bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 14
Deuteronomy 14
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 15 →
1
Zanak’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo. Aza mitetika ny tenanareo; aza misy faritra haratanareo amin’ny elanela-masonareo, noho ny amin’ny maty.
2
Fa vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ary nofidin’i Iaveh mba ho vahoakany manokana amin’ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany.
3
Aza mihinan-javatra maloto na inona na inona.
4
Izao no biby fihinanareo: ny omby, ny ondry sy ny osy,
5
ny serfa, ny gazela, ny daima, ny osy dia madinika, ny antilôpa, ny ombimanga, ny osy dia.
6
Rehefa mety ho biby mivaky kitro sy misampan-tongotra ary mandinika dia hano;
7
fa aza mihinana izay mandinika fotsiny, na izay mivaky kitro sy misampan-tongotra fotsiny, toy ny rameva sy ny bitro, fa mandinika ireo, fa tsy mivaky kitro, maloto aminareo ireny;
8
toy izany koa ny kisoa, mivaky kitro ihany izy fa tsy mandinika, haloto aminareo izy, koa aza mihinana ny henany, aza mikasika ny fatiny.
9
Izao no biby hohaninareo amin’izay rehetra ao anaty rano: izay rehetra misy vombo aman-kirany dia hohaninareo,
10
fa aza mihinana izay rehetra tsy misy vombo aman-kirany, maloto aminareo izany.
11
Hano avokoa ny vorona madio rehetra.
12
Izao no tsy hohaninareo: ny egla, ny orofiray, ny papango;
13
ny voromahery, ny fanindry, mbamin’ny aotoro isan-karazany;
14
ny goaika isan-karazany,
15
ny ostritsa, ny tararaka, ny vorondriaka, mbamin’ny hitsikitsika isan-karazany;
16
ny vorondolo, ny ibisy, ny vorondolo be;
17
ny pelikano, ny manarana, ny vivỳ,
18
ny vano be, mbamin’ny vano isan-karazany, ny lavasanga, sy ny manavy.
19
Ny biby kely manana elatra rehetra, dia hevero ho maloto, ka aza homana azy.
20
Fa ny vorona madio rehetra no hano.
21
Aza mihinam-biby maty ho azy, fa omeo ny vahiny ao anaty vavahadinao izany hohaniny, na amidio amin’ny vahiny. Fa ianao dia vahoaka masina ho an’i Iaveh Andriamanitrao. Aza mahandro zanak’osy amin’ny rononon-dreniny.
22
Atokano ny fahafolon’ny vokatra rehetra avy amin’ny voa nafafinao, dia ny vokatry ny taninao isan-taona.
23
Ary hohaninao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, amin’izay fitoerana hofidiny hamponenany ny Anarany, ny fahafolon’ny varinao, sy ny divainao vaovao sy ny diloilonao, mbamin’ny voalohan-teraky ny omby aman’ondrinao, mba hianaranao hatahotra an’i Iaveh Andriamanitrao mandrakariva.
24
Nefa raha lavitra loatra ho anao ny lalan-kaleha ka tsy azonao entina any izany noho ny halaviran’ny fitoerana hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, rehefa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao,
25
dia takalozy vola ny fahafolom-bokatrao, ka fihino eo an-tananao ny vola dia mankanesa amin’ny fitoerana izay nofidin’i Iaveh Andriamanitrao.
26
Amidio an’izay rehetra irin’ny fanahinao amin’ny vola: na omby, na ondry, na divay, na lalikera misy alikôla, izay rehetra tian’ny fanahinao, ka mihinàna eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ary mifalia ianao sy ny ankohonanao.
27
Aza manary ny Levita izay ao anatin’ny vavahadinao, fa tsy mba manana anjara na lova eo aminao izy.
28
Amin’ny faran’isam-pahatelo taona dia atokàny ny fahafolon’ny vokatrao rehetra amin’izany taona izany, ary ataovy eo anatin’ny vavahadinao.
29
Ka aoka ho avy amin’izay ny Levita izay tsy mba manana anjara na lova eo aminao, mbamin’ny vahiny sy ny kamboty ama-mpitondratena izay ao anatin’ny vavahadinao, dia hihinana izy, ka hivoky, mba hanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao amin’ny asa rehetra ataon’ny tananao.
← Chapter 13
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 15 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→