ny sandriny mandrakizay no anohanany anao; mandroaka ny fahavalo eo anoloanao Izy, sady milaza hoe: Aringano.
28
Mandry feizay i Israely; miboiboika miavaka ny loharanon’i Jakôba, ao amin’ny tany be vary aman-divay, ary ny lanitra ao aminy mampitsororoka ny ranonando.
29
Sambatra ianao, ry Israely! Zovy moa no toa anao! Fa ianao dia vahoaka voavonjin’i Iaveh, izay ampingan’ny famonjena anao, sabatry ny voninahitrao. Hihatsaravelatsihy eo anoloanao ny fahavalonao, fa ianao kosa handia ny havoany».
← Chapter 32
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 34 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34