bible
ra
🌐 Language
English
Español
Français
Deutsch
Português
Italiano
Nederlands
Русский
中文
日本語
한국어
العربية
Türkçe
Tiếng Việt
ไทย
Indonesia
All Languages
Home
/
Malagasy
/
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
/
Numbers 34
Numbers 34
Malagasy 2003 (Baiboly Katolika)
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
1
Niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
2
Mandidia ny zanak’i Israely ka lazao aminy hoe: Rehefa tafiditra any amin’ny tany Kanaana ianareo, izao no tany ho tonga zara taninareo: ny tany Kanaana araka ny mamaritra azy.
3
Ny lafiny atsimo amin’ny taninareo dia ny efitra Sina, hatrany Edôma, ka ny faritrareo atsimo dia hatramin’ny faran’ny Ranomasin-tSira any atsinanana,
4
dia miolaka mianatsimo amin’ny fiakarana Akrabima ny faritrareo, dia mandalo any Sina, mandroso hatrany atsimon’i Kadesy-Barne, mitohy amin’ny Hatsar-Adara, mihazo any Asemôna,
5
ary hatreo Asemôna, dia mipaka hatrany amin’ny riakan’i Ejipta, sy mihatra amin’ny ranomasina.
6
Ny faritra andrefana kosa, dia ny ranomasina Lehibe no ho faritrareo; io no hamaritra anareo amin’ny andrefana.
7
Izao no sisin-taninareo amin’ny avaratra. Avy ao amin’ny ranomasina Lehibe, dia hofaritanareo mihazo any an-tendrombohitra Hôra;
8
avy ao an-tendrombohitra Hôra, dia hofaritanareo mankao amin’ny vavahadin’i Hamata ka tonga hatrany Sedada io faritra io;
9
dia hitohy amin’ny Jefrôna sy ho tafapaka any Hatsar-Enàna: Izany no ho faritrareo amin’ny avaratra.
10
Ny sisin-taninareo any atsinanana dia hatreo Hatsar-Enàna ka hatrany Sefama;
11
ary ny faritra dia midina avy eo Sefama mankany Reblà, atsinanan’i Aïna; dia mbola midina mitohy manaraka ny havoana eo an-tsisin’ny ranomasina Kenereta any atsinanana,
12
ary midina ny faritra manaraka ny moron’i Jordany ka tafapaka hatramin’ny Ranomasin-tSira. Izany no ho taninareo araka ny faritra manodidina azy.
13
Izao no nandidian’i Môizy ny zanak’i Israely nataony hoe: Izany no tany hozarainareo amin’ny filokana sy nodidian’i Iaveh homena ny foko sivy sy ny antsasa-poko.
14
Fa ny fokon’ny zana-dRobena araka ny fokom-pianakaviany avy, sy ny fokon’ny zanak’i Gada, araka ny fokom-pianakaviany avy, dia efa samy nandray ny azy, ny antsasaky ny fokon’i Manase efa nandray ny lovany.
15
Samy efa naka ny anjara lovany atỳ an-dafin’i Jordany hitsin’i Jerikô amin’ny lafiny any atsinanana, amin’izay hiposahan’ny masoandro, ny foko roa sy ny antsasa-poko.
16
Ary niteny tamin’i Môizy i Iaveh nanao hoe:
17
Izao no anaran’ny lehilahy hizara ny tany aminareo: Eleazara, mpisorona, sy Jôsoe, zanak’i Nona.
18
Ary lehilahy iray isam-poko no halainareo hizara ny tany,
19
ka izao no anaran’ireo lehilahy ireo: Kaleba zanak’i Jefone, amin’ny fokon’i Jodà,
20
Samoela zanak’i Amioda amin’ny fokon’i Simeôna,
21
Elidada zanak’i Kaslôna amin’ny fokon’i Benjamina,
22
Boksỳ izay filohany, zanak’i Jôglỳ amin’ny fokon’ny zanak’i Dana.
23
Ny amin’ny zanak’i Josefa: Haniela izay filohany, zanak’i Efôda, amin’ny fokon’ny zanak’i Manase;
24
ary Kamoela izay filohany, zanak’i Seftàna amin’ny fokon’ny zanak’i Efraima;
25
Elisafàna, izay filohany, zanak’i Farnàka, amin’ny fokon’ny zanak’i Zabolôna
26
Faltiela izay filohany, zanak’i Ozana, amin’ny fokon’ny zanak’i Isakara;
27
Ahioda izay filohany, zanak’i Salômỳ, amin’ny fokon’ny zanak’i Asera;
28
Fedaela izay filohany, zanak’i Amioda, amin’ny fokon’ny zanak’i Neftalì.
29
Ireo no nodidian’i Iaveh hizara ny tany Kanaana amin’ny zanak’i Israely.
← Chapter 33
Jump to:
Chapter 1
Chapter 2
Chapter 3
Chapter 4
Chapter 5
Chapter 6
Chapter 7
Chapter 8
Chapter 9
Chapter 10
Chapter 11
Chapter 12
Chapter 13
Chapter 14
Chapter 15
Chapter 16
Chapter 17
Chapter 18
Chapter 19
Chapter 20
Chapter 21
Chapter 22
Chapter 23
Chapter 24
Chapter 25
Chapter 26
Chapter 27
Chapter 28
Chapter 29
Chapter 30
Chapter 31
Chapter 32
Chapter 33
Chapter 34
Chapter 35
Chapter 36
Chapter 35 →
All chapters:
1
2
3
4
5
6
7
8
9
10
11
12
13
14
15
16
17
18
19
20
21
22
23
24
25
26
27
28
29
30
31
32
33
34
35
36