bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 8
Deuteronomy 8
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
1
«Mitandrema tsara hanaraka ny didy rehetra nandidiako anareo androany, mba ho velona ianareo, sy hihamaro ary hiditra haka ho fanananareo ny tany izay nianianan’i Iaveh homena ny razanareo.
2
Tsarovy ny lalàna rehetra izay nasain’i Iaveh Andriamanitrareo nandehananareo, tany an’efitra, nandritra ny efapolo taona izao, mba hampanetry tena anao, sy hitsapa ny tenanao, dia hahalalàna ny hevitrao ao am-ponao, na hitandrina ny didiny ianao, na tsia.
3
Nampietry tena anao Izy sy namela anao ho noana, ary namahana anao tamin’ny mana, izay tsy fantatrao, na fantatry ny razanao, mba hampahalalàny anao fa tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa izay rehetra mivoaka ny vavan’Andriamanitra no iveloman’ny olona.
4
Ny fitafiana tsy nihatonta teny aminao, ny tongotrao tsy nivonto, mandritra izao efapolo taona izao,
5
mba hiekenao ao am-ponao, fa toy ny ampianaran’ny olombelona ny zanany, no ampianaran’i Iaveh Andriamanitrao anao,
6
ary mba hitandremanao ny didin’i Iaveh Andriamanitrao amim-panarahana ny lalany, sy amim-pahatahorana Azy.»
7
«Fa efa hampidirin’i Iaveh Andriamanitrao, any amin’ny tany soa ianao, dia tany misy ranon-driaka aman-doharano, sy rano lalina miboiboika avy amin’ny lohasaha aman-tendrombohitra;
8
tany vokatra varimbazaha, orja, voaloboka, aviavy, ampongabendanitra;
9
tany be ôliva sy diloilo aman-tantely; tany hihinanana mofo amim-panaranam-po sy tsy hanananao zava-mahory; ny vato amin’izany tany izany dia vy ary ny tendrombohitra ihadiam-barahina.
10
Hihinana ianao dia ho voky, ary hisaotra an’i Iaveh Andriamanitrao noho ny tany soa nomeny anao.
11
Tandremo fandrao manadino an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka manao tsirambina ny fitandremana ny didiny sy ny fitsipika aman-dalàny izay andidiako anao anio,
12
fandrao rehefa mihinana ianao, ka voky sy manao trano, ka monina an-trano soa,
13
ary mahita ny omby aman’ondrinao mihamaro, sy ny volafotsy amam-bolamena mitombo, ary ny fanananao rehetra mitombo,
14
dia hiavonavona ny fonao, ka hohadinoinao i Iaveh Andriamanitrao, izay nampivoaka anao avy tany amin’ny tany Ejipta, tamin’ny trano fanandevozana,
15
izay nitondra anao tany amin’ny efitra lehibe sy mahatahotra misy bibilava mivaivay sy maingoka, amin’ny fitoerana ngàzana sy tsy misy rano; izay nampiboiboika rano ho anao, avy amin’ny vatolampy mafy indrindra,
16
izay nanome mana hohaninao tany an’efitra, dia zavatra tsy fantatry ny razanao akory, mba hampanetry tena anao sy hizaha toetra anao, ary hanisy soa anao any aoriana,
17
fandrao ianao hanao anakampo hoe: Ny heriko aman-tanjaky ny tanako no nahavoriako izao harena izao.
18
Tsarovy i Iaveh Andriamanitrao, fa Izy no nanome hery hamorianao izany, mba hahatanteraka ny fanekeny, izay nianianany tamin’ny razanao, araka izao ankehitriny izao.
19
Raha manadino an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, ka tonga andriamani-kafa no harahinao sy hotompoinao ary eo anoloany ianao no hiankohoka, dia milaza marimarina aminareo aho izao, fa ho faty tokoa ianareo.
20
Tahaka ny firenena aringan’i Iaveh eo anoloanareo, dia ho ringana koa ianareo, satria tsy mihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo ianareo.»
← Chapter 7
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 9 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34