bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 6
Deuteronomy 6
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
1
Izao no lalàna sy didy amam-pitsipika nasain’i Iaveh Andriamanitrareo ampianarina anareo, mba harahinareo any amin’ny tany halehanareo mba hakanareo azy ho fanananareo;
2
mba hatahoranao an’i Iaveh Andriamanitrao, ianao sy ny zanakao ary ny zanaky ny zanakao, ka hitandrina ny didy aman-dalàny rehetra nandidiako anao ianao, amin’ny andro rehetra hiainanao, ka hohalavaina ny andronao.
3
Koa henoy izany, ry Israely, ary mitandrema ny mba hanatanteraka izany, mba ho sambatra sy hitombo isa be ianao, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely, araka ny nolazain’i Iaveh Andriamanitry ny razanao anao.
4
Mihainoa, ry Israely: I Iaveh Andriamanitsika, dia Izy ihany no Iaveh.
5
Tiava an’i Iaveh Andriamanitrao, amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra.
6
Aoka ho ao am-ponao izao didy omeko anao anio izao.
7
Alatsaho ao an-tsain’ny zanako izany; ary resaho, na ao an-tranonao ianao, na eny amin’ny dia alehanao, na mandry ianao, na miarina.
8
Afehezo amin’ny tananao izany, mba ho famantarana ho anao, ary ataovy toy ny fehin-kandrina eo anelanelan’ny masonao.
9
Soraty eo amin’ny tolàm-baravaranao izy, sy eo amin’ny vavahadinao.
10
Raha avy izay hahatafidiran’i Iaveh Andriamanitrao anao any amin’ny tany nianianany tamin’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba razanareo, homena anao, tanàna sady soa no lehibe tsy nahorinao,
11
trano feno zava-tsoa isan-karazany tsy nofenoinao, dobo famorian-drano tsy nolavahanao, voaloboka amam-pototr’ôliva tsy nambolenao, dia hihinana sy hivoky ianao;
12
ka tandremo fandrao manadino an’i Iaveh izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tany amin’ny trano fanandevozana.
13
Matahora an’i Iaveh Andriamanitrao, manompoa Azy ary aoka ny Anarany no hianiananao.
14
«Aza manaraka andriamani-kafa, amin’izay andriamanitry ny firenena hanodidina anareo.
15
Fa i Iaveh Andriamanitrao, izay eo afovoanao, dia Andriamanitra saro-piaro, ka dia hirehetan’ny fahatezeran’i Iaveh Andriamanitrao ianao, sy hofongarany eto ambonin’ny tany.
16
«Aza maka fanahy an’i Iaveh Andriamanitrareo, tahaka ny nakanareo fanahy Azy tany Masah.
17
Tandremo tsara ny didin’i Iaveh Andriamanitrareo, ny lalàna amam-pitsipika nandidiany anareo.
18
Ny mahitsy sy tsara eo imason’i Iaveh no ataovy, mba ho sambatra ianao sy hiditra ao amin’ny tany soa izay nampanantenain’i Iaveh ny razanao tamim-pianianana mba hanananao azy,
19
rehefa voaroakany eo anoloanao, araka ny voalazan’i Iaveh, ny fahavalonao.
20
«Raha manontany anao ny zanakao, indray andro any, manao hoe: Ahoana moa ny amin’ireo didy sy lalàna amam-pitsipika nandidian’i Iaveh Andriamanitsika anareo ireo?
21
dia lazao amin’ny zanakao hoe: Andevon’i Faraôna tany Ejipta izahay; ary tanana mahery no nitondran’i Iaveh anay nivoaka avy tany Ejipta;
22
fahagagana amam-pamantarana lehibe sy mandoza no nataon’i Iaveh, namelezany an’i Ejipta sy i Faraôna mbamin’ny ankohonany rehetra, teo imasonay;
23
ka Izy no nampivoaka anay avy tany, dia ny mba hitondrany anay amin’ny tany nampanantenainy ny razantsika tamim-pianianana,
24
ary i Iaveh nandidy antsika hanaraka izany didy rehetra izany, sy hatahotra an’i Iaveh Andriamanitsika mba ho sambatra mandrakariva isika, sy hitahirizany antsika ho velona, araka izao ankehitriny izao.
25
Ho fahamarinana ho antsika izany, raha mitandrina hanaraka ireo didy rehetra ireo isika eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitsika, araka ny nandidiany antsika.»
← Chapter 5
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 7 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34