bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 15
Deuteronomy 15
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
1
Amin’ny faran’ny isam-pahafito taona, dia manaova fanafahana.
2
Ka toy izao no hanaovana ny fanafahana: ny tompon-trosa rehetra izay nampanàna vola dia hanao famelana ny amin’izay nampisamboriny ny namany. Tsy hanery namana aman-drahalahiny izy rehefa voaantso ny fanafahan’i Iaveh.
3
Azonao terena ny olon-kafa firenena; fa izay anao amin’ny rahalahinao kosa, dia aoka hanaovan’ny tananao famelana,
4
mba tsy hisy mahantra eo aminao. Fa hambinin’i Iaveh marina tokoa ianao, any amin’ny tany izay nomen’i Iaveh Andriamanitrao ho fanananao,
5
raha mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrao amin’ny fanarahana tsara ny didiny rehetra izay nandidiako anao anio.
6
Fa dia hanambina anao i Iaveh Andriamanitrao araka ny efa voalazany taminao; hampisambotra amin’ny firenena maro ianao, fa ianao tsy mba hisambotra kosa; hanapaka firenena maro ianao fa tsy mba hotapahiny.
7
Raha misy mahantra ny rahalahinao ao anatin’ny anankiray amin’ny vavahadinao any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao, dia aza manamafy ny fonao, na manakombona ny tananao amin’ny rahalahinao mahantra,
8
fa aoka hivelatra aminy ny tananao; ka hampisambotra azy izay sahaza ilainy araka ny mahory azy.
9
Tandremo fandrao mitsiry ao am-ponao ity hevitra tsy mendrika ity hoe: Akaiky ity ny taona fahafito, taom-panafahana, ka ho ratsy maso amin’ny rahalahinao mahantra ianao amin’izay, ka tsy hanome na inona na inona azy, ka hitaraina amin’i Iaveh hiampanga anao izy, ka sao milonjo ota ianao.
10
Tsy maintsy manome azy ianao, ary aza misy alahelo ny fonao, raha manome azy ianao, fa izany no hanambinan’i Iaveh anao amin’ny asanao rehetra sy amin’ny raharaha rehetra hataonao.
11
Na oviana na oviana ny tany tsy hilaozan’olona ory; ka izany no anomezako anao ity didy ity: Aoka hamelatra ny tananao amin’ny rahalahinao ianao, amin’ny ory sy ny mahantra eo amin’ny taninao.
12
Raha mivaro-tena aminao ny iray amin’ny rahalahinao hebrio na lahy izany na vavy, dia hanompo anao enin-taona izy; amin’ny taona fahafito, dia hovotsoranao ho afaka aminao izy.
13
Ary rehefa alefanao aminao izy, dia aza alefa hiala maina,
14
fa anomezo falim-pò mihitsy izy, avy amin’ny biby madinika fiompinao sy ny avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao; ny harena izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao no hanomezanao azy.
15
Tsarovy fa efa mba andevo tany amin’ny tany Ejipta ianao, saingy nanafaka anao i Iaveh Andriamanitrao, ka izany no anomezako anao anio izao didy izao.
16
Raha ny ankizy lahinao anefa no manao aminao hoe: Tsy te hiala aminao aho noho ny fitiavany anao sy ny ankohonanao, sady finaritra izy ao aminao,
17
dia alaovy ny haolo ka teveho eo amin’ny varavarana ny sofiny, dia ho mpanomponao mandrakizay izy. Toy izany koa no hataonao amin’ny ankizy vavinao.
18
Aoka tsy ho mafy aminao ny hamotsotra ny ankizy lahinao ho afaka aminao, satria nahazoanao avo sasaka noho ny karaman’ny mpikarama ny nanompoany anao enin-taona, dia hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao amin’izay rehetra hataonao.
19
Atokàny ho an’i Iaveh Andriamanitrao ny lahy rehetra voalohan-teraky ny biby fiompinao, na vaventy na madinika; aza mampiasa ny voalohan-teraky ny ombinao, na manety ny voalohan-teraky ny ondrinao,
20
fa aoka hohaninao sy ny ankohonanao izany isan-taona eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidiny,
21
Raha manan-kilema anefa izy, fa mandringa na jamba na misy kilema ratsy hafa na inona na inona, dia aza atolotra ho sorona amin’i Iaveh Andriamanitrao,
22
fa hano ao anatin’ny vavahadinao ihany, ka na olona maloto na olona madio, dia samy hihinana azy, toy ny fihinana gazela na serfa.
23
Saingy ny rany kosa no aza hanina, fa araraho amin’ny tany toy ny rano.
← Chapter 14
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 16 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34