bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Deuteronomy 16
Deuteronomy 16
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
1
«Tandremo ny volana Abiba, ka ankalazao ny Paka, fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao, fa tamin’ny volana Abiba, raha alina, no nitondran’i Iaveh Andriamanitrao anao nivoaka tany Ejipta.
2
Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany, no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’i Iaveh Andriamanitrao, ny ondry sy ny omby.
3
Aza mihinana mofo misy lalivay miaraka amin’ireo sorona ireo, fa mofo tsy misy lalivay no hano mandritra ny hafitoana, dia mofom-pahoriana, satria tamim-pahamaikana no nivoahanao tany amin’ny tany Ejipta, mba hahatsiarovanao ny andro nivoahanao tany Ejipta, amin’ny andro rehetra iainanao.
4
Aoka tsy hisy lalivay ao aminao amin’ny faritaninao rehetra mandritra ny hafitoana, ary aza misy avela hiloaka alina ho tra-maraina ny henan’ny sorona novonoinao tamin’ny harivan’ny andro voalohany.
5
Tsy ho azonao amonoana ny soron’ny Paka avokoa tsy akory ny tanàna rehetra homen’i Iaveh Andriamanitrao anao,
6
fa amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany ihany no hamonoanao ny soron’ny Paka, amin’ilay hariva maty masoandro iny, izay fotoana nivoahanao tany Ejipta.
7
Atsatsiho ny sorona ary hano eo amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao; ary nony maraina dia modia ho any an-dainao.
8
Henemana no hihinananao mofo tsy misy lalivay ary ny andro fahafito, dia hatao ny fivoriana lehibe ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao; tsy hanao asa na inona na inona ianao.»
9
Hanisa herinandro fito ianao, ka raha vao santarina amin’ny antsim-bary ny vary dia hatombokao ny fanisana herinandro fito;
10
dia hankalaza ny fetin’ny Herinandro ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny fanolorana an-tsitrapo avy amin’ny tananao, araka izay nanambinan’i Iaveh Andriamanitrao anao.
11
Any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh Andriamanitrao hamponenany ny Anarany no hifalianao eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrao, ianao, ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ny Levita ao anatin’ny vavahadinao ary ny vahiny sy ny kamboty sy ny mpitondratena mitoetra eo afovoanao.
12
Tsarovy fa efa mba andevo tany Ejipta koa ianao, ka tandremo ny hanatanteraka ireo didy ireo.
13
Hafitoana no hankalazanao ny fetin’ny Tabernakla, rehefa voaangonao ny vokatra avy eo am-pamoloana amam-pamiazanao.
14
Mifalia amin’izany fety izany ianao, mbamin’ny zanakao lahy sy ny zanakao vavy, ny ankizilahinao sy ny ankizivavinao, ary ny Levita sy ny vahiny mbamin’ny kamboty sy ny mpitondratena ao anatin’ny vavahadinao.
15
Hafitoana no hankalazanao ny fety, ho fanomezam-boninahitra an’i Iaveh Andriamanitrao any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, fa hambinin’i Iaveh Andriamanitrao ianao, amin’ny vokatra rehetra, sy amin’ny asan-tananao rehetra, ka dia hifaly eram-po tokoa ianao.
16
Intelo isan-taona no hisehoan’ny lehilahy rehetra aminareo, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo, any amin’ny fitoerana izay hofidiny, dia amin’ny fetin’ny Azima, sy ny fetin’ny Herinandro, ary ny fetin’ny Tabernakla; ka aoka tsy ho tanam-polo fotsiny no hisehoany eo anatrehan’i Iaveh,
17
fa aoka samy hanatitra izay zakany avy, araka ny fanambinana nomen’i Iaveh Andriamanitrao azy.
18
Asio mpitsara sy andriambaventy ny tanàna homen’i Iaveh Andriamanitrao anao, araka ny fokonao avy, ary hitsara ny vahoaka ara-drariny izy.
19
Aza mampandefitra ny rariny, aza mizaha tavan’olona ary aza mandray kolikoly mahajamba ny mason’ny hendry sy mampivadika ny tenin’ny marina.
20
Araho an-tsakany sy an-davany ny rariny mba ho velona ianao, sy hanana ny tany izay homen’i Iaveh Andriamanitrao anao.
21
Aza anangananao asera, na hazo na inona na inona, eo an-danin’ny ôtely, izay hatsanganao ho an’i Iaveh Andriamanitrao.
22
Aza mba manao tsangam-bato izay halan’i Iaveh Andriamanitrao.
← Chapter 15
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 17 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
Recommended Reading
Commentary
Deuteronomy Commentaries
→
Devotional
Deuteronomy Devotional Guide
→
Get This Bible
Malagasy (Baiboly Katolika) Study Bible
→