bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 25
Deuteronomy 25
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 26 →
1
«Raha misy fifanjihiran’olona, ka efa niseho teo anatrehan’ny mpitsara izy ireo, ary efa notsaraina, ka ny marina nafahana, ary ny meloka nohelohina,
2
raha ny kapohina no tandrify an’izay meloka, dia asain’ny mpitsara hivalandotra amin’ny tany izy, ka hokapohina eo anatrehany, ary hatao araka ny helony ny isan’ny kapoka hamely azy.
3
Tsy atao mihoatra ny efapolo anefa ny isan’ny kapoka asainy hamelezana azy, fa raha tohizana hatao betsaka mihoatra noho izany ny kapoka hamelezana azy, sao dia ho toy ny tsinontsinona eo imasonao ny rahalahinao.
4
«Aza fehezina ny vavan’ny omby mively vary.»
5
«Raha misy mpirahalahy miara-monina, maty momba ny iray aminy, dia aoka ny vadin’ny maty tsy hanambady vahiny any ivelany fa ny rahalahin’ny vadiny ihany no aoka handeha hanatona azy hanambady azy, sy hitondra loloha azy.
6
Ary ny voalohan-janany lahy haterany no handova ilay rahalahy maty sy haka ny anarany, mba tsy ho faty eo imason’i Israely izany anarana izany.
7
Raha tsy tian-dralehilahy ny hitondra loloha ny vadin-drahalahiny, dia aoka hanatona ny loholona eo am-bavahady ravehivavy ka hanao hoe: Tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny eo imason’i Israely ny rahalahin’ny vadiko, fa tsy mety manambady na mitondra loloha ahy izy.
8
Dia hampiantso an-dralehilahy sy hiteny aminy ny loholon’ny tanàna, ka raha mikiry izy, manao hoe: Tsy hanambady azy aho,
9
dia hanatona azy eo anatrehan’ny loholona ravehivavy, sy hanala ny kapa amin’ny tongony ary handrora amin’ny tavany sady hanao hoe: Toy izao no hatao amin’ny lehilahy tsy mety mamelo-maso ny rahalahiny.
10
Ary ny fianakaviany dia hantsoiny eo imason’i Israely hoe: fianakavian’ilay afa-kapa.»
11
«Raha misy olona roa lahy miady ka manatona kosa ny vadin’ny anankiray hanafaka ny lahy eo an-tanan’ilay mamely azy sy maninjitra ny tanany mandray ankasarotana an’itsy mpanompo,
12
dia tapaho ny tanany, aza miantra maso akory.
13
«Aza asiana vato roa, mahery sy osa, ao an-kitaponao.
14
Aza asiana efah roa, lehibe sy kely ao an-tranonao.
15
Fa vato tonga ohatra sy marina no tano, ary efah tonga ohatra sy marina no tano, mba ho lava andro eo amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitrao anao ianao.
16
Fa fahavetavetana eo imason’i Iaveh Andriamanitrao izay manao izany zavatra izany, dia izay manao ny zavatra tsy marina.
17
«Tsarovy ny nafitsok’i Amaleka anao teny an-dalana, tamin’ny nivoahanao avy tany Ejipta,
18
dia ny nifanenany taminao teny an-dalana sy namelezany anao avy ao aoriana, dia izay rehetra efa trotraka nanaraka eo aoriana, fa ianao efa reraka sy valaka; tsy nanana tahotra an’Andriamanitra kely akory izy.
19
Ka raha avy izay hanomezan’i Iaveh Andriamanitrao fitsaharana anao, tsy hohelingelenin’ny fahavalonareo rehetra manodidina anao, any amin’ny tany homen’i Iaveh Andriamanitrao anao ho lovanao mba hanananao azy, dia vonoy tsy ho etỳ ambanin’ny lanitra intsony ny fahatsiarovana an’i Amaleka, aza manadino izany.»
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→