bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 2
Deuteronomy 2
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 3 →
1
Dia nivily lalana isika, ka nandeha ho any an’efitra, amin’ny lalana mankany amin’ny Ranomasina Mena, araka ny nandidian’i Iaveh ahy, ary ela isika no nihodina manodidina ny tendrombohitra Seira.
2
Ary hoy i Iaveh tamiko:
3
Ampy izay ny nihodinanareo manodidina ity tendrombohitra ity, mandehana indray amin’ny lalana mianavaratra.
4
Omeo teny ny vahoaka ataovy hoe: Hamaky ny tanin’ny rahalahinareo ianareo izao, dia ny taranak’i Esao, izay monina any Seira. Hatahotra anareo izy;
5
nefa mitandrema tsara mba tsy hisy hifandiranareo aminy, fa tsy hanomezako anareo ny taniny, na dia eram-paladia aza; ny tendrombohitra Seira efa nomeko an’i Esao hananany azy.
6
Ka aoka hovidinareo vola aminy ny hanin-kohaninareo, hovidinareo vola aminy na dia ny rano hosotroinareo aza.
7
Fa efa nambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, tamin’ny asan’ny tananao rehetra; fantany ny nandehananao namaky ity efitra lehibe ity, fa efapolo taona izao no eo aminao i Iaveh Andriamanitrao, tsy nanan-java-mahory ianao na inona na inona.
8
Koa nandalo lavidavitra ny rahalahintsika zanak’i Esao izay monina any Seira isika, lavidavitra ny lalana amin’i Arabaha sy i Elata ary i Asiôngabera; nivily isika dia nihazo ny lalana mankany amin’ny efitr’i Moaba.
9
Hoy i Iaveh tamiko: Aza manomboka ady amin’i Moaba, ary aza rafitra ady aminy, fa tsy hanomezako ho fanananareo ny taniny, na kely aza, satria i Ara efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta.
10
Ny Emima, vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima, no nonina tany fahiny.
11
Izy ireo koa heverina ho Rafaïma toy ny Enakima, nefa Emima no iantsoan’ny Moabita azy.
12
Ny tany Seira koa fahiny, dia nonenan’ny Hôreanina, nefa noroahin’ny taranak’i Esao ireny nataony lany ringana teo anatrehany, dia izy ireo no nonina nisolo ireny, toy ny nataon’ny zanak’i Israely tamin’ny tany ananany, izay nomen’i Iaveh azy.
13
Koa ankehitriny, mitsangàna ianareo, ka mandehana mita ny ranon-driaka Zareda. Dia nita ny ranon-driaka Zareda isika.
14
Valo amby telopolo taona no naharetan’ny diantsika hatrany Kadesa-Barne ka hatramin’ny nitantsika ny ranon-driaka Zareda, dia mandra-pahalany ritra tsy hisy eo an-toby intsony ny mpiantafika rehetra tamin’izany taranaka izany, araka ny efa nianianan’i Iaveh tamin’izy ireo.
15
Fa ny tanan’i Iaveh koa no namely azy, mba handringana azy tsy ho eo amin’ny toby, mandra-pahalany ritra azy.
16
Nony efa ringan’ny fahafatesana, tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony ny lehilahy mpiantafika rehetra,
17
dia niteny tamiko i Iaveh nanao hoe:
18
Mandehana amin’izao mamaky ny faritr’i Moaba, dia i Ara,
19
ka ho tonga any akaikin’ny taranak’i Amôna ianao, nefa aza manomboka ady aminy, na mifanditra aminy, fa tsy hanomezako ho fanananao ny tanin’ny taranak’i Amôna, na dia kely aza, satria efa nomeko ho fananan’ny taranak’i Lôta izany.
20
Natao ho tanin’ny Refaima koa izany tany izany fa fahiny dia nonina tao ny Refaïma izay nantsoin’ny Amônita hoe Zômzômima,
21
vahoaka lehibe, maro isa sy lava toy ny Enakima. Naringan’i Iaveh ireny teo alohan’ny Amônita izay nandroaka azy sy nonina nisolo azy;
22
toy izany no nataon’i Iaveh ho an’ny taranak’i Esao izay monina any Seira, tamin’ny nandringanany ny Hôreana, teo anoloany, dia noroahiny ireny, ka ireo no nonina nisolo ireny mandrak’androany.
23
Ny Heveanina izay nonina tamin’ny vohitra hatrany Gazà koa, dia naringan’ny Kaftôrima, izay nivoaka avy tany Kaftora sy nonina nisolo ireny.
24
Koa mitsangàna ianareo mandehana mita ny ranon-driaka Arnôna. Indro atolotro eo an-tananao i Sehôna mpanjakan’i Hesebona, Amôreana, mbamin’ny taniny. Atombohy ny fakàna azy, ka tafiho izy.
25
Hatramin’ny anio dia haeliko amin’ny vahoaka rehetra mbamin’ny lanitra ny horohoro aman-tahotra ny anaranareo; ka raha vao mandre ny lazanareo izy dia hangovitra sy hangorohoro noho ny aminao.
26
Teo an’efitra Kademôta dia nandefa iraka hankany amin’i Sehôna, mpanjakan’i Hesebona aho, nitondra tenim-pihavanana, nampilaza taminy hoe:
27
Aoka mba hamaky ny taninao aho, dia homba ny lalam-be fotsiny, fa tsy hivily na ho amin’ny ankavanana, na ho amin’ny ankavia.
28
Hamidinao vola amiko ny hanin-kohaniko; ny rano hosotroiko hatakalonao vola amiko; fa ny handalo mandeha tongotra fotsiny no tadiaviko.
29
Efa nanao izany tamiko ny taranak’i Esao monina any Seira, sy ny Moabita monina any Ara mandra-pitàko an’i Jordany, ho any amin’ny tany omen’i Iaveh Andriamanitray anay.
30
Tsy nety namela antsika hamaky ny taniny anefa i Sehôna mpanjakan’i Hesebona; fa efa nohenjanin’i Iaveh Andriamanitrao ny fanahiny, ary efa nohamafisiny ny fony, mba hanolorany azy ho eo an-tananao araka ny hitanao amin’izao anio izao.
31
Hoy i Iaveh tamiko: Indro aho, nanomboka nanolotra anao an’i Sehôna sy ny taniny. Atombohy ny fanafihana azy mba hahazoanao ny taniny ho fanananao.
32
Dia nivoaka i Sehôna mbamin’ny vahoakany rehetra, mba hiady amintsika tao Jasà;
33
ka natolotr’i Iaveh Andriamanitsika sy noresentsika izy sy ny zanany ary ny vahoaka rehetra.
34
Afatsîka tamin’izay ny tanànany rehetra, nataontsika anatema ny tanànany rehetra, ny lehilahy, ny vehivavy, ny zaza, tsy nasiantsika niangana izy na dia iray aza.
35
Fa ny biby fiompiny kosa sy izay mety ho babo tao amin’ny tanàna afatsîka no norobaintsika ho antsika.
36
Hatrany Harôera amoron’ny lohasahan-driaka Arnôna, sy ny tanàna eo anatin’ny lohasaha, ka hatrany Galaada, dia tsy nisy tanàna sarotra anihina ka tsy afatsîka, fa natolotr’i Iaveh Andriamanitsika ho antsika daholo.
37
Tsy nisy nakaikenao anefa ny tanin’ny taranak’i Amôna, ary na aiza na aiza koa teo amoron’ny ranon-driaka Jabaoka, na ny tanàna eo amin’ny tendrombohitra na ny toerana rehetra efa nandraran’i Iaveh Andriamanitsika anao.
← Chapter 1
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 3 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34