bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 25
Numbers 25
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
1
Nandritra ny fipetrahan’i Israely tao Setima, dia rafitra nijangajanga tamin’ny zanaka vavin’i Moaba ny vahoaka,
2
ary ireo nanasa ny vahoaka ho amin’ny fisoronana nataony tamin’ny andriamaniny, ka nihinana sy niankohoka tamin’ny andriamaniny ny vahoaka.
3
Niray tamin’i Beelfegôra i Israely, ka nirehitra tamin’i Israely ny fahatezeran’i Iaveh.
4
Hoy i Iaveh tamin’i Môizy: «Vorio daholo ny filohan’ny vahoaka rehetra, ka ahantòny tandrifin’ny masoandro, eo anatrehan’i Iaveh, ireo ratsy, mba hitsaharan’ny firehetan’ny fahatezeran’i Iaveh amin’i Israely.»
5
Dia hoy i Môizy tamin’ny mpitsaran’i Israely: «Samia ianareo mamono ny olom-peheziny izay niray tamin’i Beelfegôra.»
6
Ary inty nisy lehilahy anankiray amin’ny zanak’i Israely tamy mitari-behivavy Madianita anankiray nankeo amin’ny rahalahiny, teo imason’i Môizy sy ny fiangonan’ny zanak’i Israely rehetra, izay nitomany teo amin’ny varavaran’ny trano lay fihaonana.
7
Vao nahita izany i Finea, zanak’i Eleazara zanak’i Aarôna mpisorona, dia nitsangana teo afovoan’ny fiangonana; nitondra lefona teny an-tanany,
8
nanaraka ilay lehilahy Israelita tao anatin’ny lay ka nandefona azy roaroa, dia ralehilahy Israelita sy ilay vehivavy, tamin’ny kibony. Nitsahatra tamin’izay ny loza teo amin’ny zanak’i Israely.
9
Nisy 24.000 no matin’ny loza.
10
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh ka nanao hoe:
11
«I Finea, zanak’i Eleazara, zanak’i Aarôna mpisorona, no nampiala ny hatezerako tamin’ny zanak’i Israely, satria noho izy nazoto nitandro ny voninahitro teo afovoan’izy ireo, dia tsy nandringana ny zanak’i Israely Aho tamin’ny fahazotoako hitandro ny voninahitro.
12
Koa noho izany dia ilazao izy fa homeko ny fanekem-pihavanako;
13
dia ho faneken’ny fisoronana mandrakizay, ho azy sy ny taranany mandimby azy, noho izy saro-piaro ho an’Andriamaniny, sy nanao ny fanonerana ho an’ny zanak’i Israely.»
14
Zamarì no anaran’ilay lehilahy Israelita, niara-novonoina tamin-dravehivavy Madianita; zanak’i Salò izy, sady filoham-pianakaviana tamin’ny Simeônita.
15
Ary Kozbì no anaran’ilay vehivavy Madianita novonoina, zanak’i Sora, filoham-poko, amin’ny fokom-pianakaviana, any Madiàna azy.
16
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
17
«Ataovy fahavalonareo ny Madianita, ka vonoy ireny,
18
fa niseho ho fahavalonareo tamin’ny nataony anareo, raha nanangoly anareo tamin’ny hafetseny izy; ary i Fogôra no nentiny hanao izany, sy Kozbì koa, zanaka vavin’ny lehibe anankiray any Madiàna, anabaviny, izay novonoina tamin’ny andron’ny loza nitranga noho ny amin’i Fogôra.»
← Chapter 24
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 26 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36