bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 10
Numbers 10
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
1
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
2
«Manaova trômpetra volafotsy roa; ka ataovy amin’ny volafotsy tefy manta izy. Hataonao fiantsoana ny fiangonana sy fampiaingana ny olona hifindra toby izy.
3
Nony tsofina ireo dia hivory ao aminao ny fiangonana rehetra ao anoloan’ny trano lay fihaonana.
4
Raha trômpetra iray ihany no tsofina, dia ny filohany, ny mpifehy ny arivo amin’i Israely no hivory ao aminao.
5
Raha tsofinao mikarantsana, dia ireo mitoby eo amin’ny lafiny atsinanana no hiainga.
6
Raha tsofinao mikarantsana fanindroany, dia ireo mitoby amin’ny lafiny atsimo no hiainga. Hotsofina mikarantsana amin’ny fiaingany.
7
Ary hotsofinao fa tsy atao mikarantsana amin’ny fiantsoana ny fiangonana.
8
Ireo mpisorona zanak’i Aarôna, no hitsoka ny trômpetra; lalàna ho anareo sy ny taranakareo hatrany hatrany izany.
9
Any amin’ny taninareo raha handeha hiantafika amin’ny fahavalo mananika anareo ianareo, dia hitsoka ny trômpetra mikarantsana, ka ho tonga ao amin’i Iaveh Andriamanitrareo ny fahatsiarovana anareo, ka ho voavonjy amin’ny fahavalonareo.
10
Amin’ny andro fifalianareo sy amin’ny fetinareo, ary amin’ny voaloham-bolanareo, hitsoka ny trômpetra ianareo, eo am-panolorana ny sorona doranareo, sy ny sorom-pihavananareo, dia ho fampahatsiarovana anareo izany, eo anatrehan’i Iaveh Andriamanitrareo. Izaho no Iaveh Andriamanitrareo.»
11
Tamin’ny taona faharoa andro faha-20n’ny volana faharoa, dia nisondrotra niala teo ambonin’ny Fonenan’ny vavolombelona ny rahona.
12
Ka nanohy ny diany ny zanak’i Israely, dia niala tao amin’ny efitra Sinaia, ary tany amin’ny efitra Faràna no nijanona ny rahona.
13
Izany no niaingany voalohany araka ny didin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Môizy.
14
Ny niainga voalohany, dia ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Jodà araka ny antokony avy; ary ny antokon’i Jodà, dia nofehezin’i Nahasôna zanak’i Aminadaba.
15
Ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Isakara, dia nofehezin’i Natanaely zanak’i Soara;
16
ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna, dia nofehezin’i Eliaba, zanak’i Helona.
17
Dia nahorona ny Fonenana ka niainga nitondra ny Fonenana ny zanak’i Gersôna sy ny zanak’i Merarỳ.
18
Dia niainga ny fanevan’ny tobin-dRobena araka ny antokony avy, ary ny antokony dia nofehezin’i Elisora, zanak’i Sedeora;
19
ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Simeôna, dia nofehezin’i Salamiela, zanak’i Sorisadaia,
20
ary ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Gada, nofehezin’i Eliazafa, zanak’i Doela.
21
Niainga ny Kaatita mitondra ny zavatra masina, ka mandra-pahatongany, dia atsangana ny Fonenana.
22
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Efraima, araka ny antokony avy; ary ny antokony dia nofehezin’i Amioda;
23
ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Manase dia nofehezin’i Gamaliela zanak’i Fadasora,
24
ary ny antokon’ny fokon’i Benjamina dia nofehezin’i Abidàna, zanak’i Jedeôna.
25
Dia niainga ny fanevan’ny tobin’ny zanak’i Dana, araka ny antokony avy; izy no vodilalan’ny toby rehetra. Ny antokon’i Dana dia nofehezin’i Ahiezera zanak’i Amisadaia;
26
ny antokon’ny fokon’ny zanak’i Asera dia nofehezin’i Fegiela zanak’i Okrana;
27
ary ny antokon’ny zanak’i Neftalì dia nofehezin’i Ahirà, zanak’i Enàna.
28
Izany no filaharan’ny zanak’i Israely teny an-dalana araka ny antokony avy. Dia niainga handeha izy ireo.
29
Ary hoy i Môizy tamin’i Hobaba zana-dRagoela, Madianita, rafozan’i Môizy: «Ny dianay izao, dia ho any amin’ny tany nolazain’i Iaveh hoe: Homeko anareo izy. Koa andeha hiaraka aminay, fa hasiany soa ianao, satria i Iaveh efa nampanantena ny hanisy soa an’i Israely.»
30
Fa izao no navalin’i Hobaba azy: «Tsy handeha aho, fa hody any amin’ny taniko sy ny havako.»
31
Dia hoy i Môizy: «Masìna ianao, aza dia ilaozanao izahay, fa fantatrao izay toerana tokony hitobianay any an’efitra; ka dia ianao no ho masonay.
32
Raha miaraka aminay ianao, dia hataonay miombona izay soa hataon’i Iaveh aminay.»
33
Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.
34
Ary rehefa niala tamin’ny toby izy ireo, dia eo amboniny mandritra ny andro ny rahon’i Iaveh.
35
Nony niainga ny fiara, dia hoy i Môizy: «Mitsangàna, ry Iaveh, ka aoka hihahaka ny fahavalonao, aoka handositra ny Tavanao izay mankahala Anao.»
36
Nony nijanona kosa indray izy dia hoy izy: «Avia, ry Iaveh, miverena amin’ny isan’arivon’i Israely tsy omby alinalina.»
← Chapter 9
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 11 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36